- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Miloa-bava ireo mpisera MSN voakatona

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2006)

Niharatsy hatrany ho an'ireo mpampiasa ny tolotra MSN any Shina ny zava-drehetra satria nanova ny fidirana kaonty Passport ho Live.com ny Microsoft vao haingana. Taorian'ny nanoratan'i Frank Dai, bilaogera ato amin'ny Global Voices lahatsoratra momba io olana io [1], tapa-bolana lasa izay, nanomboka nampiaka-peo ireo mpisera MSN Messenger, Hotmail sy MSN Spaces marobe.

Wen Yunchao- izay manoratra ao amin'ny bilaoginy MSN Spaces, Ramblings of a Drunk, lahatsoratra isan-kerinandro momba ireo zavatra rehetra voasivana sy ny Shinoa [2]- namoaka lahatsoratra vao haingana mikasika izay fantany avy amin'ireo olona mpifandray amin'ny mpanjifa MSN sy ireo namany miasa ao amin'ny Teknolojiam-baovao:

网事一周20060511:异常

NetNews mpivoaka isan-kerinandro, 11 May 2006: Hafahafa tsy mahazatra.

MSN Messenger登陆异常

Tsy araka ny mahazatra ny fidirana ao amin'ny MSN Messenger.

从5月8日以来,MSN Messenger无法登录、随时掉线等故障在北京及国内部分城市同时出现。业内人士称,“这种非暂时性的、范围如此之大的服务瘫痪,在MSN进入中国后尚属首次。”MSN相关负责人表示,出现的故障与MSN提供的服务没有任何关系,“主要原因是本地网络接入设备出现问题。MSN目前已经开始调查这个问题,会尽快解决。”MSN Messenger目前在中国有超过1000万的用户,且服务器仍在国外,通讯内容却没有受到中国有关部门的监管,MSN Messenger的异常及近期MSN SPACES的访问不畅,难免引发诸多联想。

Hatramin'ny 8 May, tsy afaka nidirana ny MSN Messenger, tsy mifandray tampotampoka ary nanjavona tany Beijing sy tany an-tanàndehibe hafa. Nilaza ireo manam-pahaizana momba ny Teknolojiam-baovao fa “ity no fotoana voalohany nahitana fahatapahana maharitra sy miely patrana hatramin'ny nidiran'ny MSN tany Shina.” Nilaza ny mpitondratenin'ny MSN fa tsy misy ifandraisany amin'ny tolotra omen'ny MSN ny tsy fetezana fa ny “antony lehibe indrindra dia misedra olana ny fametrahana ireo tambajotra ao an-toerana. Efa nanomboka nanadihady ny olana ny MSN ary hamaha azy haingana araka izay tratra.” Manana mpisera mihoatra ny folo tapitrisa ao Shina ny MSN Messenger ary any ampitan-dranomasina ny lohamilin'izy ireo, noho izany tsy voaaramason'ny sampan-draharaha Shinoa isan-tsokajiny ny votoaty alefa. Nahatonga ireo olona maro hanontany tena ny tsy maha-ara-dalàna ny MSN Messenger sy ny olana vao haingana amin'ny fitsidihana ny bilaogy MSN Spaces.

Bilaogera namana MSN Spaces, Tate King, nanolotra fomba fijery manokana kokoa [3]:

5月13日

13 Mey

这是为什么

Nahoana no mitranga izao

MSN好久没能上了,有些想写的没写下来。听说是LIVE.COM被可爱的D给封了。好不容易找到一个敏感字不多的地方,伟大光荣正确的D就是不让俺们用。人民群众拥护的,他们就要反对。人民群众反对的,他们就坚决拥护。这究竟是为什么!!

Fotoana ela be taorian'ny naha-tafidirako tao amin'ny MSN; tsy nanoratra zavatra vitsivitsy tiako hosoratana aho. Henoko fa noho ny fanakatonan'ny Antoko Mahafinaritra ny Live.com no nahatonga izany. Tsy mora ny mahita toerana misy olona sarotiny vitsivitsy ary ankehitriny tsy mamela antsika hampiasa izany ny Antoko Lehibe, Mamirapiratra, Tsy Manampahadisoana. Toherin'izy ireo ny tohanan'ny ankamaroan'ny olona, manizingizina hitàna izay toherin'ny olona izy ireo. Inona loatra ity??

Araka ny fitarainana tao amin'ny blaoginy Sina, na dia ny mpihira, ny mpamily fiara rallye, ny mpanoratra lahatsoratra taompolo faha-80 ary ilay bilaogera bluechip Han Han [4] aza dia manana olana amin'ny MSN [5]:

为什么永远无法登陆MSN?出来一行字,说,抱歉,无法登陆到XXX,请稍后再试,如有疑问,XXX,为什么?WHY?外?

Nahoana aho no tsy afaka miditra amin'ny MSN? Avy amina lahatsoratra milaza hoe ‘Miala tsiny, tsy afaka miditra ao amin'ny XXX; andramo indray azafady. ‘ Manontany tena aho amin'ny XXX: Fa nahoana? NAHOANA? Y?