Jolay, 2018

Tantara tamin'ny Jolay, 2018

Korontana feno nandriaka rà tao Peshawar

  29 Jolay 2018

Nisy fanafihana iray indray niseho tao amin'ny hôtely iray tao Peshawar, Maro ireo Pakistaney sy mpiasan'ny Firenena mikambana ary mpiasan'ny ONG iraisam-pirenena no namoy ny ainy tamin'izany.

Nepal: Fiaingana vaovao miaraka amin'i Madhav Kumar Nepal ?

  29 Jolay 2018

Taoriana herinandro maro niadiana varotra teo amin'ireo antoko politika nepaley, "voafidy" handray ny andraikitra Praiminisitra ao Nepal i Madhav Kumar Nepal, ilay mpitarika kaominista efa za-draharaha ary sekretera jeneraly taloha tao amin'ny Antoko kaominista nepaley (masksista sy leninista mitambatra ) na PCN (MLU).

IndiBlogger.in : Ny toetry ny tontolon'ny blaogy indiana

  29 Jolay 2018

Nizara vaovao mahaliana taminay mikasika ireo blaogy 7895 resahan'ny IndiBlogger.in i Renie Ravin ao amin'ny IndiBlogger.in. Vavahadin-tserasera tena mavitrika be anà blaogy indiana ny IndiBlogger.in, miaraka amina endri-javatra tsara toy ny fanangonana isaky ny lohahevitra, fandaharana ireo blaogy mifanaraka amin'ny lazany (IndiRank) ary fitaovana iray fandaminana hatsikana (andiana lohahevitra iombonana na tenifototra any amin'ny blaogy), IndiVine.

Shina: Voasakana ao Shina ny Twitter, Flickr, Bing.

GV Mpisolovava  29 Jolay 2018

Nakaton'ny fanjakana tamin'ny alalan'ny GFW avokoa ireo tranonkala mety hifaneraseran'ny sinoa ao Shina, toy ny Twitter, Flickr, Bing sns. Tsy nanakana ireo sinoa mpampiasa aterineto tsy handingana ity GFW ity anefa izany mba hahafahany miditra indray amin'ny Twitter.