14 Aogositra 2018

Tantara tamin'ny 14 Aogositra 2018

Horohorontany tany Laos, re hatrany Thailandy

  14 Aogositra 2018

Namely ny avaratra andrefan'i Laos ny horohorontany nahatratra 6,1 amin'ny refy Richter. Tsy nisy niresaka momba ny horohorontany tamin'ireo bilaogera vitsivitsy tao Laos tamin'ny fotoana nanoratana. Nisy ireo bilaogera no nanoratra momba ilay horohorontany tany Thailandy izay mpifanolo-bodirindrina aminy.

Kenya: Hanohitra Sa Tsy Hanohitra?

  14 Aogositra 2018

Voazarazara be loatra avy ao anatiny ny ankamaroan'ny firenena, mba tsy ho lasa loharanonà adintsaina ho an'ny ankamaroan'ireo mpitondra ny fifanarahana fikomiana hanoherana ny governemanta...Hanohitra sa tsy hanohitra? Io no fanontaniana. Tohin'ny andraikitra noraisin'ny media sosialy Twitter tao anatin'ireo fihetsiketsehana toniziana sy ejiptiana, miady hevitra eo amin'ny Twitter ireo keniana ny amin'ny hakàna tahaka an'ireo fihetsiketsehana ireo na tsia. Ireo tenifototra #KenyaFeb28 and #ChoosePeace no fironana eo amin'ny Twitter.