- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona no novakian'ireo mpamaky ny Global Voices tamin'ny herinandron'ny 23-29 Jolay 2018?

Sokajy: Mediam-bahoaka

SARY: Georgia Popplewell.

Mikaroka, manoratra, mamoaka lahatsoratra, ary mandika tantara ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices amin'ny tanjona hanohanana ny zon'olombelona sy hananganana ny tetezam-pifanakalozana manavatsava firenena, kolontsaina ary fiteny.

Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay mba hahazo ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa manao izany kosa izahay satria tianay hatrany mba hisy fiantraikany manerana izao tontolo izao ny asa mafy ataonay.

Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 23 ka hatramin'ny 29 Jolay 2018.

Aiza eto amin'izao tontolo izao ireo mpamaky ny Global Voices?

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 186 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices :

1. Etazonia
2. India
3. Filipina
4. Fanjakana Mitambatra (U.K)
5. Kanada
6. Frantsa
7. Alemaina
8. Aostralia
9. Pakistana
10. Japana
11. Nizeria
12. Afrika Atsimo
13. Italia
14. Però
15. Brezila
16. Rosia
17. Singapaoro
18. Malezia
19. Holandy
20. Bangladesh

Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny True Random Number Generator [1] avy ao amin'ny Random.org ary hitopi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:

92. Shipra
108. Albania
143. Nosy Solomona
164. Nauru
41. Arabia Saodita

Global Voices amin'ny teny Anglisy

Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:

1. #ThemToo (Izy ireo koa): Vehivavy Syriana mitantara ny tantaran'ny fanolanana tany am-ponja [2]
2. Hanery an'i Frantsa hanana resadresaka ilaina momba an'i Afrika ve ny Amboara Manerantany? [3]
3. Nahoana ny faritanin'i Bamyan no mamoaka ny tsara indrindra ao Afghanistan [4]
4. Nahoana ireo mpitsoa-ponenana Syriana any Libanona no matahotra hiverina any Syria fehezin'i Assad [5]
5. Tari-dalana mankany amin'ny fifidianana ankapobeny 2018 ao Pakistan [6]

Global Voices Lingua

Ny Lingua dia tetikasa iray mandika an-tsoratra ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ny tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.

Amharika

Arabo

Bangla

Shinoa (notsorina)

Shinoa (nentim-paharazany)

Tsheky

Holandey

Esperanto

Frantsay

Alemà

Grika

Hongroà

Indoneziana

Italiana

Japoney

Koreana

Makedoniana

Malagasy

Nepaley

Polonina

Portiogey

Punjabi

Rosiana

Serba

Espaniola

Swahili

Tiorka

Ordò