Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

05 Aogositra 2018

Tantara tamin'ny 05 Aogositra 2018

Azia Atsimo : Andiana hafanana sy fahatapahan'ny herinaratra

  05 Aogositra 2018

Tsy nampisy orana tao Azia Atsimo mihitsy ny toetrandro maina nandritra izay andro lasa izay, izay ny fiakaran'ny maripàna no vokany mivantana ary mampananosarotra ny fiainan'ny olona an-tapitrisany ny fahatapahana herinaratra noho ny krizy ara-angovo any amin'ny firenena maro.

Afganistana : Fahatairana ara-politika

  05 Aogositra 2018

''Raha toa ka efa nalaza tany amin'ny ampahan'ny gazety tandrefana ilay lazaina hoe «lalàna mikasika ny fanolanana», miteraka adihevitra be ao amin'ny firenena ihany koa izany. Tamin'ny fomba niavaka, norakofan'ireo gazety mahazatra ny diabe nataon'ny vehivavy, saingy misy endrika ara-pivavahana mila heverina ihany koa.''

Nepal : Fanonganam-panjakana tsy nahomby?

  05 Aogositra 2018

''Tamin'ny 2008 no nipaoka ny fifandirana rehefa nanomboka niadian'ny mpanao politika nepaley hevitra ny mikasika ny fampidirana ireo maoïsta mpiady anaty akata taloha [amin'ny teny anglisy toy ireo rohy rehetra voatanisa anatin'ny lahatsoratra], fantatra kokoa toy ny Tafika ho an'ny fanafaham-bahoaka (ALP), ho ao anatin'ny tafika nasionaly. Efa novinaniana fa mety hisy vokany eo amin'ny rafitra sy ny fahamarinantoeran'ny tafika nasionaly ity dingana ity.''