India: Ireo Loharanom-baovao Tsara Indrindra Sy Ireo Fanadihadiana Mikasika Ny Fifidianana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2009)

Ampahany tamin'ny fandrakofana manokana nataon'ny Global Voices ireo fifidianana indiana tamin'ny taona 2009 ity Lahatsoratra ity.

Arakaraka ny maha-akaiky an'ireo fifidianana indiana ho an'ny Lok Sabha (Tranom-bahoaka, solombavambahoaka), marobe ireo vohikala vaovao no miezaka mba ho lasa loharanom-baovao sy fanadihadiana hatao fakàntahaka.

Ireo vohikala ireo, anefa, manao fifaninanana mivantana amin'ireo vohikala madinika noforonina ho an'ireo fifidianana an'ireo media mahazatra – Hindustan Times/ Google, TOI, Mint, DNA, The Hindu, Yahoo!, MSN, Rediff, NDTV, IBN Live, India Today, The Week, Economic Times, India TV, Aaj Tak, Business Standard, BBC sy Al Jajeera– ary mila manolotra zavatra miavaka mba hanaporofoana ny filàna azy ireo [amin'ny teny anglisy avokoa ireo rohy voalaza].

Miseho amina endrika mitovitovy ireo vohikala madinika an'ireo media mahazatra: vaovao mikasika an'ireo antoko politika, eo amin'ireo fari-pifidianana, ireo kandidà, ny fandaharanasan'izy ireo, ireo antontan'isa mikasika ny fifidianana teo aloha ary ny fitobak'ireo fampahalalam-baovao sy ireo hevitra mikasika ny fifidianana ho an'i Lok Sabha (Tranom-bahoaka). Na izany aza, manolotra fomba fijery hafa ireo vohikala madinika sasantsasany, avelao àry aho mba hanomboka amin'ireo vohikala tiako, matetika no ifandrimbonana, eo amin'ireo media mahazatra.

Manana pejy mora jerena ny DNA, India Today, Business Standard ary ny IBN Politics, nosoratan'ireo mpanoratra fanta-daza.

Google/ Hindustan Times 2009 Indian Lok Sabha Elections Page

Ny vohikala madinika ho an'ireo fifidianana, novolavolain'ny gazety isanandro Hindustan Times/ Google, dia manolotra an'ireo gadgets-n'ny Google izay hahafahan'ny mpamaky mandrafitra ny pejy iGoogle-ny manokana.

Ny blaogy Hindu Election Blog, miantrano eo amin'ny WordPress, dia ahafahana mamandrika  tenifototra sy sokajy manokana.

Ny MSN mitondra angona iray amin'ireo vaovao izay azo sivanina isaky ny kandidà, antoko na fanjakana

Ny vohikala Outlook India Election Blog dia mikajy manokana ireo rohy miaraka amin'ny pejin'ireo vohikala hafa .

IndiPepal 2009 Indian Lok Sabha Elections Page

Amin'ireo mpisehatra vaovao, angamba ny IndiPepal no tena sahisahy indrindra, miaraka amin'ny blaogin'ireo  mpanadihady be mpahalala.

India Voting sy Engage Voter ihany koa dia manana vohikala tena manakarena miaraka amin'ireo lahatsoratra somary mahaliana.

BlogAdda 2009 Indian Lok Sabha Elections Page

Ny vohikala BlogAdda no mpanangona an'ireo media mpandray anjara amin'ireo fifidianana, tsara fanolorana, miaraka amin'ireo sary, lahatsary ary lahatsoratra nalaina avy tamin'ireo blaogy marobe natokana ho an'ny fifidianana. OneVote ihany koa dia mpanangona an'ireo media mpandray anjara izay manangona sary,  lahatsary, lahatsoratra, ary vaovao mifandraika amin'ireo fifidianana ireo.

Vote Report India 2009 Indian Lok Sabha Elections

Vote Report India, vovonana iray iombonana natao ho fanarahamaso an'ireo fifidianana 2009, mikendry ny hanome vaovao ara-potoana momba ireo tsy fanarahan-dalàna ao anaty zotram-pifidianana amin'ny alalan'ireo tatitra, lahatsoratra,  sary, lahatsary ary ireo filazàna momba ireo fifidianana avy any amin'ireo loharano tena azo ianteherana, avondrona amina toerana tokana, miainga avy amina sarintany iray ifandrimbonana (jereo ny lahatsoratray teo aloha mba hahazoana ireo antsipirihany).

Amina karazana loharano tahaka izany izay mpifaninana izy samy izy, ireo mpanaramaso ireny fifidianana ireny, ao India na any ankafa, dia mety hahazo toky hahita iray ao izay mifanaraka amin'ny filàn'izy ireo manokana amin'ireo vaovao na ireo fanadihadiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.