- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kazakhstan: Fahatapahan'ny herinaratra tany Almaty

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Voina

(Marihina fa tamin'ny 20 Aprily 2009  no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny Alarobia 15 Aprily 2009, noho ny fahavoazana [1] teo amin'ny taribin-jiro mitondra herinaratra Toktogul-Frunze (tariby lehibe indrindra ao amin'ny Repoblika Kyrgyz) dia tapaka ny herinaratra tany amin'ny ankamaroan'ny orinasa sy ny tranobe lehibe ao an-tanàndehibe avaratr'i Kirghizistan sy atsimon'i Kazakhstan. Naato [2] ny fampiasana etona sy rano mafana, tsy niasa ny ATMs (DAB na GAB, hoy isika), taty aoriana tapaka ireo tranonkala Kazakhstani maro sy ny tobin'onjam-peo. Mbola nandeha kosa ny tambajotra finday.

Almaty has been cut off the electricity: dark streets, traffic lights not working, rain, accidents… The whole downtown was in blackout, most micro-districts also. One of our journalists even found a completely dark maternity hospital and recorded an interview with the doctor, writes [3] pulemetchizza [ru].

Tapaka ny herinaratra tao Almaty: maizina ny làlana, tsy niasa ny jiron'ny fifamoivoizana, orana, lozam-pifamoivoizana … Tsy nisy jiro ny afovoan-tanàna iray manontolo sy ny ankamaroan'ny distrika madinika ihany koa. Nahita hôpitalim-piterahana tao anaty aizina tanteraka mihitsy aza ny iray tamin'ireo mpanao gazetinay ary nandrakitra antsafa niaraka tamin'ny dokotera izy, hoy i pulemetchizza nanoratra [3] [ru].

Namoaka [4] ny  sary tsara tarehy mampiseho an'i Almaty tamin'ny fotoana mahazatra sy nandritra ny fotoana tsy nisy herinaratra i Graveric

Nilaza i Ehot hoe  [5]:

This time the situation was much worse than during the previous blackout. I personally saw the TV tower at that moment – it ran out of electricity completely, including the window of control cab – and then gradually illuminated again. This means a very serious problem. I'd like to thank road police for efficiently organized traffic management.

Mbola ratsy noho ny fahatapahana teo aloha ny toe-draharaha tamin'ity indray mitoraka ity. Izaho manokana dia nahita ny tilikambon'ny fahitalavitra tamin'io fotoana io – lany herinaratra tanteraka izany, anisan'izany ny varavarankely nisy ny efitra fanaraha-maso- ary avy eo dia nihanazava tsikelikely indray. Midika izany fa misy olana lehibe. Tiako ny misaotra ny mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana tamin'ny fandaminana ara-dalana ny fifamoivoizana.

Niezaka [6] nikaroka vaovao momba ny fahatapahan'ny herinaratra i Programmilla :

Nothing. Only the Internet forum had a thread about it, but no details. I don't understand, is Almaty a big city or a village? Why there had been no information?

Tsy nisy na inona na inona. Ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny aterineto ihany no nanana lohahevitra momba izany, saingy tsy nisy resaka tamin'ny antsipiriany. Tsy azoko, tanàndehibe ve sa tanànakely i Almaty ? Nahoana no tsy nisy ny vaovao?

Na dia izany aza, fantatra hatrany tamin'ny fanesoesoany ireo bilaogera Almatiana . Nanamarika [7] i Sav-age hoe:

Energy services of Almaty took closely to heart (though a bit late) the recommendation to join the Earth Hour

Nanaraka an-tsakany (na dia efa tara kely aza) ny tolo-kevitra hanatevin-daharana ny Earth Hour (= Oran'ny Tany) ny sampan-draharahan'ny angovo ao Almaty.

Nihevitra tsara kokoa [8] i Roxichka:

Blackout is very romantic and sobering. We are too used to virtual life of Internet and television, and sometimes absence of light can be even joyful.

Tena mahafinaritra sy mampieritreritra ny fahatapahan'ny herinaratra. Isika ihany koa dia efa zatra ny fiainana virtoaly amin'ny Aterineto sy ny fahitalavitra, ary indraindray mety ho fifaliana mihitsy aza ny tsy fisian'ny jiro.

Na izany aza, niaiky ny tombontsoa azo avy amin'ny herinaratra izy:

light was turned on again right on time – before the start of Porto-ManUnited football match!

Talohan'ny fanombohan'ny lalao baolina kitra nifanandrinan'i Porto-ManUnited tsara no niverina nandeha indray ny jiro!

Toy izao manaraka izao [9] ny famintinan'i megakhuimyak :

It was known in November last year that Toktogul [reservoir] does not have enough water and will lack capacity this spring. It was known in September last year that our power grids are extremely depreciated, which means they are very vulnerable to accidents. But it became known only yesterday that nobody in Kyrgyzstan or Kazakhstan did anything to handle this situation.

Fantatra tamin'ny volana Novambra tamin'ny taon-dasa fa tsy ampy rano i Toktogul [fitahirizan-drano] ary hisy ny tsy fahampian'ny fahafahany mihodina io lohataona io. Fantatra tamin'ny volana Septambra tamin'ny taon-dasa fa tena mitotongana ny tambajotran'ny herinaratra, izay midika fa tena marefo izy ireo. Saingy vao omaly no fantatra fa tsy nisy na iza na iza tao Kyrgyzstan na Kazakhstan nandray fepetra hiatrehana izany toe-javatra izany.

Ary nihevitra [10] i restec fa io fahatapahan'ny herinaratra io -

is a good reason to develop our autonomous system of electricity supply, most desirably, using alternative energy.

dia antony tsara iray hampivelarana ny rafitra mahaleotena amin'ny famatsiana herinaratra, amin'ny fomba mety indrindra, amin'ny alàlan'ny fampiasana angovo hafa.

Navoaka tao amin'ny neweurasia [11] ihany koa