- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny bilaogin'ny Ministra Indoneziana iray hafa sy ny herinandro fisaonana 

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Singapaoro, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 9 Septambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny nosoratako tato [1] , ny Minisitry ny Fampialofana Indoneziana Yusuf Asy'ari [2] no lasa Minisitra faharoa nanomboka nibilaogy taorian'ny Minisitry ny Fiarovana Juwono Sudarsono namahana bilaogy [3] volana vitsivitsy talohan'izay. Nosoratany tamin'ny fiteny Anglisy sy Bahasa Indonesia ny bilaoginy.

Tena tsara vintana i Harry Sufehmi [4], iray amin'ireo bilaogera Indoneziana fa nasain'ny Minisitra tao amin'ny biraony izy mba ho “hanontaniany” momba ny zavatra rehetra atao amin'ny tontolon'ny famahanana bilaogy.

Nanararaotra ny fotoana tsy fahita firy i Harry – alaivo sary an-tsaina, bilaogera iray ao amin'ny biraon'ny Minisitera ho an'ny resaka bilaogy! – mba hitafatafa ihany koa amin'ny Minisitry ny Fampialofana momba ny antony nanosika azy hibilaogy. Ohatra hoe, moa ve ny Filoha Susilo Bambang Yudhoyono (SBY) [5] mihitsy no nangataka ny Minisitra hibilaogy. Izay navaliny hoe: Tsia. Ny filoha dia nangataka fotsiny ireo minisitrany mba ho akaiky kokoa ny vahoakany, mba hikarakara bebe kokoa azy ireo sy mba hifanerasera amin'izy ireo ary hahafantatra mivantana ny fitarainany. Ary heverin'Atoa As'ari fa dingana iray mitarika ho amin'izany ny famahanana bilaogy.

Nanoro hevitra ny Minisitra ihany koa i Harry Sufehmi [4] izay tany Angletera ary niasa ho an'ny tetikasa e-Government tao amin'ny monisipaliten'i Birmingham [6] nandritra ny fijanonany tany an-toerana mba hampiasa bilaogy ho toy ny fitaovam-pifandraisana eo amin'ny biraon'ny minisitera sy ny vahoaka.

Niteraka fanehoan-kevitra mafana maro avy amin'ny bilaogera hafa ny fihaonana tamin'ilay Minisitra bilaogera Indoneziana; niarahaba an'i Harry sy nankasitraka ilay Minisitra mahatsapa ny zava-misy.

Ny Herinando Fisaonana

Niteraka fiaraha-miory mankahery avy amin'ireo bilaogera Indoneziana ny fahafatesan'i Bunda Zidan [7] (renin'i Zidan) tampoka, izay fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Inong, renim-pianakaviana manan-janaka roa, 32 taona. Anisan'ireo malalan'ny bilaogera Indoneziana i Inong, monina any Singapaoro miaraka amin'ny vadiny sy ny zanany roa. Mahafinaritra izy, sariaka, hentitra ary manetry tena ary izany no mahatonga ireo bilaogera maro mahatsapa ho akaiky azy, eny fa na dia ireo tsy mbola nihaona taminy mivantana mihitsy aza. Jereo ny lahatsoratra iray avy amin'ny iray amin'ireo namany akaiky azy indrindra izay tsongaiko ato [8].

Nahita lahatsoratra miisa 1.053 natokana ho azy aho tao amin'i Technorati [9] hatramin'ny fotoana nanoratana. Ary tadidio fa mbola nitombo hatrany izany. Mba hanamafisana fotsiny ny maha-vehivavy, renim-pianakaviana, ary namana maha te ho tia azy. Enga anie ilay Andriamanitra Tsitoha hanome ny fanahiny fiadanana mandrakizay any an-danitra. Amena.