- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampahafantarana ny Mokattam Blog Tales

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, RV any ejipta, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 27 Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niasa-niasa tamin'ny tanora sy ny fampandrosoana nandritra ny taona maromaro i Nesma Gewily ary nahaliana azy tokoa ny mitady lalana ampiasàna ny fampitam-baovaon'olon-tsotra mba hanentanana ny tanora sy ny talenta famoronan'izy ireo. Iray tamin'ireo rantsana farany indrindra nahazo fanohanana avy amin'ny Rising Voices ao Egypta izy ary niara-miasa tamin'ny fikambanana Alwan Wa Awtar [1] tsy mitady tombontsoa tao an-toerana, izay mikarakara ireo ankizy sy ny tanora teo amin'ny manodidina ny Vohitra Mokattam ao Kairo nandritra ny dimy taon. Ahitana fanamboarana saribakoly marionety, leson-kira, fanabeazana akademika, ary karazana zavakanto famoronana rehetra ny hetsika sasany ataon'ny fikambanana. Nesma no nanomana ny tetikasa Mokattam Blog Tales [2] ao amin'ny Foibe Alwan Wa Awtar, mba hampianarana ny zatovo ny fomba fampiasana ny fampitam-baovaon'olon-tsotra mba hilazana ny tantaran'ny manodidina azy ireo. Ato amin'ity lahatsary ity, miresaka momba ny fanantenany mikasika ny tetikasa sy ny fomba fijeriny momba ny tetikasa ho an'ny tanora eo amin'ny manodidina i Nesma..