Nomad Green: Atrikasa maro tany Mörön, Khatgal ary Ulaanbaatar

(Marihina fa tamin'ny 8 Aogositra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Manana taham-pidirana goavana i Mongolia amin'ny aterineto ary tena avo ny halakiny, eo amin'ny laharana faha-35 manerana izao tontolo izao i Mongolia amin'ny hafainganam-pandeha 7,3Mbps. Raha manana izany hafainganam-pandeha izany ny faritra an-tanandehibe dia maro ny faritra ambanivohitra any Mongolia no tsy manana herinaratra sy aterineto.

Workshop in Mörön, the administrative center of the Khövsgöl province

Atrikasa tao Mörön, ivontoerana ao amin'ny faritanin'i Khövsgöl

Nampiofana ny mpanao gazety olon-tsotra ao an-toerana tamin'ny fomba fampiasana ny bilaogy, ny lahatsary nomerika, ny rakipeo, ary ny fangaron-tsarintany ny Nomad Green, tetikasa tohanan'ny Rising Voices any Mongolia mba hitaterana vaovao ara-tontolo iainana. Tonga hatrany amin'ny toerana lavitra tany an-drenivohitra Ulaanbaatar ihany koa izy ireo mba handravana ny hantsana nomerika eo amin'ny faritra an-tanandehibe sy ambanivohitra. Nikarakara atrikasa ny Nomad Green tany amin'ny faritra Avaratra Atsinanan'ny Faritanin'i Khövsgöl ny 23 Jona ka hatramin'ny 3 jolay 2010. Malaza noho ny hakanton'ny natiorany sy ny Farihy Khövsgöl ity faritra ity ary iray amin'ireo toerana lehibe fisarihana mpizahatany any Mongolia. Nahitana an'i Axiou Lin, mpikarakara tetikasa, Otgoo talen'ny fanoratana ary i Boum, mpandala ny tontolo iainana sady mpanolontsaina ny ekipa.

Workshop in Khatgal village in Kh province

Atrikasa tao amin'ny tanànakelin'i Khatgal ao amin'ny faritanin'i Khövsgöl

 Portnoy, lehiben'ny tetikasa ao amin'ny Nomad Green hoe:

The team visited the biggest lake in Mongolia-Lake Khovsgol, and met with local environmentalist and nature protectors. The natural environment of this aimag is also under severe pressure from mining business and desertification, just like most other aimags (provinces) in Mongolia.

Murun and Khatgal are the two major administrative and business towns in the aimag. We were very excited to spread our message this far and enroll new citizen journalists with high ambition.

 

Nitsidika ny farihy lehibe indrindra tany Mongolia, ny Farihy Khovsgol ny ekipa ary nihaona tamin'ireo mpandala ny tontolo iainana sady mpiaro ny natiora tao an-toerana. Iharan'ny tsindry mafy avy amin'ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany sy ny fiitaran'ny tany hay, toy ny any amin'ny ankamaroan'ireo aimag (faritany) hafa any Mongolia ihany koa ny tontolo voajanahary ato amin'ity aimag ity.

Murun sy Khatgal no tanàna roa lehibe ara-pihariana sy ara-pitantanam-panjakana ao amin'ny aimag. Tena nientanentana izahay mandefa ny hafatra eto sy mandray ireo mpanao gazety olon-tsotra vaovao izay manana tanjona lavitra.

Workshop with the children in Ulaanbaatar

Atrikasa niaraka tamin'ny ankizy ao Ulaanbaatar

Ny 3 Jolay dia niverina tany Ulaanbaatar renivohitra ny ekipa mba hitarika atrikasa manokana ho an'ny ankizy izay nokarakarain'ireo mpianatra avy ao amin'ny Oniversite Nasionaly Taiwan. Nanoratra i Portnoy hoe:

We taught these kids how to become small citizen journalists by drawing what they saw in their daily life. Education is considered as one of the most crucial issues along with environmental protection. NomadGreen wishes to combine those two issues and make kids the initiator of change in their families.

Nampianarinay ny fomba hahatongavana ho lasa mpanao gazety olon-tsotra amin'ny alàlan'ny fanoratana ny zavatra hitany mandritra ny fiainany andavanandro ireto ankizy ireto. Heverina fa iray amin'ireo lohahevitra goavana indrindra miaraka amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny fanabeazana. Nikasa ny hanambatra ireo lohahevitra roa ireo ny NomadGreen ary hampianatra ireo ankizy ho mpisantatra ny fanovana ao amin'ny fianakaviany.

Ireto ny sary hafa nalain'i Portnoy:

1) Workshop in Mörön (Murun) city in Khövsgöl Aimag (province)

2) Worshop in Khatgal village on the southern tip of Lake Khövsgöl

3) Workshop in Ulaanbaatar for children with the help of NTU students.

1) Atrikasa tao Mörön (Murun) tanàndehibe ao Khövsgöl Aimag (faritany)

2) Atrikasa tao amin'ny tanànakely Khatgal any amin'ny tendrony atsimon'ny Farihy Khövsgöl

3) Atrikasa  ho an'ny ankizy tao Ulaanbaatar niaraka tamin'ny fanampian'ny mpianatra UNT.

Nasongadina eto ny santionany tamin'ireo lahatsoratra avy amin'ny bilaogera Nomad Green.

Nanoratra (nadikan'i Mongoloo) i Bolorerdene momba ny lanjan'ny natiora izay tsy fantatsika. Mampahatsiahy ilay bilaogera:

One of the Mongolian famous poets Choinom said “The more you know the life value, the more you receive the life favor. If you don’t realize its importance, you would be blown like dust”.

Nilaza i Choinom, iray amin'ireo poety Mongoliana malaza hoe: “Arakaraka ny ahafantaranao ny lanjan'ny fiainana no ahazoanao tombony bebe kokoa amin'ny fiainana. Raha tsy mahatsapa ny maha-zava-dehibe izany ianao, dia ho tsofina toy ny vovoka”.

Nanoratra momba ny zavatra hitany tamin'ny fitsidihana ny kianjan'ny Lalao Manerantany tao Taiwan i Batzul (Bazu). Na dia manana takela-masoandro aza ny kianja, dia nihevitra izy fa “mandoto tontolo iainana ary ampiasàna rano madio betsaka ny famokarana takela-masoandro.” Ankoatra izany, mitaky fotoana sy hery ary loharanom-bola ihany koa ny fanadiovana ny tafo misy ny takela-masoandro. Izany no mahatonga ireo takela-masoandro tsy mbola mahasolo ara-dalana ny herinaratra.

Vakio kokoa ny lahatsoratr'izy ireo ao amin'ny tranokalan'ny Nomad Green .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.