- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Torolalana fampahafantarana ny fampitam-baovaon'olon-tsotra manerantany

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2008)
cit-media-thumb.png [1]
Faly ny Rising Voices manambara ny voalohany amin'ireo andiana torolalana fanentanana natao hanazavana ny fototry ny fampitam-baovaon'olon-tsotra [2] amin'ny mpamaky tsy ara-teknika.

Ny torolàlana voalohany, Fampahafantarana ny fampitam-baovaon'olon-tsotra dia manolotra fifandraisana sy fanadihadiana mampiseho ny fitomboan'ny fampiasana bilaogy, fandraketam-peo, lahatsary an-tserasera sy sary nomerika eo amin'ireo olom-pirenena isan'andro manerantany mba hampiroboroboana resaka tsy misy mpanelanelana izay miampita sisintany, kolontsaina ary fiteny samihafa. Avy amin'ny teny fampidirana:

A change is taking place in how we communicate.

Just ten years ago we all learned about the world around us from newspapers, the television, and radio. Professional journalists would go to faraway places and bring back stories, photographs and videos of the situations they witnessed and the people they met.

Sometimes at dinner we talk about these stories with our friends and family. But ten years ago we rarely, if ever, communicated directly with the journalists themselves. Leading members of society wrote editorials expressing their opinions about various issues, but the rest of us could only share our opinions and thoughts with a small group of friends.

Over the last few years everything has changed. Thanks to new tools like weblogs, it is now possible to easily publish to the Internet. From Turkey to Kenya to Bolivia, everyday people like you and me are starting to share their stories and opinions with the rest of the world.

While this new form of communication is now freely available to anyone, most of the people participating still live in the wealthy neighborhoods of urban cities.

The purpose of this guide is to show that anyone with an internet connection can participate in the emerging global conversation. Our understanding of the world is now shaped not just by the newspapers and television, but also by each other.

Misy ny fiovana mitranga amin'ny fomba fifandraisantsika.

Folo taona lasa izay, nahafantatra momba ny tontolo manodidina antsika tamin'ny gazety, fahitalavitra sy ny radio isika. Mpanao gazety matihanina no mandeha any an-tany lavitra ary mitondra tantara, sary sy horonantsary momba ireo toe-javatra hitany sy ireo olona mihaona amin'izy ireo.

Indraindray mandritra ny sakafo hariva, miresaka momba ireo tantara ireo amin'ny namantsika sy ny fianakaviantsika isika. Saingy folo taona lasa izay, raha na tsy mba nifandray mivantana tamin'ireo mpanao gazety tenany isika. Mpitarika anaty fiarahamonina no namoaka lahatsoratra maneho ny heviny momba ireo lohahevitra samihafa, isika kosa afaka mizara fotsiny ny hevitsika sy ny eritreritsika amin'ny namana vitsivitsy.

Tao anatin'ny taona vitsy farany dia niova ny zava-drehetra. Noho ireo fitaovana vaovao toy ny bilaogy, azo atao ny mamoaka zavatra anaty aterineto. Avy any Torkia ka hatrany Kenya mankany Bolivia, manomboka mizara ny tantarany sy ny heviny amin'ny tontolo hafa manerantany ireo olona toa anao sy izaho .

Na dia azon'ny olona rehetra ampiasaina maimaim-poana aza io fomba fifandraisana vaovao io, monina any amin'ireo tanàna manodidina manankarena ao an-tanàn-dehibe ny ankamaroan'ny olona mandray anjara amin'izany.

Ny tanjon'ity fitarihana ity dia ny hanehoana fa na iza na iza manana fifandraisana amin'ny aterineto dia afaka mandray anjara amin'ny resadresaka eran-tany. Ny fahatakarantsika an'izao tontolo izao dia tsy mifototra amin'ny gazety sy ny televiziona fotsiny ihany, fa amin'ny tsirairay ihany koa.

Ity fanontana voalohany ny Introduction to Citizen Media ity dia amin'ny teny Anglisy, Espaniôla, ary Bengali. Ho hita amin'ny teny Swahili, Malagasy, ary Aymara ny fanontana manaraka.

Na dia efa misy aza ireo fampahafantarana maromaro mahafinaritra  [3]mikasika ny fitsipiky ny fampahalalam-baovaon'olom-pirenena, toa mifantoka amin'ny firongatry ny tetikasa haino aman-jerin'olon-tsotra any Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana izy ireo. Ity taridalana ity kosa dia manantena ny hampiseho amin'ny mpamaky any Amerika Avaratra sy Eorôpa Andrefana fa ny sasany amin'ireo fandrosoana mahavariana indrindra sy mahaliana indrindra mifandraika amin'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra dia mitranga any amin'ny tontolo tsy tandrefana. Mikendry ny ho antontan-kevitra famantarana ho an'ireo tetikasa haino aman-jerin'ny olom-pirenena eo an-toerana izay maniry hanome sehatra iraisampirenena bebe kokoa amin'ny tetikasan'izy ireo izy rehefa manatona ireo mpitarika vondrom-piarahamonina, mpanao politika sy fikambanana izy ireo.

Mandritra ny taona 2008, hanohy hamoaka sy hizara torolàlana izay mandrakitra ny antsipirihany bebe kokoa amin'ny fampidirana sy famahanana RSS, bilaogy, sary nomerika, fandraketam-peo sy lahatsary antserasera ny Rising Voices.

Trohy ny fampahafantarana ny fampitam-baovaon'olon-tsotra amin'ny teny anglisy [1]
Descarga Una Introducción a Medios Ciudadanos en Español [4]
সিটিজেন মিডিয়ার পরিচিতি’ ডাউনলোড করুন [5]