- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Namely an'i Oman ny rivodoza tropikaly Gonu

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Oman, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina

(Marihina fa tamin'ny 6 Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanambara ny hamehana ny governemantan'i Oman rehefa namely ny firenena ny rivodoza tropikaly Gonu [1], izay nahatratra ny sokajy faha 5 amin'ny loza voajanahary. Fantatra fa nanavatsava nanerana ny morontsiraky ny firenena nandritra ny telo andro ity oram-batravatra ity. Nanao fanambarana tsy tapaka tao amin'ny fahitalavitra sy ny onjampeo momba ny fomba hiatrehana ny krizy ny Polisim-panjakana Oman, nitatitra nafindran'izy ireo toerana ny mponina miisa 7000 tao amin'ny Nosy Mesirah, ilay fanjakana Omani voalohany nandalovan'ny rivodoza.

Na dia tsy taitra aza ny maro tamin'ny voalohany dia natahotra mafy [2] ny ankamaroan'ny vahoaka raha vao nisy fanambarana nilaza fa nihisaka nankany an-drenivohitr'i Oman, Muscat ny rivodoza. Nahavariana fa nanao asa goavana ny fampitam-baovao Omani tamin'ny fanatsarana ny fitantarana tamin'ny fahitalavitra sy ny onjam-peo mikasika ny vaovao farany, saingy rehefa nanakaiky ny hariva dia toa tony ny zava-drehetra. Nandefa ny andian-tantara iray ny fahitalavitra OmanTV toy ny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga, tsy afa-nihaino radiô aho hihainoana ny vaovao notaterina avy any an-toerana.

Ilay bilaogera Sleepless in Muscat [3] dia nanavao tsy tapaka ny lisitr'ireo fivoarana lehibe tsy tapaka, anisan'izany ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina sy ny tranombarotra rehetra. Nilaza ihany koa i Sleepless  fa handefa horonantsary momba ny toe-javatra niseho izy.

Ny newsBriefsOman [4] no bilaogy iray hafa niaraka nitatitra tsara ny vaovao nandefasan'i Sue rohy maro mba hanomezana loharanom-baovao nampiseho ny zava-nisy. Na izany aza, nampitandrina ny mpamakiny izy hoe:

[D]on't be distracted by the forecast track of the centre of the storm. It's the wind fields and the associated rain that you need to watch. At the moment, the forecast is that the area of intense wind and rain would take in all of northern Sharqiyah, the coast between Al Ashkhirah and Muscat and certainly as far inland as Nizwa.

Aza variana be loatra amin'ny loharanom-baovao misy ny toerana foiben'ny rivodoza. Ny sahan-drivotra sy ny orana miaraka aminy no tokony hojerenao. Amin'izao fotoana izao, nilaza ny toetr'andro fa any amin'ny faritra avaratr'i Sharqiyah, morontsiraka eo anelanelan'i Al Ashkhirah sy Muscat no misy ny rivotra mahery sy ny orana ary azo antoka fa lavitra ny faritra anatiny toa an'i Nizwa izany.

Nandefa ny antsipiriany momba ny torolalana famonjena aina [5] izay nalefa ho an'ny mpiasa rehetra ao amin'ny orinasan'ny solika Omani sasany i Suburban [6]. Mendrika ny ho vakiana izany araka ny filazany hoe:

This was forwarded to me by three different people who work for PDO, and I thought it was worth sharing. I think it's worth noting that PDO deserves credit for disseminating clear, concise, and useful information at a time when it's needed most. It's one of the many good services that PDO provides for it's staff and the community at large, the next time you see a PDO employee somewhere, tell them thank you.

Nalefan'ny olona telo samihafa miasa ao amin'ny PDO tamiko izany, ary mihevitra aho fa mendrika ny hozaraina izany. Heveriko fa ilaina ny manamarika fa mendrika fankasitrahana noho ny famoahana vaovao mazava, fohy ary ilaina tamin'ny fotoana tena nilana izany indrindra ny PDO. Io no iray amin'ireo tolotra tsara maro izay omen'ny PDO ho an'ny mpiasany sy ny vondrom-piarahamonina amin'ny ankapobeny, amin'ny manaraka raha mahita ny mpiasan'ny PDO ianao any aoriana any, lazao azy ireo hoe misaotra .

Tsy nisy ny loharanom-baovao momba ny vaovao farany mikasika ny rivodoza tao Oman fa afaka nanome fitarihana mahasoa momba ny zava-nitranga ny fitsidihana ny iray tamin'ireo sehatra fifanakalozan-kevitra Omani toy ny OmanForum [7] sy EnglishSabla [8] .