(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2009)
Tamin'ny herintaona no nipaoka ny fifandirana rehefa nanomboka niadian'ny mpanao politika nepaley hevitra ny mikasika ny fampidirana ireo maoïsta mpiady anaty akata taloha [amin'ny teny anglisy toy ireo rohy rehetra voatanisa anatin'ny lahatsoratra], fantatra kokoa toy ny Tafika ho an'ny fanafaham-bahoaka (ALP), ho ao anatin'ny tafika nasionaly. Efa novinaniana fa mety hisy vokany eo amin'ny rafitra sy ny fahamarinantoeran'ny tafika nasionaly ity dingana ity.
Tamin'ny volana janoary 2009, niresaka mikasika ny fifandirana misy eo amin'ny Minisitry ny fiarovana Ram Bahadur Thapa Badal sy ny lehiben'ny tafika nasionaly Rookmangud Katwal ny Dr. Divas avy ao amin'ny ABC:
Badal and Katwal are at loggerheads over whether the NA should continue with fresh inductions to fulfill the vacant posts in the army. While Badal accuses the Army of trying to control a democratically elected government by refusing its directives, Katwal sounds defiance against the Maoists tactic of keeping the National Army under the Party's control.
Ao anatin'ny tsy fifanarahana momba ny fanontaniana raha toa ka tokony hanohy ny fampidirana olona mba hamenoana toerana banga i Badal sy Katwal. Raha i Mabaka kosa miampanga ny tafika ho miezaka ny handidy ao amin'ny fanjakana nofidiana tamin'ny fomba demokratika amin'ny fandavana ny baikony, raha i Katwal kosa indray tsy mahatoky ny paikadin'ny maoïsta mba hitazonana ny tafika nasionaly ho ambanin'ny fitantanan'ny antoko.
Mihevitra izy fa toa tsy dia mahay mankasitraka loatra ny tafika amin'ny ankapobeny ireo maoïsta ary heverin'ireto farany i Katwal ho toy ny sakana lehibe amin'ny fanatontosana ny fandaharanasan-dry zareo. Nanomboka teo, niharatsy ny toe-javatra. Tamin'ny 23 Aprily, nanavao ny lahatsoratrany i Dr. Divas:
Prachanda supported a decision by the defense ministry two days ago to seek clarification from General Katawal over allegations that he ignored government orders on recruitment and the sacking of eight senior army generals.
Tohanan'ny Prachanda ny fanapahankevitra noraisin'ny Minisitry ny fiarovana roa andro mialoha izay, mangataka fanazavana amin'ny jeneraly Katwal mikasika ny fanambaràna toa milaza hoe nandavany ny baikon'ny fanjakana mifandraika amin'ny fampidirana olona ho ao amin'ny tafika sy ny fandroahana tomponandraikitra valo .
Efa nanamarika ny mety ho vokatr'izany ny Neil's Nepal:
Mibaribary ny fanitsakitsahan'ny tafika ny fotokevitry ny fanarahamason'ny olon-tsotra. […] Fanampin'izany, manohana ny tafika amin'ny hetsika ataony ny antoko fototra avy ao amin'ny fanoherana ary tsy tonga amin'ny faratampon'ny lazany ireo maoïsta. Amin'izao hangatahany « fanazavana » amin'ny lehiben'ny tafika izao, izay mety ho dingana voalohany amin'ny fandroahana, hanondro mankany amin'ny fananontanon'ny fanonganampanjakana avokoa ireo tondro mahazatra. Toa mampiahiahy izany amin'ny fahafantarana fa vao efatra taona izay no nisehoan'ilay fanonganampanjakana farany nataon'ny tafika.
Fa mandroso hevitra ihany koa ilay blaogera izay araka ny teniny, toa tsy ampoizina loatra ny hisian'ny fanonganam-panjakana :
The PLA is still sitting out in cantonments, it still has it's arms, and it's still loyal to the Maoist chain of command. The army chief knows that if he uses some pretext to sack the elected government, he won't just have to deal with an extremely organized street protest/urban uprising (from a party that is now entrenched in urban areas and highly militant). He'll immediately have to pit his troops (who may not be so willing) against an 18,000 strong, highly motivated, guerrilla force.
Mbola miandry any amin'ny toby famindran-toerana foana ny Tafika ho an'ny fanafaham-bahoaka, mbola manana ny fitaovam-piadiana foana ary mbola mankato ny baikon'ireo maoïsta foana. Fantatry ny lehiben'ny tafika fa raha mampiasa alaolana tsizarizary mba handroahana ny fanjakana voafidy izy, tsy vitan'ny hoe tsy maintsy hiatrika fidinana an-dalambe sy fihetsiketsehana tena ho voakarakara tsara izy (ataon'ny antoko izay malaza be ary mpikatroka amin'izao fotoana izao), fa tsy maintsy hiatrika ny tafikany ihany koa (izay mety tsy ho tena vonona ) amina mpiady anaty akata misy maherin'ny lehilahy 18 000 tena vonona.
Ambaran'ny United We Blog! for a Democratic Nepal androany [24 Aprily 2009] fa «mikarakara fanonganam-panjakana ”malemy paika” mba hanoherana ny drafitr'ireo maoïsta izay mikendry ny fandroahana an'i Rookmangud Katwal,lehiben'ny tafika ny sasany amin'ireo jeneralin'ny tafika nepaley ». Lazain'ilay fanavaozan'i Dr. Divas ihany koa fa nikasa ny jeneraly Katwal mba hametraka karazana fitondrana mifantoka amin'ny filoha, aingam-panahy nalaina tamin'i Bangladesh ary tohanan'ny fanjakana.
Navoaka tao amin'ny tranonkala eKantipur.com ny tatitra amin'ny antsipirihany. Mampiseho izany fa notetehan’ ny maoïsta ny hampiditra ireo mpikambana 19 000 tao amin'ny mpiady anaty akata taloha, izany hoe ny Tafika ho an'ny fanafaham-bahoaka, ho ao anatin'ny tafika nasionaly ary tokony hiditra ao amin'ny ambaratongam-pitantanana ireo mpifehy maro tao amin'ny ALP.
Manambara ny United We Blog! fa nandà mafy ny tafika tamin'ny filazana fa «noforonina sy hevi-dravina» ilay tatitra.
Manazava ny herin'ny maoïsta ny Neil's Nepal:
The Maoists have found their way around this inconvenient fact by forming their own army (through great difficulty) and breaking the governments monopoly on the use of force. Hence, they don't have the loyalty of the army (at least not the leadership), but they probably aren't going anywhere anytime soon.
Hitan'ireo maoista ny fomba hanodinana ity tranga ity tamin'ny famoronana, na teo aza ny hasarotana maro, ny tafika azy ireo mba tsy hanaovan'ny fanjakana ampihimamba intsony amin'ny fampiasàna ny tafika. Tsy mahazo ny fanohanan'ny tafika nasionaly izy ireo noho izany (tsy ny an'ny fibaikoana aloha), nefa mbola tsy vonona ny hiala vehana ry zareo.