(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2011 – Ny IDP dia ireo olona izay nafindra toerana tao anatin'ny fireneny ihany)
Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Feon'ny Fifandirana ao Kaokazy ity lahatsoratra ity.
Efatra volana lasa izay, tamin'ny 11 Oktobra 2010, nanomboka nanohitra ny tsy firaharahian'ny fanjakana azy ireo olona nafindra toerana tao anatin'ny firenena (IDP) noho ny fitsoahana ny ady tany amin'ny faritra separatista ao Abkhazia sy Ossetia Atsimo. Nmena tranolay teo an-tokotanin'ny lapan'ny Ministeran'ny Olona Nafindra Toerana avy any amin'ireo faritany Voabodo, Fampiantranoana sy ireo Mpitsoaponenana avy any Zeorzia, maro ireo olona nafindra toerana no mangataka ny fanjakana mba hanajanona ireo fandroahana, izay hatreto dia nahitana fianakaviana mihoatra ny 80 nesorina tamin'ny tranony vonjimaika, ka hanome azy ireo trano ipetrahana.
Na izany aza, tsy nisy manampahefana tonga niresaka tamin'izy ireo na iray aza momba ireo olana ireo sy ny ahiahiny hoe miorina any amin'ny tanàna haolon'ireo foibem-paritra sady tsy misy fianarana sy hôpitaly sahaza ireo trano atolotry ny fanjakana. Efa nanamarika toe-piainana any amin'ny toerana toy izany ny famoahana an-tambajotra toy ny EurasiaNet, nanamarika fa matetika tsy ampy varavarankely sy ireo filàna fototra toy ny rano, herinaratra ary entona ilay trano vaovao.
Vokatr'izany, nanokatra vondrona Facebook antsoina hoe One night in a tent with IDPs (Alina iray ao an-tranolain'ireo nafindra toerana) ny blaogera Besik Liparteliani sy David Chikhladze, izay nahasintona olona 387 tao anatin'ny herinandro.
Isanalina, eo amin'ny blaogere 3-5 eo no matory miaraka amin'ny IDP ao anaty tranolay. Mitondra sakafo, akanjo ary fanafody miaraka aminy izy ireo, manoratra ny fomba fijeriny ary mizara izany an-tambajotra rehefa mody.

Zeorziana blaogera any amin'ny tranolaina IDP any Tbilisi, Zeorzia. Avy amin'ny http://gabo.ge/archives/1294
Hatreto, nasehon'ireo haino aman-jery an-tambajotra fotsiny aloha ny firaisankinan'ireo blaogera, miaraka amin'ny Netgazeti [GE] mamerina mamoaka matetika ny fomba fijerin'izy ireo, Liberali [GE] manasongadina izany, ary ilay fahitalavitra lehibe amin'ny aterineto itv.ge, mitatitra izany an-dahatsary [GE].
Manoratra ny iray amin'ireo blaogera tafiditra tao anatin'ilay hetsika, Lilac.ge [GE]:
უკვე 4 თვეა ასე, ღია ცის ქვეშ ცხოვრობენ და არც იციან, ამას ბოლო როდის მოეღება. ხანდახან ძალიან შიათ, ამ დროს კი ”ლტოლვილთა და განსახლების სამინისტროს” თანამშრომლები საკვები პროდუქტებით დატვირთულები მშვიდად და გულგრილად უვლიან გვერდს.
შეშა არ ყოფნით, კარვებში წვიმა ჩასდით, მათი მინისტრი კი შორიდან უთვლის: ”არაუშავს, არც ისე ცივი ზამთარიაო”.
Eny tokoa, manoratra mikasika ny trangana vehivavy iray namono tena noho ny hakiviana ny Gabo.ge [GE] .
4 თვის განმავლობაში ამ საპროტესტო აქციის შესახებ მწირი ინფორმაცია ვრცელდებოდა. ეს ფაქტი მედიასაშუალებების ყურადღების მიღმა დარჩა. მიუხედავად იმისა რომ მოხდა ერთი უბედური შემთხვევაც. სამინისტროს მხრიდან გულგრილი დამოკიდებულების გამო ერთმა ქალბატონმა თავი ლტოლვილთა და განსახლების სამინისტროს ეზოში დაიწვა და 25 დღის შემდეგ გარდაიცვალა.
Manoratra momba ny toe-piainan'ireo IDP koa ny blaogera Tiko Gabunia [GE] .
არის დევნილი, რომელსაც ორივე ფეხი ომში აქვს დაკარგული, ერთ ბატონს ცალ ფეხში ძვლის მაგივრად რკინა აქვს(დანარჩენები ამბობენ, რომ ღამე ეყინება, პარკებს იხვევს და ჩანთაში დებს). კარგ მდგომარეობაში ნამდვილად არც ერთი მათგანი არ არის, მაგრამ ზოგის მდგომარეობა გაუსაძლისია.
ღამით გავიგეთ, რომ ყველა კარავში წყალი ჩადის. ასევე, არ აქვთ საკვები, საჭიროებენ ჰიგიენურ ნივთებს, შეშას (შეძლებისდაგვარად იქნებ დავეხმაროთ).
Manoratra momba ny hakiviana sy ny fahaverezam-panantenana ao amin'ilay toby ho an'ny IDP ny Vakhushti Menabde [GE].
უკვე რამდენიმე საათია აქ ვართ და პირველივე, რაც შევნიშნე სრული უიმედობაა. დევნილებს არ სჯერათ რომ მათი ბედი ვინმეს ანაღვლებს. ყოველდღე უყურებენ სამინისტროს თანამშრომლების ნაწილის (თავად ასე ამბობენ) ცინიკურ დამოკიდებულებას, გული წყდებათ, რომ ნაციონალური მედია არ აშუქებს მათ პრობლემას. მათ შესახებ რამდენიმე კვირის წინ გახდა ცნობილი, არადა უკვე მეოთხე თვეა აქ არიან. აღარც უფლებადამცველი ორგანიზაციების სჯერათ, არც საერთაშორისოების.
Mandritra izany fotoana izany, tsara homarihina fa tamin'ny faran'ny taona 2008 nandritra ny fivoriamben'ireo mpitondra fanomezana tany Bruxelles, 4,5 lavitrisa dolara no voaangona, ka ny 74,5 tapitrisa eoro (102,7 tapitrisa dolara) no natao ho an'ny fampiantranoana ireo olona nafindra toerana. Nanome 51 tapitrisa euro (70,3 tapitrisa dolara) tamin'ny fahavaratra 2009 ihany koa ny Kaomisiona Eoropeana ho an'ny fampiantranoana maharitra ireo IDP. (loharano). Namoaka fanambaràna mandrisika ny fanjakana Zeorzia mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena amin'ny fanesorana olona ihany koa ny Amnesty International.
Hanohy ny fandrakofana ilay hetsi-panoherana ny Global Voices ary ho zaraina tsy ho ela ireo fanavaozana.
Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Feon'ny Fifandirana ao Kaokazy ity lahatsoratra ity.