Ny bilaogin'i Libya: herinandro voalohan'ny taona 2007

(Marihina fa tamin'ny 8 Janoary 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Raha mbola variana tamin'ny famonoana an'i Saddam Hussein ny tontolon'ny bilaogy sy ny hoe RARINY tokoa ve ilay fanamelohana azy ho faty, ireo bilaogera Libyana kosa dia nivadika ho any amin'ny lohahevitra hafa.

Nanoratra momba ny fanapahan-kevitra amin'ny taona vaovao i Khadijateri. “Raha toa ka hanao fanapahan-kevitra aho dia ho lisitra iray manontolo izany- azo antoka mihitsy fa tsy ho ampy ny [fanapahan-kevitra] iray. “

AngloLibyan ihany koa dia mbola tao anatin'ny Taombaovao/fahatsiarovana ny Eid ary nividy hena sy niresaka momba ny afomanga tany Londres.

Miresaka momba ny fifalian'ny fiandrasana zazakely sy ny anjara andraikiny vaovao i Lebeeya . “Zazakely TENA sariaka sy mahira-tsaina i Mohra. Nanontany izay zavatra hafahafa indrindra izy, mampihomehy fa tena mahafatifaty sady tsy mahalala na inona na inona izy. Tena vao mainka nampihomehy kokoa noho ny niheverako azy aza izany. Vetivety dia tapitra ny 2 andro. Malahelo azy sahady aho “.

Miaro ny tombontsoan'ny maha-izy anao manokana  i Piccolina “raha toa ka tsy miseho amin'ny maha-ianao anao ianao ary manafi-toetra dia AJANONY ary ALAVIRO AHO “.
Tena gaga tamin'ny diany nankany Tripoli i Besheshentra avy ao Benghazi ao amin'ny Tears in Heaven .

Azonao atao ihany koa ny mijery ny resaka nifanaovan'ireo Libyana izay tena samihafa noho ny efa noeritreretina, ary manantena aho fa hankafizinao ireo kolontsain'ny bilaogera samihafa ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.