Meksika: Mamantatra ny araben'i Meksika amin'ny alàlan'ny Google Street View

(Marihina fa tamin'ny 27 Novambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 9 Novambra 2009, nandany ny tolakandrony tamin'ny fijerena sary ny Meksikana, natomboka ho an'ny tanandehiben'i Mexico (renivohitra),Guadalajara, Monterrey ary ny tanàndehibe miisa dimy hafa Meksikana tamin'ny Google Street View, tolotra iray ao amin'ny Google izay maka sary ny làlambe any amin'ny tanàndehibe lehibe indrindra manerantany hatreny amin'ny arabe ny olona. Mandritra izany fotoana izany, nohavaozina ny fampahafantarana momba ny tanàndehibe sasany tamin'ireo ary ahitana torohay vaovao, toy ny lalana halehan'ny fitateram-bahoaka, ny toerana misy ny toeram-pitsaboana, ny sinema ary ny mozea.

Tany am-piandohan'ny taona 2009, maro ireo mpampiasa aterineto no nahafantatra teny an-dalambe ny fiara manokan'ny Google, izay nahitana fakantsary mampiseho ny endri-tazana marindrano (360 °) sy mijidina (290°). I Meksika no firenena voalohany eto Amerika Latina ahitana ny lalambe nalaina sary sy hita amin'ny sarintany nomerika, toy ireo tanàndehibe maro any Etazonia sy Kanada, any amin'ireo firenena Eoropeana, Azia, Oseania.

Street View in Google Maps MéxicoStreet View ao amin'ny Google Maps México

Nankasitraka ny tolotra ny ankamaroan'ny Meksikana, na dia naneho ny ahiahiny momba ny fiainany manokana aza izy ireo. Nanoratra i hekma tao amin'ny Twitter hoe:

Mi jefe vio Google street View en Mexico y comenzo a tener panico… demasiado diria yo…

Vao nahita ny Google street View ao Meksika ny lehibeko dia nanomboka nikoropaka… tena tafahoatra aza, hoy aho……

Ny fanehoan-kevitra voalohany hita matetika tamin'ity tolotra vaovao ity dia ny fitadiavana avy hatrany ny trano na ny biraon'ny olom-pantatra. Toy ny nataon'i Rafaesp , mpisera Twitter, ary hitany ny reniny nijoro teo anoloan'ny tranon'izy ireo:

Orales, en la foto de mi casa de Google Street View Mexico, sale mi madre recibiendo una notificacion para mi del IEDF… .

Oay, ny sarin'ny tranoko ao amin'ny Google Street View Mexico, io ny reniko, maka taratasy ho ahy, izay nalefan'ny Ivontoeram-pifidianana ho an'ny Distrika Federaly.

Mbola tao amin'ny Twitter ihany, mihevitra i avomx fa mamoaka hafatra ara-tsosialy tsy nahy ny sary avy amin'ny Street View:

Muy buena herramienta, pero como que se ven feitas las paredes grafiteadas y las calles llenas de baches ¬_¬

Tena fitaovana tsara, saingy toa tahaka ny mahatsiravina ny arabe miaraka amin'ny rindrina rakotra graffiti sy lavadavaka eny rehetra eny. ¬_¬

mexico_df ihany koa dia nahita ny fahasamihafana misy eo amin'ny fiainan'ny Meksikana:

Con google maps Mexico view street puedes ver algunos contrastes de nuestra ciudad casas de cartón y residencias inimaginables. Interesante

Miaraka amin'ny sarintany google maps ao amin'ny Street View Mexico ianao mahita ny fahasamihafana vitsivitsy, eo amin'ireo trano baoritra sy ireo trano fonenana mihaja mampitolagaga. Tena mahaliana.

Andro vitsivitsy taty aorian'ny fanombohany, dia efa namolavola sahady ny tetikasa ilainy manokana ireo mpisera, miaraka amin'ny iray amin'ireo safidy malaza indrindra ao amin'ny Google Street View toy ny fitsangatsanganana virtoaly. Namoaka lahatsoratra momba ny tantaran'ny tanàndehiben'i Monterrey ilay bilaogera fantatra amin'ny anarana hoe Juan Crouset ary nampiasa ny Street View izy mba hanoroany lalana ny mpamaky azy momba ireo tranobe manan-tantara. Izany dia mifanohitra tanteraka amin'ny lahatsorany mahazatra, izay matetika feno fanadihadiana ara-tantara sy sary. Indro misy santionany tamin'ny asany:

Ver mapa más grande

Juan Alvarez con Guadalupe Victoria, colonia Industrial. Muy cerca de la central de autobuses. Casa de influencia americana, probablemente construida para trabajadores de alguna empresa cercana. Muchas construcciones que se cubrieron originalmente con techos de lámina, se encuentran en muy buenas condiciones gracias a la excelente capacidad de los techos de metal para evitar la filtración de humedad, ésto a pesar de encontrarse abandonadas algunas de ellas.

[Lalana] Juan Alvarez miaraka amin'i Guadalupe Victoria, faritra indostrialy. Tena akaiky ny fiantsonan'ny bisy. Tranobe iray maka endrika amerikana, izay angamba namboarina ho an'ireo mpiasan'ny varotra sy ny indostria ao amin'io distrika io. Mbola tsara tarehy ny ankamaroan'ireo tranobe ireo izay rakotra takelaka viraty, noho ilay metaly mahazaka hamandoana, sy natao hiadiana amin'ny fandaozana ny sasany tamin'izy ireo.

Maro ny fampahalalam-baovao efa niresaka momba ity tolotra ity, anisan'izany ity lahatsoratra ity izay ahitana ny sary rehetra natokana ho an'ny faharavàn'ny tanàndehiben'i Mexico.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.