- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny ”gripan-kisoa” an-dahatsary : vaovao, hanihany, vongan-tsira

Sokajy: Amerika Latina, Aostralia, Meksika, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Mozika, Sarimihetsika, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2009)

Miezaka ny mampiseho ny toe-panahin'ny olona amin'ny fotoana iray manokana ireo lahatsary. Maneho hevitra amin'ny fomba samihafa avokoa ny olona manoloana krizy iray, ary, ho an'ireo rehetra izay mamaky, mijery ary  mitelina ny vaovao mikasika ny ‘gripan-kisoa’ ( antsoina manokana hoe Influenzavirus A anatin'ny karazana H1N1 [1]), mety ho sarotra izany, tsy ny amin'ny fandanjalanjana ireo vaovao mitondra tsaho irery ihany, fa ny amin'ny ahitana izay haleha manoloana ireo famerana sy torohevitra. Ny sasany mahita ny lahatsary ho toy ny fomba fizarana ny  fihetsehampony, ary izany no atolotr'ity lahatsoratra ity ho anao androany : lahatsary isan-karazany : hampisaintsainana, misalasala, ara-kira, feno hery famoronana ary feno hanihany.

Mba hanombohana izany, ity ny the Atomicos [2], vondrona rock iray tsy miankina ao Puebla izay nanoratra hira iray ary namoaka lahatsary iray an-tambajotra nasiana dikanteny anglisy mikasika ny gripan-kisoa sy ireo fepetra maro isankarazany noraisina. Nadika koa ho amin'ny teny frantsay ilay lahatsary avy eo, ho an'ny blaogy an-dahatsary Le Buzz Dorothée [3]. Ao amin'ny pejin'izy MySpace [4] ireo lahatsarin'ny vondrona sy hira hafa tsy misy idirany amin'ny gripan-kisoa.

Maka tombontsoa avy amin'ilay gripan-kisoa ihany koa ireo orkesitra lehibe : namorona ny Cumbia Influenza izay nadika ho amin'ny teny anglisy ny Agrupación Cariño , ho an'ny fahafahampon'ny mpihaino midadasika kokoa. Ity ambany ity ny dika anglisy [5], ary arahan'ilay amin'ny teny espaniola [6].

Namokatra hira iray tena mitondra tanteraka mankany amin'ny mikasika ity gripa ity ihany koa ny vondrona Bandaloz de Durango [7] ao Meksika, izay ihiràny ireo fomba rehetra fiarovana ilaina mba hiarovana ny tena amin'ilay otrikaretina :

Any Meksika, nanao lahatsary maro ihany koa mamaritra ny fiainan'ny olon-tsotra, ny fomba iatrehana ny toe-javatra dieny any am-boalohany ny olona sasany. Nampiakatra lahatsary natao teny an-dalamben'i Meksiko i shizo79, izay, teo anivon'ireo olona vitsy dia vitsy nivoaka teny ivelany, ny sasany nanao arontava, ny sasany tsy manao ary ny sasany manao izany manodidina ny tendany :

https://www.youtube.com/watch?v=BDCA-8Qk9lg [8]

Nanoratra hira mikasika ny fiainana andavanandron'ny mpianatra toa azy ity Jimena, zazavavy meksikana mahafatifaty kely [9], ary asehon'ny gadona mahafinaritra sy ny tononkira mandona ny vokatr'ireo fepetra fiarovana eny amin'ny olontsotra. Ity misy sombiny amin'ny tonon'ny hirany We're out of Face Masks (Tsy misy arontava intsony) (izay nadikany tamin'ny teny anglisy tao amin'ny pejy Youtube-ny [9]) :

FIVERENANA
Gripan-doza
Tsy afaka mivoaka aho
Asain'ny vaovao maka aina sho
naaananana
Aza manomboka miteniteny foana eo eh
Tsy mbola farandro izao

Il ne reste plus de masques / Tsy misy aron-tava intsony
Fanamarihana eo amin'ny varavarana iray: ”tsy misy vaksiny alohan'ny novambra”
miha adala hatrany hatrany ny olona
saritaka amin'ny fividianana & tsy manana sakafo sahaza akory aza isika.

Trano fisotroana, kaonseritra & fety
fampisehoana, ”boaty” & trano fisakafoanana (ireo zavatra rehetra ireo)
efitrano fijerena sarimihetsika, trano fisotroana kafe  & fetin'ny faha-16 taona
izany rehetra izany najanona avokoa ho fiarovana antsika

Ary ny any amin'ny manerana ny tany ? Ao Aostralia izay efa nisy tranga iray voamarinana, nampiakatra lahatsary mitsikera ny fanehoankevitra saro-tahotry ny olona manoloana ireo manao ny hadisoana mikohaka na mihevina ny Community Channel's Natalie [10]  :

Ary mba hamintinana izany ehetra izany : tsy dia nila fotoana ela mba hanombohan'ny olona iray kilalao horonantsary mikasika ny gripan-kisoa. Ao amin'ny SwineFighter [11] , eo amin'ny sarintany iray, mila mikendry kisoa manidina miaraka amin'ny fitaovam-panindronana isika, manao vaksiny azy ireo ary misakana ilay otrikaretina tsy hiparitaka mialohan'ny fiafaran'ny fe-potoana. Afaka milalao izany ETO [11] ianareo.