- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Oganda: Fahatsiarovana an'i Bangi

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 11 Novambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nahatsiaro tamim-pitiavana ny fahafatesan’ [1] ilay Ogandey Wilfred Bangirana, olo-malazan'ny onjam-peo, ireo bilaogera noho ny talentany tamin'ny naha DJ tranainy azy. Namoaka  teny mamy ho fanomezam-boninahitra [2] azy i Eddyslahh ao amin'ny bilaogy Mixed Notions:

I remember one time when i went with my uncle to the disco for the oldies night where Bangi played and the guy refused step off the dance floor becouse to him, Bangi had taken him back to them days when they were still young and energetic,where getting off the floor would only be when the bouncers were asking them to get out coz it was time to close….

Bangi is one of those people who made me love old music and for that reason i never missed his wind down zone programme on sanyu fm becouse he always knew what to play, its as if the guy knew exactly what i wanted to listen to.

Tsaroako ny fotoana iray niarahako nandeha niaraka tamin'ny dadatoako tany amin'ny trano fandihizana ho an'ny alin'ny zokiolona ary i Bangi no nampandihy tao ary nandà ny hiala teo amin'ny sehatra fandihizana ry zalahy satria nitondra azy niverina tamin'ny fotoan'androny i Bangi fony izy ireo mbola tanora sy natanjaka. Tsy niala teo amin'ny sehatra fandihizana izy ireo raha tsy ny mpiambina (videurs) no nangataka azy ireo hivoaka satria efa tonga ny fotoana tokony hikatonana….

Iray amin'ireo olona nahatonga ahy ho tia mozika tranainy i Bangi ary izany no antony nahatonga ahy tsy tapaka nanaraka ny fandaharany mampiala-voly tao amin'ny sanyu fm satria fantany hatrany ny hira tokony ho alefa, toy ny hoe fantatr'ilay bandy tsara ny zavatra tiako hohenoina .

Reactions to President Yoweri Museveni's declaration [3] that he “do[es] not need money to leave power,” a thinly veiled slight to former Mozambican president Joachim Chissano after his acceptance last month of the $5 million Mo Ibrahim Prize for Achievement in African Leadership [4], were considerably less tender.

Fanehoan-kevitra tamin'ny fanambarana [3] nataon'ny filoha Yoweri Museveni fa “tsy mila vola izy hialàna amin'ny fahefana”, dia somary famelezana ny filoha Mozambikana teo aloha Joachim Chissano taorian'ny nandraisany ny Loka Mo Ibrahim mitentina 5 tapitrisa $ tamin'ny Fanatontosana ny Fitarihana Afrikana [4] tamin'ny volana lasa teo.

Be fanontaniana [5] i Minty :

Why does my computer’s automatic correction give me the words Amusement and Uneven when I try to type the name of our dear visionary president Museveni?
Does it have anything to do with this story [3]?

Nahoana ny fanitsiana teny amin'ny solosaiko no manome ahy ny teny hoe “Fialamboly sy Tsy ara-dalana” rehefa manandrana mitendry ny anaran'ny filohantsika mahatsinjo lavitra Museveni aho?
Misy ifandraisany amin'ity tantara [3] ity ve izany?

Raha nikorapaka [6] i Phantom :

I wish this were a lie, a conspiracy orchestrated by the media to discredit the good name of the paterfamilias. There would be heads rolling and people apologising and all that but this is a small price to pay for the alternative. That the president actually thinks the prize is about the money.

Inoako fa lainga izany, izay firaisana tsikombakomba nataon'ireo fampitam-baovao mba hanaratsiana ny anaran'ny ray aman-dreny be. Hisy ny atidoha manodikodina ary ny olona miala tsiny sy izany rehetra izany saingy kely ny sandan'izany handoavana ny safidy hafa. Fa ny tena eritreretin'ny filoha dia resa-bola ny loka.

Ary farany, andian-tsary tsara tarehy [7] avy amin'i Bethany, nalaina tao amin'ny Tsena Owino any Kampala tamin'ny tolakandron'ny Asabotsy avy orana:

Mud by Bethany Zylstra
Boys Watching Us by Bethany Zylstra
Sarah + Dress by Bethany Zylstra