- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kambodza : Mety hisintona ny raharaham-pitsarany ifanolanany amin'ny Praiminisitra ny vehivavy iray solombavambahoaka sady mpikatroka

Sokajy: Kambodza, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka ny Mey 2009)

Mpikatroka fantatra erantany [1] i Mu Sochua [2] [amin'ny teny anglisy toy ireo rohy rehetra], mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena Kambodziana avy amin'ny antoko Sam Rainsy Party (SRP). Tsy ela akory izay, nampiakatra fitsarana anenjehana an’ i Hun Sen, Praiminisitra ao amin'ny firenena, noho ny fanambarana manala baraka nataony tamin'ny volana aprily 2009. Taorian'izany, nampiakatra valim-pitoriana an'i Mu Sochua ihany koa noho ny fanalàna baraka i Hun Sen.

Namoaka lahatsoratry ny Phnom Penh Post izay manazava amin'ny antsipirihany ilay valim-pitoriana nataon'i Hun Sen ny KI Media [3] :

Nanao valim-pitoriana  i  Ky Tech, mpisolo vavan'ny [F]anjakana, izay misolo tena an'i Hun Sen. Nilaza i Ky Tech fa mety hangataka hatramin'ny 10 tapitrisa riels ( eo amin'ny 2000 euro eo) izy ho onitry ny fanimbàna sy tombontsoa avy amin'i Mu Sochua sy ireo olona hafa tsy nolazainy, tafiditra tao anatin'ny fanalana baraka ny olona arovany, nandritra ilay antsafa ho an'ny gazety natao tamin'ny alakamisy lasa  teo.

Raha ny mikasika i Mu Sochua kosa, tsy mangataka afa tsy 500 riels ho onitra izy ao anatin'ny fitoriany.

Namoaka taratasy iray anoratan'i Mu Sochua mivaky toy izao ny Cambodian Bright Future [4]:

Afaka andro vitsivitsy, hiala ny fiarovana ara-parlemanterako, noho izany, afaka ny ”hanadihady” mikasika ny raharahako ny fitsarana. Dingana mahazatra ho an'ny mpanao politika ao amin'ny antoko mpanohitra na ireo mpikatroka ho an'ny zon'olombelona io, na koa ireo mahantra tsy afaka ny hanao kolikoly amin'ireo mpitsara ao amin'ny lapa izany. Ho gadraina fotoana maharitra ao amin'ilay tranomaizina malaza ratsin'i ”Prey Sar” aho arakaraky ny iheveran'ny fitsarana fa mahamety azy… Mbola mitazona ny fahanginana foana ve izao tontolo izao raha toa ka efa fehezin'olona tokana i Kambodza amin'izao fotoana izao?

Mampiako ny tahotr'i Mu Sochua ny blaogy  Details are sketchy [5] [amin'ny teny anglisy]:

Toa tsy azo eritreretina ny [fitsarana noho ny fanalam-baraka] satria any am-paosin'ny Praiminisitra Hun Sen daholo ireo mpitsara. Saingy mirary soa e. Mety ho roa segondra mahaliana izany – ny fotoana ilain'ny fitsarana mba hanilihana ilay raharaha.

Nasaina vao haingana tao amin'ny   VOA Khmer [6] i Mu Sochua, izay nanambarany fa mieritreritra ny hisintona ilay fitoriana napetrany izy.

”Mba hiarovana ny firenena, raha toa ka manaiky ny hanàla ireo fitoriana ny andaniny sy ny ankilany, dia manaiky aho”; hoy izy.

Manohana an'i Mu Sochua ary mandefa antso mba hahazoany fanohanana iraisam-pirenena bebe kokoa ny Human Rights Watch [7] .

Vao haingana, nasain'ny Equitycam.tv hitafatafa i Mu Sochua mikasika ny toerana ara-politikan'ny vehivavy ao Kambodza. Faharoa tamin'ny tafatafa natao izao, taorian'ny tafatafa niarahana tamina vehivavy, rahavavy sady mpanao lalàna, i Rtoa Men Sam Sur.