Shina: Otrikaretina sy fomba fampahafantarana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2009)

Ho an'i Shina, hatreto aloha ny gripan-kisoa dia mbola fahafahana mampatsiahy [amin'ny teny sinoa] ny fomba ampiasaina eo an-toerana mba hifehezana ny SRAS sy ny gripa avy amin'ny vorona mandritra ny fotoanany sy hanakanana azy ireo tsy hiparitaka, ary hampitahàna ireo fepetra raisina ankehitriny ao Meksika sy na aiza na aiza hiadiana amin'ny gripan-kisoa.

Namoaka lahatsoratra iray [amin'ny teny sinoa] mitantara ny fomba ampiasana ny tambajotra sosialy mba hanarahana ny fivoaran'ilay otrikaretina i Wang Jiadong, tamin'ny alalan'ireo filaharan'ireo lohahevitra “hita” ao amin'ny Google Shina ampiasàna ireo #tenifototra ao amin'ny fikarohana amin'ny Twitter. Manolotra ny sarintany Google Map manaraka ny fivoarana ara-potoana tena isehoan'ilay gripan-kisoa ho an'ny mpamakiny izy, ary ny dika ao an-toerana nalefan’ny QQ, tolotra fandefasana hafatra eo noho eo.

Naneho hevitra betsaka [amin'ny teny sinoa] ny vondrom-piarahamonin'ny sinoa mpankafy teknolojia mikasika ny fampiasan'ny Centers for Disease Control (CDC) - Foibe fanarahamaso ny valanaretina – ny Twitter sy ny YouTube ao Etazonia mba hanaparitahana ireo vaovao farany:

能评论吗

Afaka maneho hevitra ve?

吃猪肉能传染么?

Mety ho tratran'izy io amin'ny alalan'ny fihinanana henan-kisoa ve ?

如果中国的什么疾病控制中心用QQ发布某信息…… 那估计很多人就要喷代谢产物 ~~ 你觉得呢?

Raha toa ka nanomboka nandefa ny vaovaony tao amin'ny QQ ( ilay tranonkala fandefasan-kafatra eo no eo) ny ivontoerana sinoa ho fisorohana ny areti-mifindra na tsy haiko hoe inona loatra… mihevitra aho fa olona maro no tena ho voadona mafy… Inona no hevitrareo?

看看人家国家~~再看看天朝gov 。差异啊~

Miresaka momba ny firenena hafa ianareo, dia avy eo miresaka mikasika ny governemantantsika. Fahasamihafana re izany !

就是你这种人…… 外国用所谓的这些软件发布就是潮流要是国内 用什么QQ发布 估计你就要来喷代谢产物 了! 不要看外国的月亮的时候那么崇拜 实际上你这么崇拜人家 人家未必把你当啥东西看

Olona toa anareo koa izy ireo…Lamaody amin'izao fotoana izao eny anivon'ireo vahiny ny fampiasana ireny lazaina hoe fandaharanasa ireny mba hanaparitahana ny vaovao, fa raha toa ka manomboka mampiasa ny fandefasan-kafatra QQ sy ny mitovy aminy mba hanaovana izany eto izy ireo, azoko antoka fa IANAREO no ho tena tohina mafy  ! Tsy tokony hitia loatra ny volana vahiny toy izany ianareo isaky ny mitraka mijery azy. Ho avelan'ny sasany hifotetaka eo ianareo raha manohy ny fitiavana azy ireo toy izany.

Twitter真是个肥猪流网站! 这么废品 的功能就想不明白为什么这么多人要用??难道这就是外国人思想观念比较新的具体体现了?

Tsy dia tena hoe tolotra natao ho an'ny rehetra ny Twitter ! Tena ratsy tanteraka, tsy azoko mihitsy ny fanirian'ny olona maro hampiasa azy io?? Hetsiky farany isehoan'ny fotokevitra vahiny ve izany?

差距是有的,但是和十几年前的中国比起来,现在进步了很多,应该鼓励不能嘲讽

Misy fahasamihafana, fa raha oharina amin'i Shina tamin'ny taona amam-polony maromaro lasa izay, fivoarana maro no hita. Tokony hankahery izany ianareo, fa tsy haneso.

Nanamarika ny lahatsoratra taloha tao amin'ny cnBeta post [amin'ny teny sinoa] fa nahatratra in-10 000/ora ny hatetiky ny fipoiran'ny fampiasana ilay tenifototra #swineflu (gripan-kisoa). Mamaritra tsara ny mpaneho hevitra iray fa efa manana mpanaraka miisa 25 000 sahady ilay kaonty twitter @CDCEmergency ao Etazonia, izay miteraka ity fanehoankevitra ity :

中国非典,禽流感的时候,又不见消息这么灵通?好了,现在其它国家有疫情了,中国就哇哇哇地宣传。果真是那样,三句话总结新闻联播:前十分钟,领导们很忙;中十分钟,全国人民很幸福;后十分钟,世界上其他国家的人民都生活在水深火热之中。

Ao Shina, nandritra ilay areti-mifindrana gripa avy amin'ny vorona sy ny SRAS, nahita fikorianana vaovao malalaka ve isika ? Noho izany, ankehitriny, tratran'ny areti-mifindra ny firenena hafa, ary mivovo i Shina. Tena toy ny voalazan'izy ireo ao amin'ny Famintinana ny vaovao ho anatin'ny andalana telo ao amin'ny Joint News Broadcast mihitsy izany : tao anatin'ireo folo minitra voalohany, tena sahirana be ireo mpitondra ; tao natin'ny folo minitra teny an-tenantenany, faly be ny Sinoa; tao anatin'ireo folo minitra farany, ”miaina anatin'ny rano mafana” ny olona rehetra mipetraka ivelan'i Shina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.