- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kenya: Hanohitra Sa Tsy Hanohitra?

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2011)

Ho tohin'ny andraikitra noraisin'ny vohikala media sosialy Twitter tao anatin'ireo fihetsiketsehana toniziana sy ejiptiana, miady hevitra ao amin'ny Twitter ireo Keniana raha haka tàhaka na tsia an'ireny fihetsiketsehana ireny. Ireo tenifototra #KenyaFeb28 [1] sy ny #ChoosePeace [2] no fironana tao amin'ny Twitter. Raha ny fahitana azy, antso iray fampivondronana ny tafika no niantso ireo fihetsiketsehana ny 28 Febroary 2011.

Avoakan'ny Antoneosoul [3] ireo olana sasantsasany manodidina an'ireo antso fanoherana natao ny 28 febroary:

eo amin'ny #kenya28feb [4] mitoloko isika tamin'ny 7ora, tamin'ny 1 ary tamin'ny 5:30, midradradradra isika hoe tsy hadinonatsika ny mikasika ireo IDPS (olona nanfindra toerana ao anatin'ny fireneny ihany), HAGUE (raha ny fahitàna azy dia manondro ireo Keniana lazain'ny CPI (fitsaràna iraisampirenena) ho ireo olona tena tomponandraikitra tamin'ny herisetra nandritra ny fifidianana hita tao amin'ny Firenena taorian'ireo Fifidianana Filoham-pirenena nahabe adihevitra tamin'ny taona 2008), KOLIKOLY, RARINY, TSY FANANANA ASA! Mba marina mafy!

Mino ny IamGecci [5] fa tsy tokony haka tàhaka an'i Ejipta ireo Keniana:

“haka tàhaka an'i Ejipta?  Aza dia dondrona azafady. Mbola tsy afa-bela amin'ny fihovitrovitry ny PEV (Herisetra amin'ny taorian'ny Fifidianana 2008) isika”

Mamaly araka izao manaraka izao ny AlindiG [6]:

Tsy misy te-haka tàhaka an’ Ejipta, te-haneho hevitra fotsiny [amin'ireo] sangany hoe hitanay ireo zavatra ataon'izy ireo, tsy misy herisetra.

Mba hanoherana an'ireo antso hanao fihetsiketsehana, mandefa bitsika amin'ny tenifototra #ChoosePeace [2] ireo Keniana sasany. Anisan'ireo nandeha ho amin'ny #ChoosePeace i David Mugo [7], rain-jaza roa, izay manambara fa:

Izaho no David Mugo, @raidarmax [8] niteraka zazavavy 2 izay mila Kenyà mandry fahalemana. #ChoosePeace [9]  manerana an'i #Kenya28Feb [10]

Kanefa, ny blaogera Marvin Tumbo avy amin'ny Socialite Media Kenya [11], manadihady ny olana hahalalana raha ho afaka handray anjara amin'ireo fihetsiketsehana politika ireo Keniana sahala amin'ireo izay hita tao Ejipta sy tao Tonizia. Araka ny heviny eo amin'ny blaogy, milaza izy fa:

Amin'ny ankapobeny ny fijerena ny zavatra avoakan'ireo Keniana ao amin'ny Facebook, Twitter sy amin'ireo blaogy, mipongatra ho toy ny sakana goavana amin'ny endrika fanavaozana rehetra ao Kenyà ny fanindrahindràna ny resaka foko. Herisetran'ny Mpitandro ny Filaminana ireo hafa, indrindra fa rehefa tsaroana ny herisetra taorian'ny fifidianana tamin'ny taona 2008, sarangan'ireo olona manana fari-piainana antonony amin'ny ankabeazany izay nisafidy ny handefa bitsika fa tsy hidina eny an-dalambe… sy ny fitiavanay ny fakàna aina kely eo am-pisotroana dite. Voazarazara be loatra avy ao anatiny ny ankamaroan'ny firenena, mba tsy ho lasa loharanonà adintsaina ho an'ny ankamaroan'ireo mpitondra ny fifanarahana fikomiana hanoherana ny governemanta.

Ao anatin'ny the Nairobian Perspective [12]  manao fanamarihana mahaliana ny mpanoratra [13], manontany tena angamba, raha toa ilay fironana miakatra be ka hiafara amin'ny fitsirihana iray mismisy kokoa hataon'ny fanjakàna amin'ireo vohikala media sosialy toy ny Twitter, Facebook… sns:

Miha-mahaliana ireo manampahaizana maro ity fivoaran'ny fironana ity satria misy fiantraikany iray amin'ny andraikitr'ireo media sosialy amin'ny fanehoana tsy hafaliana, fanentanana  vahoaka hanohitra eo noho eo, fahalalahana maneho hevitra sy ny tokony hitomboan'ny fandraisan'ny Governemanta anjara toerana amin'ny fandrafetana politika, fanarahamaso sy/na fandrindràna ireo media sosialy. Mety hiafara amin'ny ho fanarahamaso mismisy kokoa ataon'ny Governemanta amin'ireo media sosialy ve ireo fivoaran-draharaha ankehitriny?

Mamintina i Kachwanya fa tsy raikitra ny #KenyaFeb28 [14]. Antony 10 no entiny:

5. Fanjakana mizarazara ara-poko i Kenyà, na manaiky ianao na tsia. Tsy midika akory izany fa vendrana ny vahoaka, fa ohatr'izay fotsiny ry zareo. Noho izany, mialohan'ny hitondranao olona eny an-dalambe, tsy maintsy hazavainao amin'izy ireo aloha hoe iza no kendrenao. Eny amin'ny kihon-dalana, mety ho toy ny mpitondra ratsy na mpitondra tsy nahomby no ijerenao an'i Kibaki, nefa tsy izany no hitan'ireo olona ao anaty foko misy azy. Azonao heverinao ho mpandala vahoaka i Raila, nefa samy hafa ny hevitry olona ao anaty foko misy azy. Afaka mijery an'i Kalonzo ho toy ny “kaloser” tsy manana fototra matotra ijoroana ianao, manantena fotsiny ny màna avy any an-danitra, fa sary hafa no hitan'ireo olona avy amin'ny foko niaviany. Tsy maniry mihitsy ianao ny hiaraka amin'i Ruto sy Uhuru noho ny lasan'izy ireo tena ratsy, nefa ho an'ireo mpikambana sasantsasany ao amin'ny foko misy azy, hazalambo ara-politika io. Noho izany mitandrema.

6. Ny Twitter sy Facebook ao Kenya dia toerana ho an'ireo olona manana faripiainana antonony, nahita fianarana sy ireo ankizy avy amina toerana mahantra. Ireo olona ireo izay afa-po amin'ny fiainany ary mankamamy tsy fiovaovàna manoloana ny korontana ambony ambany. Mety manohana ilay hevitra izy ireo saingy tsy hidina an-dalambe mihitsy. Raha maniry ianao ny handehan'ireo olona ireo eny an-dalambe, miresaha amin'ireo kilongan'i Kibera, Mathare, Kawangware, raha tsy izany mirary anao ho tsara vintana

Ho hita eo raha toa hitondra zavatra ny antso tao amin'ny Twitter hnaovana  fihetsiketsehana milamina.