- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kathryn Ward amin'ny tombotsoan'ny famahanana bilaogy ho an'ny vehivavy Bangladeshi

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 16 Martsa 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ho an'ity antsafa notanterahan'ny Rising Voices ity dia mihaino ny resadresaka mivantana niarahana tamin'i Kathryn Ward [1], mpanorina ny Nari Jibon [2] avy ao amin'ny fandaharan'i Big Muddy ao amin'ny onjam-peo WDBX [3] any Carbondale, Illinois, isika. Nosoritsoritan'i Kathy ny fomba nanombohan'ny Nari Jibon sy ny fomba nampidirany famahanana bilaogy sy ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra [4] tao amin'ny fianarana teny Anglisy sy ny fampiofanana amin'ny solosaina mba hanomezana ireo vehivavy ao Dhaka, Bangladesh ny feo matanjaka sy ny vondrom-piarahamonina an-tserasera.

icon Trohy ny dosie MP3 [5]