- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Niteraka adihevitra ny tsy fahampian'ny fanentanana avy amin'ny bilaogy teto an-toerana tamin'ny vanim-potoanan'ny krizy 

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fifindràmonina, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sakafo, Voina, Vonjy Voina

(Marihina fa tamin'ny 9 May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Efa maro ny nosoratana mikasika ireo andiana loza voajanahary izay namely an'i Madagasikara. Nanasongadina ny krizy iray hafa [1]i Tomavana [1] tany amin'ny faritra avaratra-andrefan'i Madagasikara [1] izay tratran'ny mosary.

Le Programme alimentaire mondial [PAM] a lancé un nouvel appel en faveur des 190′000 Malagasy victimes des récentes intempéries et cyclones qui ont frappé Madagascar. Le PAM a aussi communiqué l’envoi d’urgence de 100 tonnes de nourriture et de matériel de secours par hélicoptère au cours des quatre prochaines semaines depuis une base dans la ville d’Antsohihy.

Namerina nanao antso ho an'ireo Malagasy miisa 190.000 niharam-boina tamin'ny toetr'andro ratsy sy ny rivo-doza namely an'i Madagasikara ny Fandaharan'asa manerantany momba ny sakafo [PAM] . Nanambara ny fandefasana ny sakafo sy ny fitaovana fanampiana nilanja 100 taonina tamin'ny alalan'ny angidimby niainga avy ao amin'ny tobin'ny tanànan'i Antsohihy ihany koa ny PAM nandritra ny herinandro efatra .

Nanosika ity fanehoan-kevitra ity avy amin'ny mpamaky ny bilaogy atao hoe Lamako ny lahatsoratra, izay diso fanantenana fa vitsy loatra ny karazana hetsika na lahatsoratra toy izany : [2]

C’ était à prévoir même si les médias malgaches n’en parlent qu’avec parcimonie voire pas du tout.
Ce qui est triste, c’est le manque de solidarité des malgaches de la diaspora envers ces milliers de de sinistrés.
Les sites web malgaches parlent de tout sauf de ces risques de famine. Les reportages vidéos et photos se concentrent sur des sujets “people”. Il faut aller sur le site de l’UNICEF pour en voir. Pas d’appel à la solidarité non plus.
C’est comme si la réalité du cyclone est niée. Et c’est cette même diaspora malgache qui hurle au loup contre un reportage de FR3 un tant soit peu critique (?) envers le pays.
On croit rêver !!!

Efa fantatra izany na dia zara fa niresaka momba izany na tsy niresaka mihitsy  momba izany aza ny fampahalalam-baovao Malagasy. Ny tena mampalahelo dia ny tsy fisian'ny firaisankinan'ny Malagasy any am-pielezana manoloana ireo olona niharam-boina an'arivony ireo.  Niresaka momba ny zava-drehetra afa-tsy ireo loza mety hitranga tamin'ny mosary ireo ny tranonkala Malagasy. Nifantoka tamin'ny olan'ny “vahoaka” ny tatitra lahatsary sy ny sary. Mila mandeha mankany amin'ny tranokalan'ny UNICEF  raha te hahita ireo vaovao hafa. Tsy misy ihany koa ny antso ho amin'ny firaisankina. Toy ny hoe lavina ny tena zava-misy amin'ilay rivodoza. Ary ity Malagasy am-pielezana  ity ihany koa no nitabataba rehefa nanao tatitra somary nitsikera ny firenena ny FR3 (fahitalavitra frantsay) (?). Tsy mampino !!!

Niaiky i Tomavana fa mety hisy ny antso maro kokoa ho an'ny hetsika [3] saingy nanamarika izy fa efa nisy ny hetsika maro nataon'ireo fikambanana hafa.

Nanamarika i Tattum fa nihena ny fitokisana amin'ny hetsika fanasoavam-bahoaka [4] noho ny fandotoan'ny kolikoly ny tetikasa matetika. Aleony mihetsika samirery mba hifehezana kokoa ireo tetikasa.

Namaly i Lamako fa mbola tokony atao betsaka kokoa ny fanentanana [5] ao amin'ny bilaogy Malagasy mba hampiroboroboana ny firaisankina toy ny hita nandritra ny Tsunami na ny Katrina.

Nanamarika i Vola fa ny tena hevitra ao ambadiky ny bilaogy dia miankina amin'ny bilaogera irery ihany ny lohahevitra sy ny hevitra avoaka ao anatiny [6]. Tsy misy fanerena ara-moraly na ara-toekarena mba hanatanterahana izany ary tsy tokony hisy ihany koa ny fitsarana ara-môraly amin'ny safidin'ny bilaogera momba ny lohahevitra. Tsy voatery hanao iraka hamonjena izao tontolo izao ny bilaogy raha tsy hoe izay no tiany atao. Tena ilaina ve noho izany ny manamari-tena amin'izay zavatra tsy soratantsika?

Tao anatin'ny vaovao nifandraika tamin'izany, tsy nisy bilaogera Malagasy naneho hevitra momba ny voalaza fa fikasana hamono ny Filoha Malagasy tamin'ny herinandron'ny volana Mai 2007.