Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Korea: Inona ny fantatrao ary tahaka ny ahoana ny ahafantaranao azy

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny aogositra 2008)
Nampiditra sary fanehoana ny bilaogera iray ary miresaka ny dikan'ny fahalalàna sy ny fomba ahafahana manorina ambonin'ny fahalalàna.

넓게 알기 vs 깊게 알기

주어진 시간과 능력이 유한한 인간인지라 모든 것을 깊게 아는 것은 애초에 불가능하다. 위 그림에서 가로축은 얼마나 깊게 아는가를 세로축은 얼마나 넓게 아는가를 표시한 것인데 오른쪽으로 갈수록 깊게 아는 것이고, 위쪽으로 갈수록 넓게 아는 것을 의미한다. 재미나게도 “박사(Ph.D.)”에 해당하는 오른쪽 아래의 검은 점을 보면 지식의 범위가 학부생보다 그리고 석사보다도 좁아지고 대신 자기 분야만 깊게 안다는 것을 통렬하게 비꼬아 보여주고 있다.

위 그림을 아주 러프하게 수식으로 표현하자면 이렇다.
a (범위) + b (깊이) = c

(여기서 a>0, b>0 그리고 c는 상수, 가끔 음수가 되기도 한다. ^^)
사람에 따라서 a, b, c 값이 달라지게 된다. 주어진 a, b에서 아는 범위가 커지면 깊이가 얕아지게된다.

그런데 c의 중요성을 깨달을 필요가 있다. 만약 c 값이 크다면 당연히 범위와 깊이가 동시에 클 수 있다는 것에 주목하자. 우리가 공부하고, 세상에 대해 생각하면서 자신의 “능력”이 커질 것이다. 이것은 단지 한 쪽 분야에 대한 지식이 깊어지는 것만을 의미하는 것이 아니라 결국 더 많은 것들을 고려할 수 있는 “커패시티”가 커지는 것을 의미한다고 본다. c 값은 시간과 노력의 함수이며 시간을 들여 정성스레 노력하면 그 크기가 커지기 마련이다. 어느 한 분야를 깊게 공부했더니 결국 다른 분야까지 이해할 수 있게 되었다는 이야기가 가능한 것은 결국 c 값이 커졌기 때문인 것으로 나는 이해한다.

Voafetra ny fotoana sy ny fahafaha-manao ho an'ny olombelona. Avy amin'izany dia tsy ho tanteraka mihitsy ny hahalala lalina ny zava-drehetra. Araka ny asehon'ny sary fanehoana, ny tsipika marindrano manondro ny halalin'ny fahalalanao ary ny tsipika mijadona maneho ny velaran'ny fahalalanao. Arakaraka ny andehanan'ny tsipika miankavanana ny halalin'ny fahalalàna ao aminao. Arakaraka ny haavon'ny tsipika ny habe(tsaha)n'ny fahalalànao. Ny zava-mahaliana izao dia hoe aiza ho aiza no misy ireo manana ny “Ph.D. degree” (diplaoma dôktôrà),” ny velaran'ny fahalalàn-dry zareo dia kely kokoa noho ny an'ireo mpianatra amin'ny sekoly ambany sy ireo manana ny diplaoma Master (Maîtrise). Azo atao ny mandika hoe ny sehatrasany ihany no hainy.

Tiako hazavaina amin'ny raikipohy iray ity sary fanehoana ity.
a (velarana) + b (halalina) = c
(Eto, a>0, b>0 ary isa tsy miova i c. Indraindray io mety ho isa miiba)

Miankina amin'ny olona, samihafa ny isa a, b, ary c. Raha mihalehibe ny velaran'ny fahalalàna, dia mihamanify ny halaliny. Saingy mila mahafantatra isika amin'ny mahazava-dehibe ny c. Raha lehibe kokoa ny tarehimariky ny c, dia mety ho lehibe kokoa ny velarana (habe) sy ny halalina. Raha mandinika sy mieritreritra momba ny tontolo bebe kokoa isika, dia mihavaventy ny fahafaha-manao.Tsy mandray fahalalàna amin'ny sehatra iray ihany isika, fa mihalehibe ihany koa ny fahafaha-manao azonao heverina. Hamoaka valiny avy amin'ny fotoana sy ny ezaka ny sandan'ny c. Raha miezaka ianao, hivelatra kokoa ny sanda. Mianatra sehatra iray ianao. Rehefa mahafehy azy ianao dia mety hahatakatra sehatra hafa any amin'ny farany. Fantatro fa azo tanterahana izany satria midika izany fa mihangeza ny sandan'ny c.

너무 공감합니다. c를 키우려고 노력해야 하는데, 요즘 들어 이것저것 보고 있으면 자꾸 a만 커지는 기분입니다.

Tena manaiky tanteraka aho. Na dia miezaka aza aho ny hahalehibe kokoa ny c, dia tsapako fa ny a ihany no mihalehibe amin'izao fotoana izao.

넓게 앎과 동시에 자신의 분야에 대해서는 깊게 아는 것이 중요하지 않은가 하는 생각이 듭니다. 넓게 알면 그만큼 자신의 분야를 이해하는 것도 다양한 관점에서 볼 수 있지 않을까 하는 생각이 들어요.

Rehefa mahalala amin'ny ankapobeny ianao, dia mahalala amin'ny fomba matihanina ny sehatra misy anao. Mihevitra aho fa zava-dehibe izany. Rehefa mahalala amin'ny ankapobeny ianao, dia midika izany fa mahay sehatra misy anao amin'ny fomba fijery maro ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.