- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kambodza: Fiantombohan'ny Fitsaràna Mpitarika Iray Tao Amin'ny Khmer Rouge

Sokajy: Kambodza, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tantara, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2009)

Ny 30 martsa 2009, natombok’ ireo Fitsaràna Manokana ao amin'ny Tribonaly an'i Kambodza misahana ny Fitsaràna an'ireo Heloka bevava natao nandritra ny vanim-potoanan'ny Kampuchea Demokratika, na ECCC [1] ny fihainoana voalohany an'i Kaing Guek Eav, fantatra amin'ny anarana hoe Douch [2]. Nandritra ny fitondran'i Khmer Rouge, nitantana ilay fonja nalaza ratsy tao Toul Sleng ao Phnom Penh i Douch izay nahafatesana olona an'arivony.

Azo tsirihina eo amin'ny vohikala Cambodia Tribunal Monitor [3] ireo webcasts misy ireo adihevitra.

Manontany tena [amin'ny teny anglisy] ny Pineapple [4], amin'ny fomba ahoana ny S-21, ilay fonja ao Toul Sleng izay Douch no tomponandraikitra tao, no miditra be ao anatin'ny fandikàna ny hevitry ny

Ny S-21 sahala amin'ny votoatiny tsara indrindra amin'ny fitondran'ny Khmer rouge fa tsy olana iray mifandraika amin'ny fizahantany? Fampiharana iray lafo vidy mba hisehoana ho toy ny hoe nanao hetsika nandritra ny vanim-potoana 1975-79? Fa tsy ireo taona 1970-79 na 1979-93. Tsapako fa ny fandinihana ny lasa dia mety ho lasa mampidi-doza raha toa ovaina ireo daty.

Tamin'io fotoana io ihany, nandefa lahatsoratra iray an'i Phnom Penh Post ho ety anaty tambajotra ny KI Media [5] mampatsiahy fa tsy hoe ela dia mety ho hanao  fiaiken-keloka ao amin'ny fitsaràna i Douch.

Details are Sketchy’ ireo antsipirihany no nanangona tato [6] [tamin'ny teny anglisy, saingy efa maty ny rohy] ny fandrakofana ny fitsaràna nataon'ireo media mahazatra.

Azo nalaina teto [7] [amin'ny teny anglisy, saingy efa maty ny rohy] ny fanasàn'ny ECCC hanatrika an'ireo fitsaràna azon'ny rehetra natrehana.  Ny 31 martsa 2009 no voatondro hanihizana ny fitsaràna an'i Douch.