- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Horohorontany tany Laos, re hatrany Thailandy

Sokajy: Azia Atsinanana, Laos, Thailandy, Mediam-bahoaka, Tsidika, Vaovao Mafana, Voina

(Marihina fa tamin'ny 16 May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nitatitra ny fihovitrovitry ny tany ren'izy ireo avy tamin'ny horohorontany tany Laos [1] any avaratra ireo bilaogera vitsivitsy tany Thailandy. Tsy mbola nisy ny tatitra momba ny naratra na ny fahasimbana fananana tamin'ny fotoana nanoratana.

Nanoratra [2] i Thaizer, mipetraka any an-tanàndehiben'i Chiang Mai any Avaratra Thailandy hoe:

A couple of hours ago I was at home in Chiang Mai working away at my desk, when I felt my chair move backwards slightly. To be honest, I thought I’d spent too much time looking at the computer and was having a dizzy spell! It didn’t last long and I can’t say the whole room shook or there were pictures falling off the walls, but there was definitely something going on.

Roa ora lasa izay, niasa tao an-trano tany Chiang Mai tao amin'ny biraoko aho raha reko fa nihisaka nihemotra tsimoramora ny sezako. Marina fa noheveriko fa fanina aho satria efa ela loatra aho no nijery ny solosaina! Tsy naharitra ela izany ary tsy afaka milaza aho fa nihozongozona avokoa ny efitrano iray manontolo na nisy sary nianjera tamin'ny rindrina, saingy tena nisy zavatra nitranga tokoa.

Northern Laos
Tany Avaratra Andrefan'i Laos akaikin'ny sisintany iarahana amin'i Myanmar sy Thailandy no nisy ny ivon'ilay horohorontany.

Nahatsapa ny horohorontany [3] ihany koa i Popagandhi, Singapaoreana iray izay nandeha tany Thailandy niaraka tamin'ny reniny.

The earthquake of magnitude 6.1 rocked my second floor hotel room in Chiang Mai! The lights were shaking, my bed was shaking, I was lying down in bed at 3pm (that’s all I do these days, exhausted from the previous week of working).

Mum: “What was that?”

Me: “What was what?”

Mum: “That shaking!”

Me: “Oh, you felt that too? I thought everything was swaying because I took too much flu meds. That was probably, um, a… zzzz.”

Nanozongozona ny efitranon'ny hoteliko tany amin'ny rihana faharoa tany Chiang Mai ny horohorontany nahatratra 6,1! Nihozongozona ny jiro, nihovotrovotra ny fandrianako, nitsotsotra teo am-pandriana aho tamin'ny 3ora hariva (izany no ataoko rehefa reraky ny asa nandritra ny herinandro lasa aho).

Mama: “Fa inona izany?”

Izaho: “Fa inona izany?”

Mama: “Toa mihovitrovitra!”

Izaho: “Hay nahatsapa izany ihany koa ianao? Noheveriko fa nihovitra ny zava-drehetra satria be loatra ny fanafody gripa nohaniko. Angamba izany mety ho, um, a … zzzz. “

3 Bears, izay tany Chiang Mai ihany koa tsy nahatsapa ilay horohorontany fa nahita ny haavon'ny rano tao amin'ny dobon'ny hotely nidina tampoka. [4]