Bush sy ny Islamo Indonezia

(Marihina fa tamin'ny 23 Novambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Raha nijery ny CNN na ny BBC ianao nandritra ny fitsidihan'i Bush tany Indonezia dia mety nahita ny mpanao fihetsiketsehana marobe tao an-drenivohitr'i Indonezia, Jakarta niaraka tamin'ny teny filamatra manohitra an'i Bush na raha ny marimarina kokoa dia manohitra ny politikan'ny raharaham-bahiny Amerikana. Saingy mpanao fihetsiketsehana izay vehivavy ny ankamaroany, nitafy akanjo Islamika, izany hoe ny jilbab (teny Indoneziana ho an'ny voaly Islamika) ka mora ho an'ny olona any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao ny mieritreritra fa ireo mpandala ny Miozolomana ihany no nanohitra an'i Bush. Kanefa tsy dia izany loatra raha ny marina.

Ankoatr'ireo Kristiana vitsy an'isa izay mpandala ny mahazatra amin'ny ankapobeny, miray saina amin'ny fanamelohana ny politikan'ny raharaham-bahinin'i Bush/Etazonia ny Indoneziana, indrindra fa ny politikan'ny hetsika ara-miaramila taorian'ny 9/11 izay nitarika ny adin'i Etazonia tany Afghanistan ary indrindra indrindra tany Iraka izay heverina ho fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena sady fanehoana fieboeboana.

Na ireo lazaina fa Miozolomana manam-pahaizana liberaly, mpandala ny mahazatra, na antonony aza dia nitsikera mafy ny fanafihan'i Etazonia tao Iraka. Ulil Abshar-Abdalla, ny mpanorina ny aringan Islam Liberal (JIL) (Tambajotra Islamo Liberaly), ohatra, dia nanoratra tamin'izany fotoana izany (saingy indrisy fa tsy hita intsony ny rohy ) fa habibiana mibaribary ny fanafihana ary niresaka ny ohatra momba ny fihatsarambelatsihin'i Etazonia izy. Zava-dehibe ny manamarika eto, fa vatsian'ny Etazonia vola amin'ny ankapobeny ny JIL, fikambanana iray mifantoka amin'ny lohahevitra Islamika avy amin'ny fomba fijerin'ny Miozolomana liberaly/tony fihetsika. Ary nianatra dôktôrà tany Boston mihitsy aza i Atoa Ulil .

Nanambara tao amin'ny Sampam-baovao Antara i Andreas H Pareira, Kristiana sady solombavambahoaka tamin'ny antoko PDIP an'ny filoha teo aloha Megawati hoe: “Aza malemilemy fihetsika manoloana an'i Etazonia, mba tsy hiheverana fa firenena saribakolin'i Etazonia isika.”

Nanonona ilay mpandalina ara-politika iray avy any atsinanan'i Indonezia, Profesora Muin Salim ny Berita Sore, gazety mpivoaka isan'andro any Medan, Avaratr'i Sumatra izay nilaza fa “tsy mitondra soa mihitsy ho an'i Indonezia” ny fitsidihan'i Bush.

Na izany aza dia tsy tokony ho diso fanantenana loatra ireo mpifandray amin'ny vahoaka avy amin'i Bush satria ny Komity Ulama ao Indonezia na MUI (Majelis Ulama Indonesia), malaza ratsy noho ny fomba fijeriny mpandala ny mahazatra no nitsena an'i Bush niaraka tamin'ny famihinana am-pitiavana ary nihevitra ny fitsidihany ho “miabo sy mahasoa“.

Noho izany, avy amin'izany fampahatsiahivana ao an-tsaina izany dia tsy nahagaga raha niatrika tsy fankahasitrahana maro avy amin'ny ankolafy isankarazany ny fitsidihan'i Bush tany Indonezia, anisan'izany ny tontolon'ny bilaogy Indoneziana.

Hanombohana azy, namoaka lahatsoratra lava momba ny fitsidihan'i Bush avy amin'ny fomba fijery samihafa i Senopati Wirang ao amin'ny Intelijen Indonesia (Fahaizana Indoneziana), indrindra indrindra avy amin'ny fomba fijerin'ny sampam-pitsikilovana sy ny fanambarana manjavozavo avy amin'ny mpitandro filaminana, indrindra momba ny marina tao ambadiky ny fampiasana mpiambina be loatra, izay heveriny fa tafahoatra.

Toa tsy niraharaha ny fitsidihan'i Bush sy ny adihevitra momba ny fitsidihany i Tata Danamihardja ao amin'ny Buka Mulut. Na izany aza, nanana ny fitarainany izy momba ny mpitandro filaminana Indoneziana toy ny hoe nahoana ny fitsidihan'ny filoham-pirenena Amerikanina no tsy maintsy hanaovan'ny olona sorona ny zava-dehibe maro, anisan'izany ny enina miliara rupiah (manodidina ny enina tapitrisa dolara), ny fandraràna vonjimaika ny mpivarotra an-dalambe ary ny fanakatonana vonjimaika ny sekoly maro any amin'ireo faritra manodidina izay ho tsidihin'ny filohan'i Etazonia.

MicoKelana, kosa, dia nihevitra tamin'ny fomba fijery miabo sy mitandrina kokoa. Miharatsy ny toekarena Indoneziana, hoy izy. Mety ho fambara tsara ny fitsidihan'i Bush, noho izany: raha tonga eto Indonezia ny hany lehiben'ny firenen-dehibe manankery tokana dia toy izany koa ireo firenena hafa. Noho izany, ho misimisy kokoa ireo mpampiasa vola.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.