#AvotsoryKhayrullo: Mitaky ny rariny ho an'ilay mpanao gazety Tajik miatrika fitsarana ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona

Sary fanentanana FreeKhayrullo (Avotsory i Khayrullo) avy any Okraina. Nozarain'ny @MAjourno.
Khayrullo Mirsaidov no iray amin'ireo feo sivily vitsy an'isa farany indrindra izay tsy namelan'ny governemanta mpanao didy jadona Tadjikistan tamin'ny famoretana mahery vaika indrindra nandritra ny taona maro natao tamin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny mpanohitra.
Mpanao gazety mahaleotena malaza sady mpitarika ny vondrona mpanao hatsikana tao an-toerana teo aloha izay efa foana ankehitriny, manefa sazy 12 taona an-tranomaizina noho ny fiampangana mampiahiahy amin'izao fotoana i Mirsaidov .
Tamin'ny volana Novambra 2017, taorian'ny nanoratan'i Mirsaidov taratasy ho an'i Emomali Rahmon mpitondra Tajik izay nanaovany fitarainana momba ny fihetsik'ireo manamboninahitra manao fitrandrahana ara-toekarena sy ara-politika ao amin'ny toeram-ponenany any amin'ny faritanin'i Sogd dia voampanga ho manao fanodinkodinana, fampiasana tsy ara-dalàna ny volam-panjakana, ary ny fanaovana tatitra diso tany amin'ny polisy izy taty aoriana.
Tao anatin'ilay taratasy dia nanamarika i Mirsaidov fa nisy manampahefana iray avy ao amin'ny faritra nangataka azy tsolotra mitentina 1.000 $ mba hamoahana ny famatsiam-bola ho an'ny vondrona mpanao hatsikana tarihiny, izay nisolontena an'i Tadjikistan tamin'ny fifanintsanana tany Rosia ary vatsian'ny governemanta vola amin'ny ampahany.
Raha tokony handoa vola izy handraisany anjara tamin'ny lalao dia nisafidy ny hitory izany i Mirsaidov ary hampahafantatra ny lehiben'ny manampahefana, anisan'izany i Rakhmon mpanjakazaka. Notanana am-ponja vonjimaika nanomboka hatramin'ny 5 Desambra 2017 ilay mpanao gazety 40 taona, ary notsaraina ihany sy voampanga tamin'ny 11 jolay.

Khayrullo Mirsaidov. Sary avy amin'i Antuan Veselov. Nahazoana alalana.
Tokony hampiakatra ny raharaha tany amin'ny fitsarana avo alohan'ny 15 Aogositra ny mpisolovavan'i Mirsaidov, saingy nahemotra amin'ny 22 Aogositra ny fitsarana. Nanatevin-daharana ny fanentanana notarihin'ny naman'i Mirsaidov sady mpanao gazety mitovy asa aminy, Michael Andersen, ho amin'ny #FreeKhayrullo (Avotsory i Khayrullo) ny vondrona mpiaro zon'olombelona am-polony sy olona an-jatony manana fifandraisana amin'i Azia afovoany sy Tajikistan.
Our little angel says: #FreeKhayrullo and all @political_prisoners in @Tajikistan
Many thanks to this angel and her parents!
Vienna, Austria pic.twitter.com/Vj5oGZovMW— Humayra Bakhtiyar (@HumayraBakht) August 6, 2018
Hoy ny anjelikelinay hoe: Avotsory i Khayrullo sy ireo gadra politika ao Tajikistan
Misaotra betsaka an'ity anjely ity sy ny ray aman-dreniny!
#Таджикистан: Узник совести Хайрулло #Мирсаидов был приговорён к 12 годам тюрьмы. Вместе с 12 другими правозащитными организацими мы требуем его немедленного освобожения! #FreeKhayrullo https://t.co/fp5nBihjVj pic.twitter.com/rFgqJ0jbBt
— Marie Struthers (@struthers_marie) August 13, 2018
Tajikistan: Voasazy 12 taona an-tranomaizina ilay voafonja noho ny fanehoan-kevitra Khairullo # Mirsaidov . Miaraka amin'ireo fikambanana miisa 12 hafa mpiaro ny zon'olombelona, mangataka ny famotsorana azy avy hatrany izahay!
#FreeKhayrullo my support message pic.twitter.com/DSPSxtD9CX
— Shahida Yakub (@shahidayakub) August 2, 2018
Ny hafatra fanohanako ny #AvotsoryiKhayrullo
British artist @TONYDENTON1 painted a portrait for our #FreeKhayrullo campaign 👍
➡ @HughPhilpott @USEmbDushanbe @EUSR_CA@OSCE_RFoM @RebHarms @monaeltahawy @KenRoth @ClancyReports@astroehlein @dw_freedom @KeohaneDan @danbbaer @XSovietNews @sidlowe @katypearce @Rachel_Denber pic.twitter.com/xZsFqPxatc— Michael Andersen (@MAjourno) August 14, 2018
Nanao sary hosodoko ho amin'ny fanentanana #AvotsoryiKhayrullo ilay mpanakanto Britanika TONYDENTON1.
Vao haingana i Andersen no nanoratra fanomezam-boninahitra mampihetsi-po izay nozaraina betsaka ho an'i Mirsaidov, izay niarahany niasa tamin'ny fanadihadiana maro sy tetikasa ho an'ny fampandrosoana ny fampitam-baovao, tao amin'ny tranokalan'ny Open Democracy. Nitatitra momba ny kolikoly tao Tadjikistan i Mirsaidov sy momba ireo lohahevitra sosialy sy politika ho an'ny famoaham-baovao, anisan'izany ny tranonkala tsy miankina ao Tajikistan Asia Plus sy ny fampitam-baovao goavana Alemà Deutsche Welle.
Tao anatin'ny fanadihadiany dia nanoratra i Andersen fa efa nanao “izay lazain'ny ankamaroan'ny mpanao gazety fa efa nataony, kanefa vitsy aminay no tena manao izany – raha tononina dia ny filazana ny marina amin'ny manampahefana” i Mirsaidov ary manameloka ny “valiny voapasopasoka avy amin'ireo mpanao politika sy governemanta Tandrefana” amin'ny fanenjehana an'i Mirsaidov.
Rehefa nangina nanoloana ny raharaha talohan'ny nivoahan'ny fiampangana dia namoaka fanambarana ny Masoivohon'i Etazonia sy ny Fanjakana Britanika ao Tadjikistan izay manasongadina ny “ahiahin'izy ireo goavana” manoloana ny fanamelohana an'i Mirsaidov tamin'ny volana Jolay. Namoaka antso ny masoivoho Britanika mba hamotsorana an'i Mirsaidov tamin'ny 14 Aogositra. .
#FreeKhayrullo #TheRightThingToDo I share my view https://t.co/SBdozoiemp pic.twitter.com/vHKcdNsA2C
— Hugh Philpott (@HughPhilpott) August 14, 2018
Zaraiko ny fomba fijeriko
Nahoana no mankahala tenirohy ny governemanta Tajikistan
Efa nahitana fahombiazana tamin'ny lasa ny fanentanana mitovy amin'ny #AvotsoryKhayrullo. Tamin'ny taona 2014, notanana noho ny fiampangana fivadiham-pitokisana nandritra ny nanaovany fikarohana ara-tsosialy tany atsinanan'i Tajikistan ny toniandahatsoratry ny Global Voices teo aloha any Azia Afovoany Alexander Sodiqov.
Niaraka tamin'ny fanohanan'ny mpianatry ny oniversite sy ny mpampianatra tany Eoropa, Azia ary Amerika Avaratra, nanosika ny sehatra fampahalalam-baovao lehibe, anisan'izany ny BBC sy ny New York Times hanoratra momba ny raharaha ny herin'ny fanentanana #AvotsorySodiqov – hilaza ny fiampangàna tsy ara-drariny.
Herinandro vitsivitsy taorian'ny nanombohany, navoaka ny fonja i Alex. Navela handao ny fireneny izy taty aoriana mba hihaona indray amin'ny fianakaviany tany Canada, izay nonenany nanomboka teo .

Ilay mpanao gazety Michael Anderson, namana akaiky an'i Mirsaidov, nitarika ny fanentanana #AvotsoryKhayrullo. Pikantsarin'ny lahatsary avy amin'ny sampan-draharaha RFE/RL's Current Time.
Tsy mbola nahazo ny fandrakofam-baovao toy ny an'ny #AvotsorySodiqov ny #AvotsoryKhayrullo, saingy mihamitombo hatrany izany ary mampatsiahy zavatra amin'ny fomba maro.
Tsy maintsy, avy any ivelan'i Tadjikistan no hiavian'ny tabataban'ny fanentanana. Raha samy nanao fandrakofana ireo tranga roa ireo ny sehatra fampahalalam-baovao tsy miankina ao Tadjikistan dia iharan'ny fandrahonana fanakatonana avy amin'ny manampahefana izy ireo raha toa ka mitatitra olana saropady amin'ny fomba mahasorena ny governemanta. Tsy maintsy manao zavatra am-pisainana ihany koa ny fiarahamonim-pirenena. Tao anatin'ny taona vitsy lasa izay, nogadraina fotsiny noho ny fisoloantena ireo mpanao politika mpanohitra tany amin'ny fitsarana ireo mpisolovava Tajik.
Na dia ho an'ireo Tajiks mipetraka any ivelany aza dia misy ny sandan'ny fanentanana amin'ny anaran'ireo mpiray tanindrazana aminy.
Manontania fotsiny an'i Shabnam Khudoydodova , mpikatroka iray monina any Eoropa, izay nanohana ny #AvotsoryKhayrullo sy ny fanentanana hafa.
Ny zanany vavy 10 taona vao haingana no lasa lasibatry ny fanentanana madinika nataony #AvotsoryFatima rehefa namoaka azy sy ny reniny Khudoydodova efa zokiolona tsy handray fiaramanidina handao ny firenena ny mpitandro filaminana Tajik ho fanasaziana an'i Khudoydodova noho ny fikatrohany sy ho fisorohana ny fihaonan'ny fianakaviany indray.
Nandritra ny herinandro latsaka kely nipoiran'ny tenirohy anefa dia navelan'ny manampahefana hiala ny firenena ny renin'i Khudoydodova sy ny zanany vavy ary ny anadahiny.
Story of @khudoidodova by @hrw @steveswerdlow #FreeFatima #Tajikistan pic.twitter.com/G0PHXUcoF3
— Human Rights Tajikistan (@HumanRightsTJK) August 4, 2018
Ireo tantaran'i Khudoydodova.
Hahomby ve izany ho an'ny #AvotsoryKhayrullo ?
Sarotra ny raharahan'i Mirsaidov noho ny efa maha voaheloka azy. Saingy hanaitra ny governemanta Tajik ny fanairana iraisampirenena.
Tahaka ny ankamaroan'ireo firenena mpanao didy jadona tsy dia fanta-daza loatra eto amin'izao tontolo izao, mamela ny governemanta ho amin'ny sehatra fanampiny ho famoretana tsy misy fanaraha-maso ny tsy fahafantarana loatra an'i Tajikistan. Amin'ny alalan'ity lojika mampalahelo ity, dia mora kokoa indraindray ho an'ny fitondrana ny manaiky manoloana ny faharesena ara-pitsarana mba hisorohana ny hafa tsy hahazo vahana amin'ny fifantohan-tsaina.
Na dia tsy afaka manakana ny lala-kizoran'i Tajikistan amin'ny ankapobeny amin'ny fanalavirana ny zon'olombelona aza ny fanentanana an-tserasera dia mbola afa-miantoka fandresena kely azony ihany izy ireo.
Ny Human Rights Watch (Mpanara-maso ny Zon'Olombelona), ny Reporters Sans Frontières, ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety, ny Fanohanana ny Fampitambaovao Iraisampirenena, ny Article19 ary ny Fikambanana ho an'ny zon'olombelona ao Azia Afovoany dia anisan'ireo vondrona maro miady hanafahana an'i Mirasaidov. Jereo ao amin'ny Twitter izy ireo ary tohano ny fanentanana amin'ny alalan'ny fampiasana ny tenirohy #AvotsoryKhayrullo .
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...