(Marihina fa tamin'ny 23 Janoary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Efa fantatra hatramin'izay fa manodidina ny 700 ny isan'ny Rajako An-tendrombohitra mbola velona any anaty ala amin'izao fotoana (2009)- ny 336 amin'izy ireo no any Oganda – saingy nisy ny fanadihadiana vaovao navoaka tao amin'ny gazety New Scientist izay nilaza fa mety ho kely ny fanantenana momba izany.
Ireo rajako miisa 336 izay voalaza fa monina ao amin'ny valan-javaboarim-pirenen'i Bwindi any Oganda izay tsy azo idirana dia fantatra tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny fomba iray hanisana ny isan'ny akany atsangan'ireo rajako mahavariana isak'alina. Nanondro ny fanadihadiana vaovao fa mety hampihoatra ny isan'ireo rajako ity fomba nampiasaina ity satria manangana akany mihoatra ny iray isak'alina ny rajako.
Nilaza momba ilay tatitra i Paula Kahumbu raha nanoratra tao amin'ny bilaogy Gorilla Protection :
Recent DNA tests from dung were conducted by Katerina Guschanski of the Max Planck Institute for Evolutionary Anthropology in Liepzig, Germany, …revealing that there are actually far fewer mountain gorillas. She found evidence of 302 separate genetic codes or individual gorillas, suggesting that the nest counting method overestimates the population size because some gorillas create more than one nest.
Ny fitiliana ADN vao haingana avy amin'ny tain-drajako izay notarihin'i Katerina Guschanski avy ao amin'ny Ivontoerana Max Planck ho an'ny Fivoaran'ny Antrôpôlôjia ao Liepzig, Alemaina, … no nampiseho fa vitsy dia vitsy ny rajako an-tendrombohitra raha ny tena marina. Nahita porofo tamin'ny codes génétiques miisa 302 samihafa na tamin'ireo rajako tsirairay izy, ary nilaza fa mampitombo ny habetsahan'ny rajako ny fomba fanisana ny akany satria manangana akany mihoatra ny iray ny rajako sasany.
Nametraka ny isan'ny rajako ho 340 ny fitiliana ADN teo aloha – tamin'ny taona 2007. Midika izany fa nihena 10% ny isan'ny Bwindi. Na izany aza, mitandrina sy tsy mbola vonona ireo mpahay siansa ny hanambara fa nihena na tsy nihetsika ny isan'ny rajako.
Tsy vaovao tsara izany raha nihena tokoa ny isan'ny Bwindi. Hoy i Paula:
If it is true that the Bwindi population is shrinking, then this is bad news for mountain gorillas – it is estimated that there are only around 700 in existence, this work suggests at least a 5% decline of the global population.
Vaovao ratsy ho an'ny rajako an-tendrombohitra raha marina tokoa fa nihena ny isan'ny Bwindi- Tombanana eo ho eo amin'ny 700 eo fotsiny ny isan'izy ireo, milaza ity salan'isa ity fa nihena 5% farafahakeliny ny isan'ny rajako manerantany.
Mandritra izany fotoana izany, niakatra ho 10 ny isan'ny maty tamin'ny fanafihan'ny Lords Resistance Army-LRA tao amin'ny Valan-javaboary Nasionaly Garamba tamin'ny 2 Janoary 2009, hatramin'ny nitateranay izany tamin'ny 14 Janoary sy tamin'ny 11 Janoary. Olona telo no mbola tsy hita popoka araka ny tatitra tao amin'ny blaogy Baraza. Efa voamarina ihany koa ireo niharam-boina ary ity bilaogy manokana ao amin'ny Baraza ity dia mitanisa ireo maty, naratra ary tsy hita.
Naneho hevitra momba ny fisamborana nataon'ny tafika Roandey an'i Laurent Nkunda, ilay Jeneraly mpikomy sady lehiben'ny mpikomy, ihany koa ny bilaogy Gorilla Protection, araka ny notaterin'ny BBC, izay mety ho vaovao tsara ho an'ny fiarovana ny rajako.