- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara : Alin'ny Fandrobàna, Tsy Tao An-drenivohitra Ny Filoha Ravalomanana

Sokajy: Madagasikara, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009)

Vaovao nohavaozina ny 27 Janoary tamin'ny 2 ora tolakandro, ora frantsay : araka ny filazan'ny onjampeo malagasy Radio Antsiva  tamin'ny filazàm-baovaony maraina (Talata 27 janoary) dia any Morondava [1] ny “Air Force One” ilay fiaramanidina mpitondra ny filoha, ary any ny filoha Ravalomanana sy ny fianakaviany amin'izao fotoana izao. Niditra mivantana tamin'ny antso an-tariby tao amin'ny Radio Antsiva ny filoha androany Talata 27 Janoary maraina ho fanavaozana ilay antso ho amin'ny fitoniana izay efa nalefa omaly Alatsinainy 26 janoary tao amin'ny onjampeo.

[Lahatsoratra amin'ny teny anglisy navoaka ny alatsinainy 26 janoary 2009 tamin'ny 5 ora hariva frantsay nadika teny frantsay ity. ] Nijanona tsy nandefa fandaharana ny onjampeo sy ny fahitalavitra rehetra any Madagasikara (jereo ny lahatsoratra navoakanay teo aloha [2]), miezaka ny tontolon'ny bilaogy malagasy mampahafantatra amin'ny malagasy sy ireo any am-pielezana ny zava-miseho farany any an-toerana sy ny fihazakazaky ny faharatsian'ny toe-draharaha ao amin'ny sehatry ny fitorahana bilaogy madinika twitter [3] sy amin'ny alàlan'ny fanavaozam-baovao ataon'ireo mpitoraka bilaogy any an-toerana. [Fanamarihan'ny mpandika teny : niverina nandefa ny fandaharany ny ankamaroan'ireo fantsom-pahitalavitra sy ny onjampeo taorian'ny antso fitoniana nataon'ny Praiminisitra].

Alefan'ny  haba-tranonkala malagasy iray manana ny maha-izy azy, Sobika.com [4], amin'ny aterineto ny fintin'ny zava-nisy, notsongaina tamin'izany :

- 6 ora 35 mn hariva : niainga tamin'ny 6 ora latsaka folo hariva (5 : 50 hariva ) ny Force One 2 (fanamarihan'ny mpanoratra : fiaramanidin'ny filoha Ravalomanana, novidiana herinandro vitsivitsy izay )
– 5 ora sy 59 mn hariva : nofoanan'ny  PM (Praiminisitra ) ny fanambaràny. Loharanom-baovao maro no manamafy ny fametraham-pialàn'ny ankamaroan'ny mpikambana amin'ny governemanta.
– 5 ora sy 50mn hariva : tsaho momba ny fametraham-pialàn'ny governemanta. Ho raisina raha toa ka tsy misy ny fanamafisana avy amin'ny haino aman-jery
– 4 ora sy 30mn hariva : Tokony hanao fanambaràna ny praiminisitra afaka minitra vitsy. “Tsy hita” Ravalomanana

Ireo hafatra farany ao amin'ny twitter [5] sy ireo fanavaozam-baovao ao amin'ny bilaogy dia milaza fa vao nandao an'i Madagasikara tamin'ny fiaramanidina ny filoha Ravalomanana sy ny fianakaviany. [ Fanavaozam-baovao : misy ny tatitra fa any Mahajanga izy ]

Manoratra ny bilaogy Madagasikara  :

“ Les rumeurs donnent Marc Ravalomanana “introuvable”. Son Premier Ministre serait à Toamasina, et ces mêmes rumeurs font état du blocage au sol de l'avion présidentiel par des officiels rebelles. Marc Ravalomanana chercherait à rejoindre Toamasina par hélicoptère.
D'autres rumeurs indiquent la présence de mercenaires congolais, à Antsiranana et/ou à Antananarivo pour protéger le Président.

Visiblement, l'armée refuse d'intervenir. A noter que les seuls coups de feu on été donnés pour protéger la station télévisée du Président (MBS). A noter que la foule n'a pas reculé, et que les militaires ont fui face à la foule.”

Ny tsaho milaza fa ‘tsy hita’ izay misy an'i Marc Ravalomanana. Ary toa hoe any Toamasina ny praiminisitra notendreny, dia mbola ireny tsaho ierny ihany no manambara fa sakanan'ireo manmboninahitra mpihoko tsy hisidina ny fiaramanidina mpitondra ny filoha. Mitady hiondrana ho any Toamasina amin'ny alàlan'ny angidimby i Marc Ravalomanana.

Misy tsaho hafa milaza.ny fisian'ny mpikarama an'ady kongoley any Antsiranana sy/na Antananarivo, renivohitra, mba hiaro ny Filoha.

Mazava ho azy fa tsy te-hitsabaka ny tafika.  Tsara ho marihana fa fotoana tokana ihany no nisianà poa-basy, ny fiarovana ny foiben'ny onjampeon'ny filoha (ny MBS) (fanamarihan'ny mpanoratra : may sy voaroba ny tranon'ny onjampeo MBS). Tsy nihemotra ireo mpanao fihetsiketsehana, ary nandositra azy ireo ny miaramila’.

Manahy be ihany ny amin'ireo fahafatesana, ireo faharavana sy fandrobàna ireo  mpitoraka malagasy bilaogy. Matahotra ihany koa ny amin'izay tranga tsy ampoizina miandry azy ireo, ao anatin'ny fikorontànana tanteraka izay manjaka amin'izao fotoana izao, ireo mpitoraka malagasy bilaogy.

Manoratra  (amin'ny teny malagasy ) i Leboda [6]  :

“Nous avons perdu nos valeurs malgaches : la recherche de la justice, du dialogue, ihavanana, la protection de la vie….”

“Verintsika ny soatoavina maha-malagasy antsika : ny fitadiavana ny rariny, ny fifanakalozankevitra, ny fihavanana, ny fitandroana ny aina …”

  [7]Malahelo ny amin'ny herisetra iainana ny bilaogy As2Coeur [7] :

“C’est comme un mauvais film qui ne cesse de tourner et de retourner sur le projecteur malgache. La population en furie se met à tout détruire sur son passage, des jeunes en colère à cause de la misère qui se révoltent. Le but du jeu : améliorer la vie des malgaches disent-ils.

Dites ce que vous voulez car moi je ne suis pas convaincu que ce qui s’est passé aujourd’hui améliorera la vie de la population malgache.

J’adhère à la lutte pour la démocratie, c’est une cause bien noble mais je suis contre la violence quelque soit ses formes. Deux personnes furent tuées et une grièvement bléssés lors de l’assaut de la MBS, ce sont des militants qui étaient en première ligne…

Quand tous cela va-t-il finir ?”

“Tahaka ny horonantsary ratsy izay tsy mitsahatra mihodina sy mihodinkodina manodidina ny torajiro (projecteur ) malagasy izany. Mamotika izay rehetra lalovany ny vahoaka romotra, mikomy ireo tanora tezitra noho ny fahantrana. Ny tanjon'ny lalao : hanatsara ny fiainan'ny malagasy hoy izy ireo.

Lazao izay tianareo ho lazaina fa izaho dia tsy resy lahatra fa hanatsara ny fiainan'ny vahoaka malagasy ny zava-miseho amin'izao fotoana izao.

Manaiky ny ady ho an'ny demokrasia aho, tena mendrika izany,  fa toheriko ny herisetra na ahoana na ahoana endriny. Olona roa no maty ary iray naratra mafy tamin'ny fanafihana ny MBS, mpikatroka mafana fo teny amin'ny laharana voalohany izy ireo …

Rahoviana vao hifarana izany rehetra izany ?

Mampitandrina amin'ny fanelezana tsaho tontolon'ny andro tahaka izao ny mpitoraka bilaogy Tomavana  [8](amin'ny teny malagasy ):

“Les annonces de nouvelles telles que des coups de feu, des civils tués, l'incendie de la résidence du premier ministre et d'autres hommes politiques, l'avion du Président prêt à décoller…tout ceci devrait être confirmé d'abord, car la situation est très volatile…et les situations de ce genre tendent à favoriser les rumeurs”

“Ny filazàna vaovao toy ny poa-basy, fahafatesan'olon-tsotra, fahamaizan'ny tranon'ny Praiminisitra sy ireo mpanao politika hafa, ny fahavononan'ny fiaramanidin'ny filoha hiainga … tokony ho hamarinina daholo aloha izany rehetra izany, satria haingana be ny fizotry ny raharaha …  ary ny toe-javatra tahaka itony dia maha-be tsaho”.