India: Nampihitsoka ireo mpandeha tao Kerala ny fiara-dalamby nosakanana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Aogositra 2008)
Youngsters play cricket at bus stop during strike

happy harthal 2 avy amin'i challiyan

Mampiseho ireo fiara fitaterana irate tao amin'ny garan'i Angamali ao amin'ny faritany atsimon'i India ao Kerala ny lahatsary manaraka nampidirin'ilay mpisera Youtube peshaku, tafahitsoka ry zareo noho ny karazana fihetsiketsehana manokana izay ampiatoan'ny mpiasa ny asany. Antsoina hoe Harthal (Hartal) ny zava-nitranga ary nanjary olana hatrany tao Kerala.

Tamin'ny 22 Febroary, nitaraina tao amin'ny Hartal the complementing factor of Kerala ny bilaogy praveennair:

Well if you are a Keralite or are frequently in touch with Kerala, or your relative or friends live in Kerala then you may have heard many a times the word Hartal (Strike) from them. This term has been a prime element of Kerala, and sooner or later has some how been in news at least once in every two months. With so much of such hartals Kerala is also gaining a new name, the land of hartals.

The situation has become so grim that the lives of the normal man have been put to unrest every time such strikes get going.

Eny, raha Keralita ianao na mifandray matetika amin'ny Kerala, na monina ao Kerala ny havanao na ny namanao, dia mety efa nandre imbetsaka ny voambolana hoe Hartal (Fitokonana) avy amin'izy ireo ianao. Singa voalohan'ny Kerala izany voambolana izany, ary avy eo na taty aoriana lasa nipoitra tamin'ny vaovao indray mandeha isaky ny roa volana farafahakeliny. Amin'ny habetsaky ny hartals, nahazo anarana vaovao ihany koa i Kerala, tanin'ny hartals.

Nanjary niharatsy ny toe-draharaha satria voahelinglina ny fiainana ara-dalàn'ireo olona isaky ny misy ny fitokonana.

Misy ny fahasamihafana eo amin'ny hartal, izay heverina fa tsy maherisetra, sy ny bandhs, rehefa azo tafihana ireo mpandrava fitokonana, araka ny fanazavan'ny tranonkala Harthal.com. Tamin'ny bilaogy hafa Hartal Watch, afaka mahafantatra ny toerana sy ny fotoana hanaovana ny  Hartals manaraka ireo mpamaky.

Mampiseho tsy faharetana amin'ny fitokonana hafa indray ny lahatsoratry Kerala Views Kerala to be paralysed for the nth time [Mila ahitsoka fanintsivoaisa intsony i Kerala], ary manome antony hafa ho an'ny hartal manerana ny firenena:

After around 60 local and Statewide hartals this year, Kerala would be paralysed for another day as part of the nation-wide general strike.

This time, the organisers would not be content with blocking road traffic. They would picket trains in all districts through which a railway line passes.

None can dispute the right of workers to go on strike and the farmers to support such an action. However, the strike is obviously politically motiviated. Little doubt that it is being organised with an eye on the coming Lok Sabha elections.

Taorian'ireo hartals mieli-patrana manerana ny firenena manodidina ny 60 teo an-toerana tamin'ity taona ity, tsy afa-nihetsika nandritra ny andro i Kerala noho ny fitokonana faobe manerana ny firenena.

Tamin'ity fotoana ity, tsy afa-po tamin'ny fanakanana ny lalana ireo mpikarakara. Hanakana ireo fiaran-dalamby manerana ny distrika izay andalovan'ny lalamby izy ireo.

Tsy misy olona afaka hiady hevitra amin'ny zon'ny mpiasa hanao fitokonana sy ny tantsaha hanohana hetsika tahaka izany. Na izany aza, misy ambadika politika ny fitokonana. Fisalasalana kely izay nokarakaraina amin'ny fifidianana Lok Sabha ho avy.

Azo vakiana ao amin'ny newindpress.com ny vaovao fanampiny momba ny fahavitrihana ambadiky ny fitokonana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.