- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Fanentanana “Atsaharo ny fihoaram-pefy amin'ny zava-mahadomelina”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahasalamàna, Fivavahana, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora

(Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

“Atsaharo ny rongony.. Ovay ny fiainanao” no teny filamatra ho an'ny fanentanana iray vaovao mampiadihevitra natombok'i Amr Khaled [1] tao Ejypta sy ny firenena Arabo hafa. Ny tanjon'ny fanentanana voalohany indrindra dia ny hiady amin'ny fampiasana rongony eo amin'ny tanora sy hanazava azy ireo ny voka-dratsin'ny rongony eo amin'izy ireo, eo amin'ny fiainana sy ny firenena.

logo.jpg

Bilaogera Ejypsiana ISIS [2], tamin'ny lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Fanentanana momba ny Rongony ataon'i Amr Khaled” nanoratra hoe:

“At last the very popular Amr Khaled does something, in my eyes, truly great, wide scale, and not exclusive to Islam or Muslims. A drug campaign supposedly covering the Middle East, called ‘Hemaya’, which literally translates to ‘Protection’ was launched only last week by the young and controversial evangelist. The campaign aims to get 5,000 addicts to begin treatment.

“Nanao zavatra teo imasoko, tena lehibe, mielipatrana  ihany tamin'ny farany ilay tena malaza Amr Khaled ary tsy ho an'ny Islamo na Miozolomana ihany izany. Natombok'ilay tanora sady evanjelistra mampiadihevitra tamin'ny herinandro teo toa lazaina ho manerana an'i Afovoany Atsinanana ny fanentanana momba ny rongony, antsoina hoe ‘Hemaya’, izay adika ara-bakiteny hoe ‘Fiarovana’. Kinendrin'ny fanentanana ny hahazo mpidoroka zava-mahadomelina 5.000 hanomboka fitsaboana.

Raha maniry ny fahombiazan'ny fanentanana, nampitandrina i ISIS [2], izay mamaritra ny tenany ho “mpiankin-doha an-dalam-piarenana”, fa mety hitondra tsara kokoa noho ireo mpiray finoana aminy ny tanora laika manely ny hafatra. Manazava izy:

“ I really want this campaign to work and for more people to know about the disease and as a society fight against it. I don't know about other addicts, but these overtly virtuous goody two shoe'ed people freak me out and if I was still using I'd be scared to ask them directly for help out of fear of being judged and ridiculed actually – this is simply because I'd feel that, even though they're making gigantic efforts to openly speak about this specific ill of society, the volunteer youth are obviously devoted Amr Khaled fans who I bet you anything have never missed an episode of Al Janna Fi Beyoutena (Heaven in our Homes) and 3ala Khouta Al Habib (On The Path of the Beloved – a show where Amr Khaled emotionally tells the story of Prophet Mohamed) [**] – and all that means that they are extremely religious – generally that would be okay, but when you're trying to target drug users and addicts and convince them of starting a treatment program, these volunteer seem like have no experience at all dealing with or understanding drug users and their mentalities – and that may be the main problem in reaching their aim. Anyways – maybe if Hemaya was a bit more secular it would make a more successful attempt at actually reaching the twisted and disoriented minds of addicts like myself. I really believe that with just a few adjustments to the campaign themes and motifs of publicity and marketing this project can truly hit the nail on its head. I really may actually think of volunteering… but I'd be scared of all the stigma, cuz in the middle of all the veiled chicks – I will totally stand out as the recovering addict…
In any case, best of luck to Hemaya, really I hope their goals get reached and their plans achieved…

“Tena tiako ity fanentanana ity mba hiasa sy hahalalàn'ny olona bebe kokoa momba ny aretina ary mba hiady amin'izany ny fiarahamonina. Tsy fantatro ny amin'ireo mpiankin-doha hafa, saingy mampatahotra ahy ireo olona misehoseho ho masina ary raha mbola miankin-doha aho, dia matahotra ny ho voatsara sy hihomehezahana aho raha mangataka fanampiana mivantana amin'izy ireo – izany dia noho ny fahatsapako fa, na dia manao ezaka goavana aza izy ireo mba hiresaka an-kahalalahana ity aretina miavaky ny fiarahamonina ity, dia miharihary fa mpankasitraka an'i Amr Khaled ireo  tanora mpirotsaka an-tsitrapo, izay sahiko ny milaza aminao fa mitady ny fomba rehetra hanaovana ny Al Janna Fi Beyoutena (Lanitra ao an-tokantranontsika) sy ny 3ala Khouta Al Habib (Manaraka ny lalan'ny malalany – fampisehoana izay anambaran'i Amr Khaled am-pihetseham-po amintsika ny tantaran'i Mpaminany Mohamed) [ary] midika izany rehetra izany fa tena mpivavaka izy ireo – ekena izany amin'ny ankapobeny, saingy rehefa miezaka mikendry ireo miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina sy mpidoroka ianao ary mandresy lahatra azy ireo hanomboka fandaharam-pitsaboana, dia toa tsy mahalala na inona na inona amin'ny fifampiresahana na mahatakatra ny lazain'ireo miankin-doha sy ny toe-tsainy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo – ary mety izany no olana goavana amin'ny fahatratrarana ny tanjon'izy ireo. Na izany na tsy izany – angamba raha lahika kokoa i Hemaya, dia mety hahomby kokoa ny fahatakarana ny toe-tsaina adala sy mikorontana eo amin'ireo miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina tahaka ahy. Tena mino aho fa amin'ny fanitsiana vitsivitsy atao amin'ny lohahevitry ny fanentanana sy ny anton'ny dokambarotra ary ny ara-barotra, dia mety hahomby tanteraka ity tetikasa ity. Tena mety mieritreritra ny hanao asa an-tsitrapo aho … saingy matahotra ny fitsarana an-tendrony rehetra aho, satria ao anivon'ireo tovovavy mivoaly – hitsangana tanteraka ho toy ny mpidoroka efa sitrana aho.
Na ahoana na ahoana, mirary ny tsara indrindra ho an'i Hemaya, tena manantena aho fa ho tratra ny tanjon'izy ireo ary ho tanteraka ny drafitr'izy ireo …