- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Firaondraonan'ny bilaogy ao Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Fanoherana, Fifindràmonina, Fivavahana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Voina, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 25 Septambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny zava-nitranga manerana izao tontolo izao avy amin'ny bilaogy Bangladeshi :

* Fanabeazana: Nanakiana [1] ny rafitry ny fanadinana farany an-tsekoly -S.S.C. (Ambaratonga faha-10) any Bangladesh i Tanvir avy ao amin'ny bilaogy Journal of a Disturbed Mind. Maro ny mpianatra any amin'ny faritra sasany no mahazo ny isa ambony amin'ny GPA 5 kanefa tsy tafiditra any amin'ny oniversite ambony izy ireo noho ny tsy fahafahany amin'ny fanadinana fifaninanana.

* Politika: Naneho [2] ilay mpanao gazety Tasneem Khalil fa mety ho raharaha mahatohina indraindray ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana amin'ireo mpikatroka mpanohitra .

Ireo sary sasantsasany [3] tao amin'ny bilaogy Suchinta mampiseho ny fihetsiky ny polisy .

Nanakiana [4] ny fanafahana madiodio an'ilay mpanao didy jadona teo aloha Hossain Muhammad Ershad ny bilaogy Share the magic, noho ny hetsika ara-politika nataon'ny governemanta ankehitriny (2006) hoe nofoanan'ny  mpisolovavan'ny governemanta ny fiampangana azy ho nanao kolikoly.

* Ny zon'ny fananahana: Nitatitra [5] i Tasneem Khalil fa mbola ampiasaina any amin'ny firenena Azia Atsimo (India, Pakistana, Bhutan, Nepal ary Bangladesh) mba handavana ny fahapelahana ny lalànan'ny fanjanahantany Britanika (Andininy faha 377 amin'ny fehezan-dalàna famaizana) tamin'ny taonjato faha-19.

* Loza voajanahary: Nitsikera [6] ny fomba namonjena ireo Bangladeshis tsy hita popoka tany amin'ny faritra amorontsiraka sy ireo naratra mafy taorian'ny rivodoza tamin'ny 19 Septambra 2006 i Dristipat .

* Fivavahana: Nitatitra [7] i Shafiur avy ao amin'ny imperfect|world|2006 fa natsangana ho olo-masina voalohany tao Bangladesh Itompokolahy Theotonius Amal Ganguly, arseveka Bangladeshita.

* Kolontsaina: Ny ‘Shab-e-Barat’ (ny alin'ny vintana tsara) dia nankalazain'ny Miozolomana tamin'ny andro faha-15 ny Shaban (volana fahavalo amin'ny fanisan'andro islamika) tany amin'ny firenena Indiana Atsimon'ny Kaontinanta (Bangladesh, India , Pakistana ary Afganistana) niaraka tamin'ny fivavahana makotrokotroka.

Nanontany tena [8] i Shaon hoe moa ve misy fototra ara-pivavahana ny fankalazana ity alina ity, sa fomba amam-panao ara-kolontsaina madiodio izany .

* Fiainan'ny mahantra: Ankoatra ireo olo-malaza dia tsy dia mahalala loatra ny fomba iainana any Bangladesh ny olona. Manoritsoritra ny vahoaka Bangladeshita miasa – mpanosika posy telo [9] sy mpivarotra akondro [10] i Razib Ahmed avy ao amin'ny South Asia Biz.

* Kolikoly: Mizara vaovao bebe kokoa [11] momba ny kolikoly mitranga any Bangladesh ny bilaogy Suchinta.

* Laza: Mizara [12] ny zavatra niainany nandritra ny andro iray niaraka tamin'ny mpitarika Bodista Dalai Lama i Shafia ao amin'ny People Tree .

* Any am-pielezana: Nanakiana [13] ireo Bangladeshita tsy monina ao an-toerana i Imtiaz , izay tsy mieritreritra ny hiverina hody any an-tanindrazany fa mitaky hatrany ny fanampian'ny firenena ara-tsosialy.