
SARY: Georgia Popplewell.
Mikaroka, manoratra, mamoaka lahatsoratra, ary mandika tantara ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices amin'ny tanjona hanohanana ny zon'olombelona sy hananganana ny tetezam-pifanakalozana manavatsava firenena, kolontsaina ary fiteny.
Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay mba hahazo ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa manao izany kosa izahay satria tianay hatrany mba hisy fiantraikany manerana izao tontolo izao ny asa mafy ataonay.
Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 23 ka hatramin'ny 29 Jolay 2018.
Aiza eto amin'izao tontolo izao ireo mpamaky ny Global Voices?
Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 186 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices :
1. Etazonia
2. India
3. Filipina
4. Fanjakana Mitambatra (U.K)
5. Kanada
6. Frantsa
7. Alemaina
8. Aostralia
9. Pakistana
10. Japana
11. Nizeria
12. Afrika Atsimo
13. Italia
14. Però
15. Brezila
16. Rosia
17. Singapaoro
18. Malezia
19. Holandy
20. Bangladesh
Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny True Random Number Generator avy ao amin'ny Random.org ary hitopi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:
92. Shipra
108. Albania
143. Nosy Solomona
164. Nauru
41. Arabia Saodita
Global Voices amin'ny teny Anglisy
Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:
1. #ThemToo (Izy ireo koa): Vehivavy Syriana mitantara ny tantaran'ny fanolanana tany am-ponja
2. Hanery an'i Frantsa hanana resadresaka ilaina momba an'i Afrika ve ny Amboara Manerantany?
3. Nahoana ny faritanin'i Bamyan no mamoaka ny tsara indrindra ao Afghanistan
4. Nahoana ireo mpitsoa-ponenana Syriana any Libanona no matahotra hiverina any Syria fehezin'i Assad
5. Tari-dalana mankany amin'ny fifidianana ankapobeny 2018 ao Pakistan
Global Voices Lingua
Ny Lingua dia tetikasa iray mandika an-tsoratra ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ny tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.
Amharika
- የ‘ወንድም ጋሼ’ አፍሪካዋ ቤቲ ላይ የባሕል እሴት ጥያቄ ተቀሰቀሰባት (“Asongadina ao amin'ny Big Brother Africa ny olana momba ny soatoavina ara-kolontsain'ny Muslim Gash manohitra an'i Betty”, nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Arabo
- الكشف عن هويتك الإفريقية يعني مواجهة محادثات غير سارة مع من تحبهم (“‘Indraindray ny miditra amin'ny famantarana Afrikanina…dia midika fisian'ny resadresaka mahasosotra amin'ny olona tianao’”)
Bangla
- নেলসন ম্যান্ডেলার ১৭টি জ্ঞানগর্ভ উক্তি যা সকলের পাঠ করা উচিৎ (“Tenim-pahendrena 17 avy amin'i Nelson Mandela Tsara Vakin'ny Tsirairay,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Shinoa (notsorina)
- 一名身穿「『习』特勒」T恤的中国活动人士被捕失踪 (“Shinoa mpikatroka nanao T-Shirt ‘Xitler’ Nanjavona tany Am-ponja,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016 )
Shinoa (nentim-paharazany)
- 影片:馬達加斯加的兒童性交易 (“Horonatsarimihetsika mampiseho fivarotana ankizy tsy ampy taona hivaro-tena ao Madagasikara,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Tsheky
- Izrael, jedna z nejvyprahlejších zemí světa, má dnes vody nadbytekdšení (“Feno rano ankehitriny i Israely, Iray amin'ireo firenena makiana indrindra manerantany,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Holandey
- Israël, een van de droogste landen ter wereld, wordt nu overspoeld door water (“Feno rano ankehitriny i Israely, Iray amin'ireo firenena makiana indrindra manerantany,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Esperanto
- Kiom valoras la homaj rajtoj? — 20 usonajn dolarojn laŭ la Ĉambro de Reprezentantoj de Filipinoj (“Inona no soatoavin'ny zon'olombelona? Araka ny filazan'ny Antenimiera ao Filipina, $20,” nivoaka voalohany tamin'ny 2017)
Frantsay
- Pornographie sur Whatsapp au Brésil : la liberté sexuelle féminine en débat (“Niteraka Sary-sy-Soratra (meme) tamin'ny aterineto manome tsiny ny niharam-boina ny Sary mamoafady ao amin'ny WhatsApps” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Alemà
- Durch das Spiegeln von Webseiten können sich türkische Nutzer wieder Wikipedia-Inhalte ansehen (“Tranonkala Fitaratra manampy ireo mpiserasera Tiorka hifandray indray amin'ny Wikipedia,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2017)
Grika
- 17 σοφές φράσεις του Νέλσον Μαντέλα που όλοι πρέπει να διαβάσουν (“Tenim-pahendrena 17 avy amin'i Nelson Mandela Tsara Vakin'ny Tsirairay,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Hongroà
- 17 Nelson Mandela-idézet, melyet érdemes ismerni (“Tenim-pahendrena 17 avy amin'i Nelson Mandela Tsara Vakin'ny Tsirairay,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Indoneziana
- Apakah Taiwan Sebuah Negara, Pulau Merdeka, Wilayah yang Memisahkan Diri atau Sebuah Provinsi di Tiongkok? (“Moa ve i Taiwan firenena, nosy mizakatena, sa zaratany iray misintaka na faritanin'i Shina?” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Italiana
- Il primo studio completo sull'abuso sui minori in Madagascar indica un livello allarmante di violenza (“Mampiseho herisetra tafahoatra ny fikarohana voalohany momba ny fanararaotana ankizy ao Madagasikara”)
Japoney
- バングラデシュは「世界一のベジタリアン大国」? 実はそうでもない (“Bangladesh no firenena tsy mihinan-kena indrindra manerantany'? Tsy dia izay loatra.”)
Koreana
- 러시아 남성에 대한 우크라이나 여성의 섹스보이콧 (“Vehivavy Okrainiana mpivaro-tena manohitra ireo lehilahy Rosiana,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2014)
Makedoniana
- Македонија: Твитер-хаштаг за премиерот – #Ж (“‘Makedonia: Tenirohy Twitter ho an'ny Praiminisitra – #Ж,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2011)
Malagasy
Nepaley
- नेपालका ट्रकहरुमा कोरिएका साहित्य र व्यंग्य (“Misy ny Tenim-pahendrena sy Vazivazy hita amin'ny hoso-doko ao ambadikin'ny kamiao Nepaley,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Polonina
- Toksyczna “Wyspa śmieci” na Malediwach (“Misy ny nosy vita tamin'ny fako misy poizina avy eny an-dranomasina ao amin'ny Maldiva,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2014)
Portiogey
- Um ritual de proteção para “fechar o corpo” liga tradições religiosas diferentes no Brasil (Fiarovana ny fomban-drazana “Sarony ny vatana” mampifandray ireo fomban-drazana ara-pivavahana isan-karazany any Brezila,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Punjabi
- ਕਸ਼ਮੀਰੀ ਪੱਯੁਗਾਂਡਾ ਵਿੱਚ ਪਲਾਸਟਿਕ ਕਚਰੇ ਦੀ ਸਮੱਸਿਆ ਗੰਭੀਰਤਰਕਾਰ ਸ਼ੁਜਾਤ ਬੁਖਾਰੀ ਦੀ ਗੋਲੀ ਮਾਰ ਕੇ ਹੱਤਿਆ ਕਰ ਦਿੱਤੀ (“Olana lehibe any Oganda ny fako plastika”)
Rosiana
- 10 африканских блюд, которые каждый должен попробовать (Ireo sakafo miisa 10 avy any Afrika Atsimon'i Sahara tian'ny olona handramana,” nivoaka tamin'ny taona 2014)
Serba
- Malezija: Uputstva roditeljima o tome kako prepoznati homoseksualce i lezbejke (“Malezia: Toro-lalana lehibe momba ny fomba ahitana ireo pelaka sy Lesbiana,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2012)
Espaniola
- 10 palabras que usas a diario que no sabías que eran de origen quechua (“Teny 10 mahazatra amin'ny teny Espaniola sy Anglisy izay avy any Quechua,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2015)
Swahili
- Hekima 17 za Nelson Mandela Zinazofaa Kusomwa na Kila Mmoja (“Tenim-pahendrena 17 Avy Amin'i Nelson Mandela Tsara Vakian'ny Rehetra,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Tiorka
- Katarlıyım ve Evleneceğim Kişiye Karar Verebilmek İstiyorum (“Katari aho, ary Te ho Afaka Manapa-kevitra Ho An'ny Tenako Ny Amin'izay Ho Vadiako,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Ordò
- افغانستان کی ان دیکھی تصاویر (“Fizarana ny sarin'i Afghanistan mbola tsy fahitanao,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2012)