- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

DoGooderTV: Nisokatra ny fifidianana ho an'ny lokan'ny lahatsary tsy mitady tombontsoa

Sokajy: Afrika Mainty, Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Repoblikan'i Afrika Afovoany, Tanzania, Thailandy, Fahasalamàna, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tontolo_iainana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 22 Aprily 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nifarana ny Asabotsy 25 Aprily 2009 ny vanim-potoanan'ny fifantenana ireo mpandresy tamin'ny Loka DogooderTV 2009 NonProfit Video [1] (Lahatsary Tsy Itadiavan-Tombombarotra) [1], ary efa azo nojerena tao amin'ny tranonkalan'izy ireo ireo lahatsary samihafa nalefan'ireo fikambanana mba hampiroboroboana ny lohahevitra. Hasehonay anao androany ny sasany tamin'ireo lahatsary nifaninana izay nifantoka tamin'ny lohahevitra iraisampirenena.

Ao amin'ny Tranonkalan'ny DoGooder, nanazava kely [2] momba ny lohahevitra tamin'ny taona 2009 izy ireo:

The DoGooderTV Nonprofit Video Awards highlight organizations that are using video to inspire and ignite social change. This year's theme, “Everyone's Doing It”, is meant to include submissions of all shapes and sizes, from organizational vlogs, to staff-produced web clips, to high-end, professionally produced videos. If your organization made a video—any video—in 2008, we want to see it!

 

Manasongadina ireo fikambanana mampiasa lahatsary hanomezana aingam-panahy sy hanentanana ny fiovana ara-tsosialy ny Lokan'ny DoGooderTV Nonprofit Video. Natao handraisan'ny lahatsary rehetra anjara ny lohahevitra tamin'ny taona 2009 hoe “Am-panaovana izany ny rehetra”, tafiditra amin'izany lahatsary amin'ny endrika sy refy rehetra, na izany bilaogin-dahatsarin'ny fikambanana, na bilaogin-dahatsary ho an'ny Aterineto novokarin'ekipa, raitra dia raitra, ary lahatsary novokarina tamin'ny fomba matihanina. Raha toa namokatra lahatsary ny fikambananao- na inona na inona karazany- tamin'ny taona 2008, dia tianay ho hita izany!

Ny Water:Charity nandray anjara tamin'ny lahatsary mikasika ny filàna ny rano fisotro madio any amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany sy ny fomba nahafahan'ny fikambanana nanome fanampiana ara-bola sy nampiofana ihany koa ireo mponina ao an-toerana mba hahafahan'izy ireo mianatra ny fomba  fananganana lava-drano sy ny fikolokoloana izany tsara. Nandray anjara tamin'ny sokajy “Lahatsary Fohy [3]” izy ireo:

http://www.kaltura.com/index.php/kwidget/wid/3pbwg7c9b4/uiconf_id/67100/1240530412/

Tao amin'ny sokajy “Lahatsary Lava Novokarin'Ekipa [3]“, mampiseho ny tantaran'ny mpikatroka sady mpamokatra fanadihadiana iray ny Elephants on the Edge izay notontosaina nandritra ny fanadihadiana nataony momba ny fivarotana elefanta an-tsokosoko tany Thailandy sy Birmania, ary nahavita namerina nividy ny elefanta bevohoka iray naondrana an-tsokosoko izy mba handefasana ilay biby any amin'ny toerana masina:

http://www.kaltura.com/index.php/kwidget/wid/5umdwkfqnw/uiconf_id/67100/1240530506/

Ao amin'io sokajy io ihany, mampiseho ny fikambanana mpanao asa soa iray natokana hananganana ny sekoly ho an'ny klioban'ny famakiam-boky ho an'ny tovovavy any Tanzania ny “Sharing Hope” ary manome azy ireo boky sy fitaovam-pianarana miaraka amin'ny finoana fa mahazo tombontsoa bebe kokoa ny vondrom-piarahamonina amin'ny fanabeazana ny ankizivavy noho ny amin'ny fanabeazana ny ankizilahy.

http://www.kaltura.com/index.php/kwidget/wid/2zt8mo3qj4/uiconf_id/67100/1240530557/

Ary nifaninana tamin'ny sokajy Lahatsary Fohy Novokarin'Ekipa ny horonantsary manaraka “Ask Umbra's video advice on greening your office”, ary miresaka momba ny fanovana ny birao ho sehatra maitso kokoa. Ahitana fampahafantarana manan-danja mety ilainao izany, indrindra fa rehefa amin'ny Andron'ny Earth Day, ary afaka mampiasa fikarakarana amim-pitiavana kely miaraka amin'ireo loharanony voafetra izao tontolo izao:

http://www.kaltura.com/index.php/kwidget/wid/52hfmq3w8w/uiconf_id/67100/1240382322/

Santionany tamin'ireo lahatsary nifaninana ihany ireo, noho izany dia tsidiho ny DoGooderTV [1] raha hijery ny ambiny sy hisafidiananao izay lahatsary tianao indrindra.