- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny endrika matroky ny mondialy tany Rosia, fanorisorenana ireo vehivavy “sariaka loatra” amin'ireo vahiny

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet

Vahiny mpanohana mandray selfies miaraka amin'ny vehivavy tanora rosiana eo akaikin'ny Kianja Mena. Pikantsary avy amin'ny CBC News [1] nataon'i Runet Echo

Nandiso ireo fanombatombanana miiba [2], nahavakivava ireo mpanara-maso be fisalasalana indrindra ny Mondialy tao Rosia, tsy vitan'ny mirehareha amin'ny fandaminana tsara ny hetsika ny media sosialy sy ny lahatsoratra an-gazety fa nanadino ny fifanandrinana jeo-politika ny rivotra niainana feno fifaliana, mampiray ny Rosiana an'arivony tamin'ny fiarahana mifety tamin'ireo vahiny avy amin'ny lafivalon'ny tany.

Tsy voatery ho an-dresaka fotsiny ny fankalazana ilay fety. Raha ny marina,mivoaka ny marina amin'ny halalim-pifandraisana mety hahatratra ny Rosianina manoloana ireo vahiny mpanotrona be adhrenalinina sy alikaola.

Saingy lasa lavitra lavitra noho ny fandinihana tsotra na ny famahoahana mahatezitra ny fifanakalozan-kevitra momba ity lohahevitra ao Rosia. Toa nifantoka bebe kokoa tamin'ny fanakianana ny fitondrantenan'ny vehivavy rosianina, ka na ny pejy maromaro ao amin'ny Vkontakte, ilay tambajotra sosialy rosiana lehibe indrindra aza nivelatra tanatin'ny tanjona voafaritra anarana sy fanosoram-potaka hoe ry “Natacha”, teny fanivaivàna ireo tanora rosiana mivoaka miaraka amin'ireo vahiny.

 

Misy pejy Vkontake iray hitam-bahoaka ka eo ireo tovolahy no mamoaka sary na horonan-tsarin'ireo tovovavy misangy sy mifaly miaraka amin'ireo vahiny (ary koa misy firaisana ara-nofo, eny) ka mampijaly sy manala baraka ireo tovovavy noho izany toe-javatra izany. Velona tsara ny iraka nataon'i Pletneva ilay solombavam-bahoaka rosiana. Hankalaza ny taona vaovao tsy ampihambahambana isika. Tsy mandiso fanantenana izany ny firenentsika.

Manondro fanambarana [4] iray niteraka ady hevitra lehibe nataon'i Tamara Pletneva izay solombavambahoaka ao amin'ny paremananta rosiana indray andro alohan'ny hisokafan'ny mondialy ny sioka. Filohan'ny vaomieran'ny vehivavy, ny ankizy ary ny fianakaviana, nampitandrina tamin'ny teny maloto ireo vehivavy rosiana izay manao firaisana ara-nofo eo amin'ny samy hafa volonkoditra amin'ireo vahiny mpandalo ny sioka.

Mitondra ny anarana hoe Buceta Rosa ny iray amin'ireo pejy Vkontakte izay tena malaza sy be mpahafantatra, ary misy mpanjohy eo eo amin'ny 5000 eo. manondro zava-nitranga iray izay nisian'ny andiana mpankafy brezilianina nitangorona nanodidina ny mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra Rosiana ary nahatonga ilay vehivavy tsy dia niahiahy loatra ny hihira hira kivalavala miaraka amin'izy ireo. Niteraka resabe [5] tao Brezila izany, izay nilazan'ny mpaneho hevitra marobe fa menatra noho ireo mpiray tanindrazana aminy izy ireo ary nanameloka ny vazivazy ho mpanavakava-behivavy sy mpanavakava-bolonkoditra.

Efa nampitandrina [6] ny tompon'ny pejy Buceta Rosa ny fitantanana ny Vkontake, nanery azy ireo hisivana ny fanehoan-kevitra izay matetika mifantoka fotsiny amin'ireo fanompana sy fandrahonana ireo vehivavy amin'ny alalan'ny sary nalaina tamin'ny tambajotra sosialy. Saingy na misy fanehoan-kevitra arahi-maso akaiky aza dia mbola mandeha foana ny Buceta Rosa ary mitombo isa ireo mpisera vaovao, indrindra taorian'ireo lahatsoratra manokana navoakan'ny haino aman-jery sosialy mikasika azy.

Niparitaka ihany koa ny asa an-tserasera tahaka izao. Nisy horonan-tsary nipoitra avy amin'ireo mihevi-tena ho mpitsara izay manenjika sy midaroka ireo tanora rosiana mandehandeha eny an-dalana miaraka amin'ny vahiny any Moskoa. Nanadihady [7] ny iray amin'ireo niharam-boina ny BBC Rosiana, ary nilaza ny iray amin'ireo fa nahita ny sariny niaraka tamina mpanohana breziliana iray navoaka teo amin'ny pejy Vkontakte neo-nazi iray, ka taorian'izay izy dia nanomboka nahazo fandrahonana ho voaolana sy ho faty. Hita ho manana ratram-po ry zareo taorian'ny zava-nitranga ka mieritreritra ny hila fanampiana ara-tsaina mba ahafahany mihoatra ny vokatr'izany.

Nandroandroatra teo amin'ny sehatry ny firenena ilay adihevitra avy eo. Namoaka [8] lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe ” Ny vanim-potoanan'ny makorelina: nahoana no henatra ho an'ny tenany sy ho an'ny firenena ny vehivavy rosianina? ny Moskovski Komsomolets gazety mpamoaka vaovao manaitaitra iray efa tamin'ny vanim-potoana sovietika sy iray amin'ireo gazety malaza indrindra any Rosia.

Nanambara ny mpanoratra fa tandindon'ny faharavàna ara-maoraly ao Rosia ny fifanakaikezana be loatra amin'ireo vahiny maro:

Можно сказать, что тут за них стыдно. Но, боюсь, слово «стыд» тут будет выглядеть атавизмом. Это чувство многим российским девицам неведомо в принципе. Говорить о нем — все равно что цитировать исламскому радикалу Нагорную проповедь. У российских девиц, окучивающих иностранцев, понятия стыда, морали, нравственности напрочь вычеркнуты из сознания.

Azo lazaina ho menatra isika noho ireo vehivavy ireo. Saingy manahy aho fa lasa toy ny zava-tsotra loatra ny teny hoe henatra. Ho sainin'ireo zazavavy Rosiana maro amin'ny toetrany mihitsy izany fahatsapana izany. Toy ny manonona ilay toriteny an-tendrombohitra (nataon'i Jesoa) amin'ireo silamo mahery fihetsika izany amin'izy ireo. Toa nanjavona tao amin'ny feon'ny fieritreretan'ireo tovovavy rosianina miaraka amin'ireo vahiny ireo izany atao hoe henatra sy ny fitondran-tena mendrika.

Niteraka sahotaka an-tserasera, nahatonga fanangonan-tsonia [9] tao amin'ny Change.org manery hanesoran'ilay gazety ny matoandahatsoratra sy hialany tsiny ilay lahatsoratra efa voavakin'olona dimy hetsy tamin'ny fotoana nanoratana azy ity tamin'ny teny anglisy. Nanameloka [10] ny fironana fanavakavahana ny lahy sy ny vavy ataon'ny haino aman-jery amin'ny ankapobeny i Wonderzine, ilay tranonkala feminista:

Мы привыкли слышать, что русские женщины — «самые красивые», а их внешность представляет отдельный предмет «национальной гордости». К сожалению, за комплиментарными словами прячется убеждение, что тело россиянки принадлежит не ей, а её стране. Незадачливые женщины просто забыли об этом на время мундиаля и решили, что могут проводить время с иностранцами где и когда пожелают, не отчитываясь перед родиной. Но медиа, даже либеральные, распорядились иначе: «Радио „Свобода“» выпустило [11] документальный фильм о том, как россиянки разыскивают иностранных болельщиков, а «Чемпионат» пошёл [12] «клеить иностранцев с русскими красавицами». Успехи российских мужчин среди иностранок остались незамеченными.

Zatra maheno isika fa ny vehivavy rosianina no tsara indrindra ary harenan'ny firenena ny bikan'izy ireo. Indrisy, fa misy eritreritra hafa miafina ao ambadik'izany fandokafana izany toy ny hoe tsy an'ny vehivavy rosianina ny vatany, fa an'ny firenena. Nisy vehivavy ratsy vintana nanadino an'io nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany ary nihevitra izy ireo fa afaka mandany fotoana miaraka amin'ny olon-tsy fantatra araka ny toerana sy ny fotoana tiany ry zareo ka tsy mila mangataka alalana amin'ny fireneny. Saingy zavatra hafa no nataon'ny haino aman-jery, eny fa na dia ireo liberaly aza. Namoaka lahatsary fanadihadiana momba ireo vehivavy mitady vahiny mpanohana baolina ny Radio Svoboda [Radio Fahalalahana], raha nandeha nihaza vahiny miaraka amin'ny rosiana tsara tarehy ny “Championat.ru”. Tsy hita taratra ireo lehilahy rosianina manakarena anilan'ny vehivavy vahiny.

Nanipika ny elanelana misy eo amin'ny fomba fitondrana ny lehilahy sy ny vehivavy ihany koa i Zalina Marchenkulova mpanao gazety malaza sady mpitolona feminisita:

Tsy azoko ny mampiakatra avo ny fahatezerana ahatra amin'ireo tovovavy miaraka amin'ny vahiny. Ô ry zalahy a, tsy misy olona manakana anareo tsy hiaraka amin'ny vahiny anie e, sa tsy izany? Tsy misy olona manoratra fa biby ianareo manoloana izany rehetra izany.

Naneho hevitra ny sasany nanohitra ny tondromolotra mahazo ny vehivavy. Namoaka matoandahatsoratra [14] tao amin'ny sports.ru izay tranonkala ela indrindra tamin'ireo tranokalam-baovao ara-panatanjahantena ao Rosia, sady izy koa no talen'ny fanoratana ao, i Iouri Doud, mpanao gazety sady mpikatroka, ary mpanolotra fandaharana malaza mitovy anarana aminy. Nolazainy tao ny rikorikony amin'ny fihoaran'ny fankahalana amin'ny fanehoan-kevitra eo amin'ireo sary navoakany tao amin'ny Instagram momba ireo ireo mpanohana baolina roa, dia ilay vehivavy manao akanjo nentin-drazana rosianina sy ilay lehilahy meksikanina manao sombrero mifampitantana.

Nanoratra [15] fanoherana maventy amin'ny lahatsoratry ny Moskovsky Komsomolet ihany koa ny tranonkala Cosmopolitan Russia anakianany ny “mizana tsindrian'ila” atao amin'ny vehivavy any Rosia.

Но вернемся к сексу: мы уже много раз писали о «двойных стандартах» в нашем обществе. Мужчина, часто меняющий партнерш, — «жеребец», женщина в такой же ситуации — «шлюха». Для мужчин открывают курсы пикаперов, где учат «снимать давалок на один раз», — для женщин открывают секс-тренинги, где учат глубокому минету и объясняют, что анальный секс можно и потерпеть, раз мужчине это нужно (то, что это ему прямо жизненно необходимо, даже не подвергается сомнению). Женщина, ставшая жертвой изнасилования, — шлюха и сама виновата. Мужчина в той же ситуации — практически национальная святыня: после трагической истории с изнасилованием задержанного бутылкой из-под шампанского прошло уже семь лет, но ее до сих пор вспоминают как страшное, нечеловечески жестокое преступление против личности. И это совершенно правильно. Вот только изнасилованным и даже убитым женщинам такого отношения не полагается. Вспомним хотя бы жуткую историю смерти Тани Страховой [16] и реакцию общества на нее.

Nefa andao hiverina amin'ny resaka fananahana: efa imbetsaka isika no nanoratra ny ‘mizàna tsindrian'ila’  ato amin'ny fiarahamonintsika. ‘Soavaly tanora matanjaka’ ny lehilahy miova olon-tiana matetika fa ‘makorelina’ kosa raha vehivavy no manao izany. Anokafana fianarana ny lehilahy amin'ny fikaotiana, izay hianaran'izy ireo ny fomba “hampitsanganana ny sipa ao anatin'ny indray mandeha monja”, fa ho an'ny vehivavy kosa fiofanana amin'ny fananahana ianarana minono lalina sy izakàna firaisana ara-nofo any amin'ny lava-pitombenana rehefa ilain'ny vadiny izany (raha tea tsy maintsy ataony izany ka tsy tokony hisalasalàna akory). Mpivaro-tena ny vehivavy voaolana ary tsy afaka manome tsiny afatsy ny tenany ihany. Raha lehilahy no mitovy tranga amin'izany dia tena toy ny olomasim-pirenena: taorian'ny tantara iray mahaontsa, efa ho fito taona lasa izay, nisian'ny fanolanana lehilahy gadra iray gadra tamin'ny tavoahangin-champagne [17], dia mbola tadidy hatrany ho toy ny heloka bevava mampihoronkoditra sy feno herisetra mihatra amin'ny zanak'olombelona manontolo, ary tena izany tokoa. Fa tsy mendrika ny hanaovana toy izany kosa ny vehivavy voaolana sy voavono. Tsaroantsika ve ilay tantara mampihorin-koditra tamin'ny nahafatesan'i Tania Strakhova [16] (ilay vehivavy nokendaina sy naolan'ny olon-tiany taloha rehefa maty ka namono tena ity farany rehefa avy eo, izay nahazo fangorahana avy amin'ireo Rosiana mpisera aterineto an'arivony) [18] sy ny fihetsiky ny fiarahamonina manoloana ilay zatovovavy

Hanjavona afaka herinandro maromaro ny fifaliana niainana anaty mondialy saingy mbola mitoetra ny fanontaniana matotra amin'ny  zon'ny vehivavy rosianina.