- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogy manokana ho an'ny horohorontany tany Indonezia 

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina

(Marihina fa tamin'ny 28 May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nampihetsi-po ny fanampiana sy ny fanomezana avy amin'ny firenena manerantany tamin'ny horohorontany nahatratra 6,2 tamin'ny maridrefy richter nitranga tao Yogyakarta, Java Afovoany, Indonezia. Nijery akaiky ny vaovao farany taorian'ny horohorontany ihany koa ireo Indoneziana tany ivelan'i Yogyakarta, somary nisaritaka ny sasany tamin'izy ireo amin'ny fomba hanomezana ny fanampiana sy ny toerana ahafahan'izy ireo mandefa izany fanomezany izany.

Mba hiatrehana izany olana rehetra izany, ny Oniversite Indoneziana faharoa lehibe indrindra Universitas Gadjah Mada (UGM), Yogyakarta dia nanangana bilaogy manokana [1] natokana mba hanomezana servisy fanomezam-baovao feno: fivoarana isa-minitra , vaovao maharaka andro sy ireo torohay momba ireo sampan-draharaha sasany nahafahana nandefa ny fanomezana ahitana ny kaontin'ny banky handefasana ny vola [2], ireo nomeraon-telefonina manan-danja maro hifandraisana [3], ary ny adiresin'ny sampandraharaha manampy amin'ny vonjy taitra izay nanangana birao vonjimaika tao an-toerana [4]

Tena nahavita asa tsara ireo mpianatry ny UGM tamin'ny fametrahana ny bilaogin'ny ezaka fanampiana vonjy taitra manokana momba ny horohorontany. Izany hoe rehefa dinihina ny halehiben'ny loza voajanahary sy ny fahalianan'ny iraisampirenena dia tokony ho eritreretin'izy ireo ny hanao ny bilaogy ho amin'ny fiteny roa samihafa mba hahafahan'ireo mpamaky iraisampirenena miditra amin'izany .