- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana : Topimaso Kely Amin'ny Teknolojia Ekolojika Japoney

Sokajy: Japana, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Tontolo_iainana

(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2009)

Tamin'ny tapaky ny volana May, niaraka tamin'ilay rafitra “éco-points”, nanangana drafitra fanentanana [1] [amin'ny teny anglisy] ny governemanta japoney [1]mba hampiroboroboana ny fangatahana fampiasàna kojakojan-tokantrano mandeha amin'ny herinaratra mitsitsy angovo. Ho faritana mazava amin'ny volana ambony io ny antsipiriany, aorian'ny fanamarinan'ny Diète [parlemanta japoney] ny tetibola fanampiny amin'ity taon-ketra ity.

Ny tanjona dia toa mitovy  [2] [amin'ny teny anglisy] amin'ilay fikasàna farany mba hamerina indray ny sarin'i Japàna, foiben'ny protocole de Kyoto [3], ho toy ‘ny’ firenena mampiasa teknolojia izay manaja ihany koa ny tontolo iainana. Angamba koa hnamarihana ny mampiavaka azy amin'ny mpifaninana aminy akaiky, i Shina.

Raha ny marina, tsy trangan-javatra vaovao ny ‘fironana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana’. Nandritra ny taona maro, dia nanandrana nampiroborobo ireo teknolojia vaovao sy ireo fitaovana manaja ny tontolo iainana [4] [amin'ny teny anglisy] ho an'ny fampiasa andavanandro ireo orinasa mampiasa renivola sosialy ho fiaingàna.

Tsy ho vita ny hanolotra ireo teknolojia rehetra miaro ny tontolo iainana ireo, fa indreto misy ohatra tetikasa vitsivitsy mahaliana izay naka bahana tamin'ny taona lasa.

Hazavain'ny [5]Se-goiken [japoney] ny antsipiriany amin'ireo akora sasany ( izay tsy mbola fantatra anarana ) vokarin'ireo orinasa japoney, fisantarana izay iraisana ihany koa amin'ireo firenena maro hafa manandrana mampihena ny fandanilaniam-poana ireo loharano sarobidy.

まずはバナナシャツ。
廃棄物として捨てられるバナナの茎、その数年間10億トンもあり、
そのバナナの繊維と綿をミックスすることで新繊維を生み出すことに成功した。
主にシャツやズポンがすでに開発され、春にはジーンズも発売される。

Voalohany indrindra, ny lobaka ‘akondro’. Nisy orinasa japoney iray nahavita namorona kofehy vaovao tamin'ny fanambarana ny hasy sy ny singa fototra avy amin'ny vatan'akondro ( vatan'akondro maherin'ny an-tapitrisany no ripaka natao toy ny fako tamin'ny taona lasa).
Efa manamboatra lobaka sy pataloha sahady amin'io kofehy vaovao io ry zareo ary hamidy eny an-tsena ny ‘jean’ amin'ny lohataona.

[…]

次は竹。
ベンチャー企業が、竹から繊維を開発するということに成功した。
竹林は成長が早い為、環境への負担が少なく、CO2の吸収量も高い為、
竹林を数多く育てることがそのままエコに繋がるとのこと。
またコスト的にも綿の1/20 程で購入できるメリットがあるようだ。[…]
今回紹介したような技術革命が進んで行けば、日本の将来も暗くはない。

Avy eo, ny  volobe
Orinasa iray mampiasa renivola sosialy ho fiaingàna no nanamboatra kofehy vita amin'ny volobe.
Haingam-pitombo ny alanà ‘volobe’ ary tsy misy fiantraikany firy amin'ny tontolo iainana satria afaka mitroka CO2 be dia be izy. Tsara ho an'ny tontolo iainana ny fampaniriana alanà volobe. Ankoatra izay, ampaha-roapolon'ny vidin'ny hasy no hividianana ilay akora fototra voajanahary.
Amin'izao fotoana izao, dia toa voafetra amin'ny mosara sy lamba famaohana ihany ny 100%-n'ny vokatra vita amin'ny volobe.
[…] Raha tohizantsika ny làlan'ireo haivao ara-teknolojia voalaza etsy ambony, dia mino aho fa ho hamiratra kokoa ny hoavin'i Japana.

Ny lahatsoratr'i Japan Probe [6] [amin'ny teny anglisy] no manazava ny votoatin'ilay lahatsary etsy ambony.

Asehon’ [7]ilay mpitoraka bilaogy earthfuroshiki [ amin'ny teny japoney] ny fomba vaovao entina hamokarana angovo. Loharanon'angovo hafa, izay nampiharina voalohany tamin'ny 2006 no natolotry ny PDG -n'ny orinasa Soundpower Corporation [8] (音力発電), 27 taona amin'izao fotoana izao.

それは「振動によって発電する」という技術

[‘Ndeha hiresaka kely ny ] herinaratra vokarina amin'ny hovitrovitra [9] [amin'ny teny anglisy] :

橋や改札などの車や人の行き来が激しく、振動が多い場所にこの発電方式を利用して振動をエネルギーに変えるというもの。

Ny famokarana angovo avy amin'ny fisaviliviliana dia midika famokarana angovo any amin'ny toerana izay betsaka hovitrovitra, ohatra any amin'ny tetezana na any amin'ireo vavahady fanarahamaso ny fidirana, izay betsaka mpivezivezy na olona na fiara.

実際に『首都高五色桜大橋のイルミネーション』にこの技術が利用されています。昼間に振動によって蓄えたエネルギーを使って日没後から24時まで橋をライトアップしています。
振動が生じる場所にこの技術を用いれば原理的に発電することが可能なので
キーボードのタイプで発電、物の移動による発電など、地産地消ならぬ個産個消も可能と期待も高まっているようです。

Amin'izao fotoana izao, ity teknolojia ity no ampiasaina [amin'ny ampahany] mba hanazavàna ny tetezana Goshiki Zakura Big Bridge [10] [japoney] any Tokyo. Mazava [11] [japoney] manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ka hatramin'ny misasakalina ilay tetezana noho ny angovo vokatra avy amin'ny hovitrovitra ary voatahiry miendrika herinaratra nandritra ny tontolo andro.  Raha ara-teoria, dia azo atao ny mamokatra angovo amin'ny toerana rehetra mihovitrovitra toy ny fitendrena kitendry na fifindran-toeran'ny zavatra iray. Manokatra ny fahafahana mamokatra angovo mifanaraka amin'ny filàna izany, fa tsy mamokatra betsaka mihoatra.

Hitanareo eto [12] [japoney] ny lahatsary iray tao amin'ny TV-tokyo izay manazava ny fotokevitr'io haivao io.

iskyliving/i (un jardin sur le toit). Photo du compte flickr pict u re.

skyliving (zaridaina eny an-tafontrano). Sary amin'ny kaonty  flickr pict u re.

Farany, asehon'ny mpanolotsaina Shimo3781 [13] [japoney] antsika ny fironana misy [14] amin'ny indostrian'ny fananganana trano amin'izao fotoana izao izay mikendry ny hampitombo ny isan'ny sehatra maitso amin'ny tanàndehibe no sady mitsitsy angovo.

温暖化対策の一環として屋上緑化が叫ばれている。
方策の一つとして屋上に芝生を植えたり庭園を設置するものが多い。
ただし土を使う屋上緑化は重量に耐えるだけの建物の強度が必要だ。

Isan'ny fepetra iray hiadiana amin'ny fiakaran'ny maripàna ny fambolena zavamaniry eny ambony tafontrano. Fanaovana zaridaina eny ambony tafo ity andrana ity, ary natokana ho an'ireo izay manana tafo afaka mivesatra ny lanjan'ny tany ampiasaina ho an'ny fambolena ihany.

今日紹介するのはNTT都市開発所有のアーバンネット三田ビルだ。
ここでは屋上緑化にサツマイモを植えた。[…]
エコと野菜の一石二鳥だ。
コンクリートの表面温度が55度のとき、サツマイモの葉に覆われた部分は28度だったというから効果は抜群だ。
ビル内の温度を抑えられるから冷房代が安く抑えられる。
屋上緑化の方法も今後益々多様化していくだろう。

‘Ndeha asehoko anareo ny trano Urban Net Mita, fanànan'ny orinasa NTT Urban Development Co.
Eto, dia mamboly vomanga izahay amin'ny famoronana sehatra maitso. […] Tombony roa amin'ny vidin'ny iray : legioma vaovao sy fitsitsiana angovo. Na dia mahatratra 55 degre aza ny hafanana eo ambony erana vato sy simenitra voasesi-by, ny hafanan'ny erana ao ambanin'ny ravim-bomanga dia voatàna ho 28 degre. Vokatra miavaka. Satria manampy amin'ny fifehezana ny hafanàna ao anaty trano izany, mihena ny fampiasàna ny rafitra  ‘air conditionné ‘.
[ Ny hevitro manokana dia ] fomba “fanaovana voly an-tafontrano”  maro sy samihafa no hiainana manomboka izao.