11 Aogositra 2018

Tantara tamin'ny 11 Aogositra 2018

India: Nampihitsoka ireo mpandeha tao Kerala ny fiara-dalamby nosakanana

Mampiseho ireo fiara fitaterana irate tao amin'ny gara Angamali ao amin'ny faritany atsimon'i India ao Kerala ny lahatsary manaraka nampidirin'ilay mpisera Youtube peshaku, sempotra izy ireo noho ny karazana fihetsiketsehana manokana izay nampiato ny asany ireo mpiasa. Atsoina hoe Harthal (Hartal) ny zava-nitranga ary nanjary olana hatrany tao Kerala.

11 Aogositra 2018

Libanona: Arabnet niady hevitra momba ny hoavin'ny Aterineto Arabo… amin'ny teny Anglisy

Fihaonambe teknolojika natao tany Beirota ny 25-26 Martsa 2010 ny Arabnet 2010. Ity no fihaonambe iraisampirenena voalohany tamin'ny indostirian'ny Aterineto Arabo, izay nihaonan'ireo mpanapa-kevitra avy any Afovoany Atsinanana, Eoropa ary avy any Silicon Valley mba hiresahana ireo fironana farany sy ireo varavarana manomboka misokatra.

11 Aogositra 2018

Namily lalana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna zotran'ny fampiasa Telegram ny orinasam-pifandraisandavitra ao Iran

GV Mpisolovava

Tao anatin'ny hetsika vaovao ikendrena hanerena ny fandraràna avy amin'ny fanjakana ny fampiasa fampitan-kafatra Telegram, dia nanodina vonjimaika ny zotran'ny fampiasa Telegram ny Orinasam-pifandraisandavitra ao Iran (TCI) tamin'ny 30 jolay, ary fanitsakitsahana mivantana ny lalàna ao an-toerana izany.

11 Aogositra 2018