- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary fampahafantarana ny “fampiatoana ny ady ao Liberia”

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra efa tamin'ny volana marsa 2009)

Mila Flash 8 (na ambony kokoa) [1] sy mpitety manaiky javascript ianao raha hijery ny lahatsarinay.

Eo andrefan'i Côte d'Ivoire no misy an'i Liberia sy ny mponiny eo amin'ny 3,5 tapitrisa eo ho eo. Naorin'ireo andevo afaka avy any Etazonia tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-19, tafiditra tao anatin'ny ady an-trano naharitra 14 taona sy ny tsy fisian-dalàna i Liberia ary nifarana tamin'ny faran'ny taona 2003 teo anatrehan'ny ECOWAS (CEDEAO) [5] sy ny Firenena Mikambana [6] izany ady an-trano izany. Ankehitriny, miverina tsikelikely amin'ny laoniny i Liberia na dia tsy ampy aza ny fotodrafitrasa, ny tsy fisian'ny asa eo amin'ny 80% eo ho eo, ary ny mpiady taloha (tsy ampy taona ny ankamaroany [7]) izay tsy maintsy ampidirina indray eo anivon'ny fiarahamonina. Maro amin'ireo Liberiana tsy an'asa no nametraka ny fanantenany amin'ny namana sy havana monina any ivelany any Etazonia. Na izany aza, matetika misy ny tsy fahampian'ny fifandraisana sy fahatakarana eo amin'ny Liberiana ao an-tanindrazana sy ireo mipetraka any am-pielezana. Amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa amin'ny African Refuge [8] – foibe midadasika ho an'ny tanora Afrikana Tandrefana – sy ny Century Dance Complex [9] ao Park Hill, Nosy Staten  [10](vondrom-piarahamonina Liberiana lehibe indrindra ivelan'i Afrika), sy ny Amnesty International ao Monrovia [11], mikasa hanampy ny vondrom-piarahamonin'ny Liberiana  mpibilaogy transatlantika ilay mpanao gazety mahaleotena Ruthie Ackerman [12].

Those Liberians who lived through the war — whether soldiers or not — experienced some type of trauma or displacement. By creating a community and sharing experiences with others, it has helped give these youth a purpose and vision that there is something larger than themselves. This will benefit the community (on both sides of the ocean) on many levels: Liberians, many of whom have difficulty adjusting to life in America, can reconnect with their families and dispel myths about what life is like in the U.S. There are also left-over tensions from the war, which may be able to be diffused through the dialogue created between the communities.

Ireo Liberiana izay niaina nandritra ny ady – na miaramila na tsia – dia niaina karazana ratran-tsaina na fifindran-toerana. Amin'ny fananganana vondrom-piarahamonina sy fizarana traikefa amin'ny hafa, dia nanampy ireo tanora ireo hanana tanjona sy fahitana izany fa misy zavatra lehibe kokoa noho ny tenan'izy ireo. Ho tombontsoan'ny vondrom-piarahamonina (eo amin'ny andaniny roa amin'ny ranomasimbe) amin'ny ambaratonga maro izany: Ireo Liberiana, izay manana fahasarotana amin'ny fahazarana ny fiainana any Amerika, dia afaka mifandray indray amin'ny fianakaviany sy mandrava ny angano momba ny fiainany any Etazonia. Misy ihany koa ny disadisa tavela tamin'ny ady, izay mety hiparitaka amin'ny alàlan'ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny fiarahamonina.