- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ouzbékistan: Manohana an'i Umida Akhmedova ireo bilaogera

Sokajy: Ozbekistan, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 24 Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny Global Voices dia efa namoaka lahatsoratra momba ilay mpaka sary Ozbeka Umida Akhmedova [1] izay voampanga ho “nanompa sy ny nanaratsy ny vahoaka sy ny fomba amam-panao Ozbeka.” Niteraka fahatezerana teo amin'ny mpanao gazety vahiny, mpaka sary sy ny mpisera miteny Rosiana ity fiampangana ity.

Tamin'ny fotoana nanoratana dia efa maherin'ny 600 ny olona avy amin'ny firenena maro no nanao sonia ny fanangonan-tsonia [2] mitondra ny anarana hoe “Hetsi-panoherana sy hatezerana”, izay notarihin'ny Fiombonan'ny Mpanao Gazety Iraisampirenena Caucasia. Nisy ihany koa ny adihevitra mafana teo amin'ny bilaogera miteny  Rosiana.

Nanoratra [3] i Ivanivanch :

Les autorités ouzbèkes sont bien connues pour leurs manquements à l'égard des journalistes, des photographes et même des touristes, bien que mes amis disent que les gens ordinaires d'Ouzbékistan sont très gentils (…). Après toute cette affaire judiciaire montée contre Umida Akhmedova, je réalise que les histoires concernant les locaux – ainsi que les bruits qui courent sur les autorités ouzbèkes – sont vraies.

Fantatra tsara amin'ny tsy fahombiazany manoloana ny mpanao gazety, ny mpaka sary ary ny mpizahatany ihany koa aza ny manampahefana Ozbeka, na dia milaza aza ny namako fa tena tsara fanahy ny olon-tsotra ao Ozbekistan (…). Taorian'ilay raharaha ara-pitsarana nanenjehana an'i Umida Akhmedova dia tsapako fa marina ny tantaran'ireo mponina ao an-toerana – ary ny resaka mandeha mikasika ny manampahefana Ozbeka.

Bilaogera marobe no nanameloka ny fitsarana didy jadona nataon'ny sampandraharaham-panjakana. Niteny nivantambatana [4] i Kinobomj :

Je suis choqué, pourquoi ces idiots des gouvernements cherchent toujours à fermer la gueule des artistes ? J'exprime ma colère et j'invite mes amis à faire de même, ou, au moins, à prendre connaissance de cette situation.

Tohina aho, nahoana ireo governemanta adala ireo no miezaka manakombom-bava ny mpanakanto? Maneho ny hatezerako aho ary manasa ny namako mba hanao toy izany, na, farafaharatsiny, hahafantatra ny toe-draharaha.

Ho setrin'izany dia nanoratra [4] i vikarasik [5]:

(…) les autorités sont trop loin des préoccupations du peuple. Et si elles veulent casser quelqu'un, rien ne peut les en empêcher.

(…) lavitra loatra amin'ny olan'ny vahoaka ny manampahefana. Ary rehefa te hamotika olona izy ireo dia tsy misy afaka manakana azy ireo amin'izany.

Ny sary rehetra ato amin'ity lahatsoratra ity dia avy amin'i Umida Akhmedova. Loharano: photopolygon.com

Mihevitra  ilay bilaogera mulioshka [6] fa mety ho mifandraika amin'ny raharahan'ny foko vitsy an'isa ao Ozbekistan izay lohahevitra hodian'ny  manampahefana hatrany tsy resahina ny olana mahazo an'i Umida. Hoy izy nanoratra [7] :

Quand on étudie l'ethnographie de l'Ouzbékistan, la question des terres où vivent les Tadjiks – qui furent octroyées à la république ouzbèke du temps de l'Union Soviétique – surgit automatiquement.

Rehefa mianatra momba ny kolontsaina ao Ozbekistan isika dia mitsikafona avy hatrany ny fanontaniana mikasika ireo tany onenan'ny Tajiks – izay nomena ny Repoblika Ozbeka tamin'ny vanim-potoan'ny Firaisana Sovietika.

Betsaka ny mpanara-maso no mihevitra fa noho ny fanoloran-tenany tamin'ny zo maha-olompirenena no antony hanenjehana ara-pitsarana ilay mpaka sary Umida Akhmedova. Nanoratra [8] i Albatrossdoc fa navitrika loatra ho an'i Ozbekistan, tamin'ny famokarana sarimihetsika sy sary ary tamin'ny fandefasana sarimihetsika maneho ny endrika ara-piarahamonina tao amin'ny mozea i Umida Akhmedova sy ny vadiny Oleg Karpov (talen'ny Mozean'ny Sarimihetsika ao Tashkent ).

Mihevitra i Albatrossdoc fa tsy nankasitraka izany ny olona sasany. Nakatona nandritra ny telo volana tsy nisy fanazavana ofisialy ny mozea.

Rehefa jerena ny sarin'i Umida dia azo lazaina fa maka sary ny vahoaka Ozbeka mahazatra izy. Miaina ao anatin'ny fahantrana ny sasany amin'izy ireo,  ao anatin'ny fahantrana lalina mihitsy aza. Mahita ao anatin'izany ny tena anton'ny hanenjehana ilay mpaka sary  [9]ilay bilaogera kambodjaa: [10] 

Des photos magnifiques. Mais sur certaines d'entre elles, on peut voir ce qui dérange exactement la société patriarcale ouzbèke. C'est clair pourquoi elle a été accusée.

Sary mahafinaritra. Saingy amin'ny sasany amin'izy ireo dia hita ny tena manelingelina ny fiarahamonina Ozbeka patriarika. Mazava ny antony hanamelohana azy.