- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fahasalamana manerantany: Ny “Gripan-kisoa” an-tsary

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Angletera, Etazonia, Hong Kong (Shina), Kolombia, Meksika, Shina, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Saripika

(Marihina fa tamin'ny 10 May 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Na dia nilamindamina aza ny ahiahy momba ny firongatry ny “gripan-kisoa” dia mbola nitohy ny fiparitahan'ny viriosy nanerana izao tontolo izao . Antsoina ihany koa hoe viriosy H1N1, nanambara [1] ny Sampan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana (OMS) fa olona miisa 4 379 no tratran'ity viriosy ity (2009) tany amin'ny firenena miisa 29, ary 49 no maty noho ny aretina.

Etazonia sy Meksika no nahitana tranga betsaka indrindra tamin'ny viriosy, na dia hita tany amin'ny ankamaroan'ny kaontinanta aza no nitrangan'izany. Mampiseho ny tranga rehetra voamarina sy ny fahafatesana rehetra tamin'ny ankapobeny avy amin'ny viriosy H1N1 ity sarintany [2] ity. Nahitana ny fiantraikan'ny aretina sy ny fanehoan-kevitry ny olona ireo sary avy amin'izao tontolo izao.

Nalaina tany Meksika ity sary [3] ity, izay toerana nahafatesan'olona betsaka indrindra noho ny viriosy. Nilaza ny OMS fa araka ny tatitra avy any Meksika dia miisa 1 626 no voan'ny aretina, ary tafiditra tao anatin'izany ny fahafatesan'olona miisa 45.

Photo by Guerry on Flickr

Sary avy amin'i Guerry tao amin'ny Flickr

Photo by Chupacabra on Flickr

Sary avy amin'i Chupacabra tao amin'ny Flickr

Noho ny firongatry ny gripan-kisoa, izay voamarina tany Meksika tamin'ny volana Aprily 2009 dia nanome baiko ny fanakatonana [4] avy hatrany ny sekoly, ny mozea, ny tranomboky ary ny teatra tany an-tanandehiben'i Meksika ny governemanta tao amin'ny firenena. Mampiseho ny Mozean'ny Antropolojia Nasionaly tao an-tanandehiben'i Meksika izay nakatona ity sary [5] ity. Niverina nisokatra [6] indray ny oniversite, ny fiangonana ary ny tranombakoka ary toy izany ihany koa ny sinema, ny trano fisakafoanana ary ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena. Saingy tsy mbola niverina tany an-tsekoly ireo ankizy madinika.

Photo by 19melissa68 on Flickr

Sary avy amin'i 19melissa68 tao amin'ny Flickr

Nandritra izany fotoana izany, maro ireo sekoly no nihidy nanerana an'i Etazonia, raha nitatitra ny OMS fa nahitana ny trangan'ny gripan-kisoa miisa 2.254 tany an-toerana, anisan'izany ny olona maty miisa roa. Ity sary [7] ity dia mampiseho ny sekoly iray tao Fort Worth, Texas, izay nakatona noho ny fiparitahan'ny H1N1. Nilaza ny Foibe ho an'ny Fanaraha-maso sy ny Fisorohana ny Aretina fa tokony haverina hosokafana indray ny sekoly satria malefaka kokoa noho ny niheverana azy teo aloha ny viriosy. Na teo aza izany dia mpianatra manodidina ny 468.000 [4] nanerana ny firenena no efa voakasiky ny fanakatonana.

Nahatonga fisavoritahana ny fahitana ny fisian'ny H1N1 tany am-boalohany rehefa nanomboka niparitaka tao an-tanandehiben'i Meksika izany, hoy ny mpaka an'ity sary [8] ity. Mampiseho ny talatalana foana tao anaty fivarotan-dehibe tany atsinanan'ny tanàndehiben'i Meksika ity sary ity. Nilaza ihany koa ilay mpaka sary fa nohamafisin'ny manampahefana fa tsy hisy ny tsy fahampian'ny sakafo sy ny fanafody, ka nampihena ny fanangonan-tsakafo izany.

Photo by Enea on Flickr

Sary avy amin'i Enea tao amin'ny Flickr

Na tao an-tanandehiben'i Meksika [9] na tany New York [10], dia nampiasa saron-tava mba hisorohana ny gripan-kisoa ireo olona any amin'ny toerana mihiboka toy ny metro satria mifindra amin'ny olona amin'ny alàlan'ny kohaka sy ny evina ny viriosy. Saingy nisy adihevitra [11] be teo amin'ny hoe tena mahaaro tokoa ve ny saron-tava .

Photo of New York City by Swerz on Flickr

Sary tao an-tanandehiben'i New York avy amin'i Swerz tao amin'ny Flickr

Photo of Mexico City by Enea on Flickr

Sary tao an-tanandehiben'i Meksika avy amin'i Enea tao amin'ny Flickr

Na dia izany aza, maro ireo olona no nampiasa saron-tava mba hiarovan-tena, indrindra rehefa mandeha fiaramanidina, na ireo ekipan'ny zotram-piaramanidina na mpandeha. Ato amin'ity sary [12] ity, manao saron-tava ny ekipa mpanamory raha miandry ny entany tao amin'ny seranam-piaramanidina ao Bogota izy ireo.

Photo by laimagendelmundo on Flickr

Sary avy amin'i laimagendelmundo tao amin'ny Flickr

Mampiseho ny fisavorovoroana izay nitranga tany amin'ny Fanjakana Britanika ihany koa ity sary [13] ity, izay nahitana ny trangana gripan-kisoa niisa 39. Noho ny valan'aretina dia nanambara [14] ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana Ara-pahasalamana Britanika fa voaavaky ry zareo ny kaody zenetika fenon'ny viriosy H1N1, dingana voalohany amin'ny famokarana vakisinin'ny gripan-kisoa vita Eoropeana .

Photo by donebythehandsofabroken artist on Flickr

Sary avy amin'ny mpanakanto donebythehandsofabroken tao amin'ny Flickr

Mampiseho ny ‘ascenseur‘ [fanakadrihana] tao Hong Kong izay nodiovina matetika mba hisorohana ny gripan-kisoa ity sary [15] ity. Na dia iray monja aza ny tranga nisy tany Shina dia efa nandray fepetra henjana ny firenena mba hisakanana ny fihanaky ny viriosy. Ohatra, tamin'ny 8 May [16] 2009 dia tsy namela ny fivezivezena nandritra ny herinandro tao amin'ny trano fandraisam-bahiny iray izay nijanon'ny Meksikanina iray nararin'ny gripan-kisoa i Hong Kong, ary namoaka olona miisa 280 teo ho eo izay natokana tao amin'ilay tranobe.

Photo by David Bailey MBE on Flickr

Sary avy amin'i David Bailey MBE tao amin'ny Flickr

Farany, ato amin'ity sary [17] ity dia mivory ao amin'ny Katedralin'ny Tanandehiben'i Meksika ny olona. Nilaza ilay mpaka sary fa nivavaka ho an'ny marary, ny governemanta ary ny sisa amin'ny fiarahamonina izy ireo ary nanantena fa mba “handray fanapahan-kevitra tsara” izy ireo hanoherana ny valan'aretin'ny gripan-kisoa ato amin'ny firenenay. “

Photo by Sarihuella on Flickr

Sary avy amin'i Sarihuella tao amin'ny Flickr