- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Manana Blaogy Sy Kaonty Twitter Ny Praiminisitra Vaovao

Sokajy: Malezia, Fitantanam-pitondrana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2009)

Manana blaogy [1] sy kaonty twitter [2] ny Praiminisitra vaovao any Malezia, Dato’ Sri Mohd Najib Tun Razak. Praiminisitra fahenina tao Malezia i Najib

Mampiasa [3] ny vohikalany manokana izy mba hiseraseràna amin'ireo mpifidy azy. Hita ao amin'ny vohikala ireo rohy mankamin'ny kaontiny eo amin'ny tahirintsary Flickr [4], ny YouTube [5] sy ny kaontiny Twitter. Mamoaka an'ireo lahateniny sy fandaharam-potoanany isanandro ihany koa izy.

Nivoakateo amin'ny vohikala ny lahatsoratray [6] ny lahateniny tamin'ny fotoana fanokanana azy, tamin'ny fotoana nanononany azy iny indrindra.

Najib ihany no nandinika [7] ny endriky ny vohikala. Valiany ihany koa ireo fanehoankevitra apetrak'ireo mpitsidika.

Fanontaniana: Mandray anjara mivantana amin'ilay vohikala ve i Dato’ Sri Najib? Afaka miresaka aminy ve aho?
Valiny: mitafatafa mivantana amin'io vohikala io i Dato’ Sri, indrindra fa amin'ireo lahatsoratra avoakany eo amin'ny blaoginy sy ireo hafatra anaty lahatsary. Mamaky ireo fanehoankevitra ihany koa izy. I Dato’ Sri Najib no namorona ny vohikala, izy no nisafidy ny endrika sy ireo vontoatiny, miaraka tamin'ny fanampian'ny tarika iray voatokana.

Talohan'ny fianiànana, nomen'i Najib toky ireo mpamaky fa ho ampiasainy araka izay azony atao ny vohikala [8] mba hanomezaa vaovao ny vahoaka mikasika ireo asany andavanandro.

Ato anatin'ny ora vitsivitsy, manoloana ny Yang di-Pertuan Agong, andraikitra manoloana an'i Malezia mitovy amin'izay efa nifamatoran'ireo tolorako fankasitrahana ary nialoha làlana ahy no horaisiko. Handray andraikitra tanteraka aho mba hanatontosa ireo adidiko sy ireo fanamby izay mifamatotra amin'io fianiànana io. Hanaiky azy ireny aho miaraka amina fahamendrehana goavana ary hanatontosa azy ireny araka izay vitako. Miaraka miasa, hiaraka hiasa isika mba ho tonga firenena matanjaka i Malezia, hiray hina kokoa, ary ho hiroborobo kokoa.

Ho zaraiko aminareo rehetra io fotoana manan-danja io, amin'ny alàlan'ny blaogiko, miaraka amin'ireo fanavaozambaovao matetika mandritra ireo lanonana amin'io andro io. Ireo sary sy ireo lahatsary manokana, ‘hatrany ambadik'ireo lamban-tsehatra’, dia hahitàna ireo fanomanana ny maraina, ny lanonana, ary ny famindram-pahefana ofisialy ao anatin'ny biraon'ny Praiminisitra ao Putrajaya.

Personal website of Prime Minister Dato’ Sri Mohd Najib Tun Razak [1]

Vohikala manokana an'ny Praiminisitra Dato’ Sri Mohd Najib Tun Razak

Manao tsikera ny vohikala [9] i Amethyst News Flash [amin'ny teny anglisy, toy ireo blaogy voatanisa rehetra]:

Ny pejy fandraisana “Bienvenue sur 1 Malaysia – Najib Razak” no nandray an'io blaogera io. Rehefa avy nanindry ny “Entrée”, ela no fiakatry ny pejy, mety ho hadisoan'ny TM (mpamatsy tolotra aterineto), noho izany, Najib, mihetsika ianao, mba tsy ho reraky ny fotoana ela tsy maintsy andrasana ireo mpitsidika.

Fotoana vitsivitsy taty aoriana, nisokatra ihany ny pejy nony farany. Tsara ny endrika, hita ao ireo vaovao, ny blaogy, ireo lahateny ary ireo zavatra maro hafa tena manan-danja.

Tena manintona kokoa noho ireo blaogy hafa ilay izy. Mora ampiasaina ireo fanolorana ary hita eo amin'ny pejy fanolorana avokoa ireo fanavaozam-baovao farany.

Tena ao anatin'ireo teknolojia vaovao izy. Iza no nanao an'io ho azy, tena ohatran'ny tsy izy an. Aiza no hananany fotoana hanaovana an'io?

Andraso kely, tsy izy ve no nanakana an'ireo media enina tety anaty tambajotra tsy ho azo nidirana nandritra ny fivoriamben'ny UMNO? Angamba afaka manao izay lazainy i Najib ary mankato ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra.

Raisin'ny audie61 ny hoe eken'i Najib ny filàna mampiasa an'ireo media fanolo [10] :

Eny, ireo lahateny rehetra mikasika ny maha-tsilo iray eo ampototry ny tongotry ny governemanta ny vovonona blaogy Blogger, na iza izy na iza, dia tsy maintsy ahilika na adinoina. Ao amin'ny bilaoginy, ampahafantarin'ilay lehilahy laharana 1 eto amin'ny firenena, ny praiminisitra vaovao Najib.

Fantatr'i Najib fa mba hiarahana mizotra amin'ireo media fanolo, tsy maintsy mampiasa an'io fitaovana vaovao io ihany koa izy

Voamarik'i Zuiyanhong fa namorona ny blaoginy manokana [11] ny roa tamin'ireo olona mpanao politika sangany tao Malezia.

Ao Malezia amin'izao fotoana izao, raha toa ianao tsy blaogera, dia olona tsy maharaka ny fandrosoana, raha ny fijery azy. Lazaiko io satria ny Praiminisitra fahefatra tao Malezia, Tun Dr. Mahathir Mohamad sy ny Praiminisitra vaovao Datuk Seri Najib Tun Razak dia samy blaogera avokoa.

twitter [2]

Teo amin'ny Twitter, ny fanehoankevitr'ireo Maleziana momba ilay vohikan'i Najib:

wordsmanifest [12] : ohatran'ny hoe ankizy vao 16 taona no namorona ny vohikalan'i najib, olona iray adaladalan'ny tumblr [13]
redsheep [14]: Ahoana no fahitanareo ny http://www.1malaysia.com.my? Tsy tokony hilamindamina kokoa ve ?
redsheep [15]: Tsy dia hanakaiky ela loatra an'io vohikala io aho. Tsy tiako io. Tena tsy manaraka ny toetrandro amin'ny lafiny marobe.