- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

EWAMT: Mianatra mamahana bilaogy mba hanompoana ny vondrom-piarahamonina

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 29 Jona 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

ewamttraining [1]

Nikarakara atrikasa roa hafa ny volana Jona 2009 ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices ‘Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media’ [2] (EWAMT). Taorian'ny fahombiazan'ny atrikasa voalohany [3] tamin'ny volana May, dia nahazo fangatahana avy amin'ny FTMF maro ny tetikasa mba hampiditra ny kandidàn'izy ireo ao amin'ny atrikasa manaraka. Na dia nisy aza ny fanamelohan'ny lehilahy nientanentana sasany milaza ho misy fanavakavahana satria natokana ho an'ny vehivavy ihany ny atrikasa. Nanoratra [4] ny talen'ny tetikasa EWAMT, Ghaida'a al_Absi:

I did not expect to have this large number of girls who want to have the knowledge of blogging and social networks, so we enforced to looking for a volunteer to be just responsible for receiving these emails and registration.

In 3-4 June, 2009 we hold our second workshop for 10 activists from various NGOs at Youth Economic Development Center. This time we had added energizing exercises to the workshop, and the trainer Basheer al-Samawy made some funny exercises to the trainees.

Tsy nanantena aho fa ho marobe ireo ankizivavy izay naniry hianatra momba ny famahanana bilaogy sy ny tambajotra sosialy, noho izany dia niezaka izahay nitady mpilatsaka an-tsitrapo iray mba ho tompon'andraikitra tamin'ny fandraisana ireo mailaka sy ny fisoratana anarana.

Nanatontosa ny atrikasa faharoa izahay tamin'ny 3-4 Jona 2009 ho an'ireo mpikatroka miisa 10 avy amin'ny FTMF isankarazany tao amin'ny Foiben'ny Tanora ho an'ny  Fampandrosoana Ara-toekarena. Tamin'ity indray mitoraka ity dia nanampy fanazarana manome hery tao amin'ny atrikasa izahay, ary nanome fanazarana mampiala voly ho an'ny mpiofana i Basheer al-Samawy, mpampiofana

Basheer
Workshop

Nanohy i Ghaida'a hoe:

In the next day, we finished the other techniques in blogging then we made discussion in which way we will use our blogs to serve our community. We gave them examples of Yemeni bloggers and showed them their blogs. Moreover, we talked about face book and YouTube, and they all made account in face book and joined the EWAMT group in facebook.

Nahavita ireo teknika hafa momba ny famahanana bilaogy izahay ny andro manaraka ary nanao fifanakalozan-kevitra momba ny fomba hampiasanay ny blaoginay mba hanompoana ny vondrom-piarahamoninay. Nataonay ohatra ho azy ireo ny bilaogera Yemenita ary nasehoany azy ireo ny bilaogin'izy ireo. Ankoatra izay, niresaka momba ny Facebook sy ny Youtube izahay, ary nanokatra kaonty Facebook avokoa izy ireo ary nanatevin-daharana ny vondrona EWAMT tao amin'ny Facebook.

Vita tamin'ny 17 sy 18 Jona ny atrikasa fahatelo. Indro ny andian-tsary mampiseho ny sary nalaina nandritra ny atrikasa:

Mpandala ny mahazatra ny fiarahamonina Yemenita, ary fianakaviana maro no tsy manaiky hamoahana ny sarin'ireo zanany vavy. Saingy nazoto nalaina sary ny sasany tamin'ireo mpikambana .

Indro ny lisitry ny bilaogy nisokatra nandritra ny atrikasa voalohany:

Indro ny lisitry ny bilaogy avy amin'ny atrikasa faharoa:

Ireto misy bilaogy hafa avy amin'ireo mpikambana sy mpandrindra ao amin'ny EWAMT:

Nisy lahatsoratra bilaogy maromaro navoaka tao amin'ny bilaogy voalaza etsy ambony avy any Yemen. Hiezaka hanasongadina ny sasany tamin'izy ireo aho. Kanefa miangavy anao mba hijery izany amin'ny antsipiriany amin'ny fampiasana ny tranonkala fandikanteny toy ny Google Translate [35] ao anatin'izany ny bilaogin'ny tetikasa [36].

Nanoratra [37] momba ny firohotan'ny mpitsoa-ponenana Somaliana maro tao Yemen sy ny tsy fandraisana andraikitry ny manampahefana amin'ny famahana ny olana i Huda .

Faly [38] nandray anjara tamin'ny atrikasa i Soad :

Trained, thanks to the excellent training and I benefited a lot. I wish to be an active participant in this blog and thank you very much.

Nahasoa ahy betsaka ny fampiofanana tsara azoko. Maniry ny ho mpandray anjara mavitrika amin'ity bilaogy ity aho ary misaotra betsaka anareo.

Nanoratra [39] tao amin'ny bilaoginy manokana ihany koa izy momba ny fisakaizana manokana. Nanoratra [40] momba ny fiankinan-doha tao Yemen i Life Maker Foundation Yemen .

Nanoratra [41] momba ny zon'ny ankizy hiaina amim-pilaminana i Lena. Niresaka [42] momba ny dikan'ny atao hoe ankizy eny an-dalambe i Rahaf .

Nanoratra [43] momba ny fomba hampiroboroboana ny fananana fahatokisan-tena ho an'ny zanaka i Bushra .

Nanoratra [44] tamin'ny teny Anglisy mikasika ny fomba fijeriny ny finoana Islamo any Etazonia i Jumana .