- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona no nanjo ny zo niomerika nandritra ny fito taona lasa? Hilaza izany aminao ny andiany faha-300 amin'ny Tatitry ny Olon-tsotra Mpampiasa Aterineto

Sokajy: Bahrain, Bangladesh, Ejipta, Etiopia, Frantsa, Hongria, Kiobà, Maraoka, Meksika, Okraina, Pakistana, Syria, Tanzania, Tiorkia, Venezoela, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

PFanoherana tao Bodapesta, Oktobra 2014. Sary avy amin'i Marietta Le, nahazoana alàlana

Ny Advox Netizen Report (Tatitry ny Mpisera)dia manome topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny azo amin'ny aterineto manerantany.

Amin'ity herinandro ity, miverina amin'ny fito taona nandrakofana ny zava-niseho erantany mikasika ny zo niomerika izahay mba hankalazana ny andininy faha-300!

Tamin'ny nanombohanay ny Tatitry ny Mpisera tamin'ny 2011, nanapaka hevitra ny hamorona firaketana isankerinandro ny fomba fampiharan'ny olona manerana izao tontolo izao ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny alalan'ny teknolojia – ary koa ireo sakana sy fandrahonana natrehan'izy ireo.

Niaro ireo fisampantsampanan'ny zo niomerika an'ireo hetsika ara-tsosialy [1] tao Hong Kong [2] ka hatrao Okraina [3]ka hatrany Venezoela [4], ireo fanafihana ny fikatrohana niomerika hatrany Kioba [5] ka hatrany Bahraina [6] ary hatrany Tanzania [7], ary ny lalàna momba ny aterineto any amin'ny firenena mihoatra ny 100 manerana ny kaontinanta rehetra.

Tsy ‘portmanteau’ mahay fotsiny ny ‘Netizen’ (Olon-tsotra Mpisera amin'ny Aterineto)

Nampiasaina voalohany [8] tao Shina kaontinantaly ilay teny, izay nanombohan'ny fiarahamonina an-tambajotra niantso ny tenany ho wǎngmín (网民, ara-bakiteny “olon-tsotra mponin'ny aterineto”) sy wǎngyǒu (网友, ara-bakiteny ”namana an-tambajotra”).

Ivelan'ilay lalaon-teny feno hakingan-tsaina, namorona toerana nahafahan'ny olona niresaka, nitsikera ary niady hevitra tamin'ny fomba tsy azony natao teo anivon'ny fiarahamonina Shinoa ireo vondrom-piarahamonina ireo. Fanahy ninian'ireo mpampiasa aterineto ny nanamarina ny tenany ho toy ny olon-tsotra mavitrika eo amin'ny aterineto, izay tena tsy mitovy mihitsy amin'ny fiainany tena izy.

Efa narahan'ny tarikay ny fitsarana sy ny sazy fanagadrana ireo blaogera sy mpikatroka an-tambajotra tany amin'ny firenena toa an'i Etiopia [9], Maraoka [10] ary Siria [11], izay nanao asa niteraka fiovàna ankapobeny ho an'ireo fiarahamonina misy azy ary niteraka fandrahonana ara-pitsarana misesy ho an'ny fanjakany.

Tsy manoratra mikasika ny zo niomerika amin'ny fitsipika na teoria izahay— manoratra mikasika ny fomba fiasan'izy ireo amin'ny olona tena izy izahay. Herinandro misesisesy ny ekipanay mpilatsaka an-tsitrapo no miasa mba hampiseho ny fomba nahalasanan'ny fanehoankevitra an-tambajotra ho hery mahagaga amin'ny fiainam-bahoaka ary ny fomba hanamafisany ny vondrom-piarahamonina sy ireo hetsika ara-politika miaraka amin'ny fanjakana sy mpilalao matanjaka hafa ihany koa .

Rehefa nandeha ny fotoana, nanamarika ny fomba hahafahan'ny tranga goavana iray — loza manimba ny tontolo iainana, krizin'ny mpitsoa-ponenana, fanafihana feno herisetra — hiteraka onjam-panehoankevitra izay miafara amin'ny fandrahonana ny zo amin'ny tambajotra manerana ny tany ireo tatitra nataonay. Ary nanaraka ilay fironana manerantany mibaribary amin'ny famoretana araka ny lalàna ny fanehoankevitra izay tena mahakasika olona maro manerana izao tontolo izao, nefa tsy dia atao lohateny be loatra any anaty gazety.

Ireto ny sasany amin'ireo andiany tianay indrindra tao amin'ny Tatitry ny Mpisera, mampiseho ny karazany sy ny halalin'ny asanay nanomboka tamin'ny 2011.

Mety hitondra anao any am-ponja ny fiasàna ho amin'ny tombontsoam-bahoaka: Mpikatroka niomerika iharam-panenjehana [12]

Mandry amin'ny fototry ny asan'ny vondrona mpisolovavan'ny Global Voices ny zon'ny olona milaza ny marina amin-kery. Herinandro misesisesy, nandrakotra fandrahonana ny fahalalahana maneho hevitra izahay, miainga amin'ny fisamborana ireo mpikatroka avy tao amin'ny #Istanbul10 tao Tiorkia [13]ka hatramin'ny fanenjehana ara-pitsarana ny blaogera ao amin'ny Zone9 ao Etiopia [14] ary ireo taona maro niatrehana fanafihana mahafaty natao tamin'ireo blaogera tao Bangladesh [15].

Mpanao fihetsiketsehana miantso fanamelohana ho faty ho an'ireo jiolahin'ady ao Bangladesh, 2013. Sary an'i Mehdi Hasan Khan, tao amin'ny Wikimedia (CC BY-SA 3.0)

Ireo vokatra mampvarahontsana taorian'ny raharaha Charlie: Sivana amin'ny anaran'ny fiarovam-pirenena [16]

Niteraka adihevitra lehibe [17] mikasika ny lanjan'ny fanehoankevitra ilay fanafihana ny Charlie Hebdo tao Parisy ary nitarika ny fanjakana maro tao amin'ny Fiombonambe Eoropeana sy ny hafa koa hamepetra ny fanehoankevitra malalaka [18]ary hanamafy ny hery fanarahamaso [19]n'izy ireo. Iray fotsiny amin'ireo tranga maro nampiasan'ny fanjakana ny fandrahonana ny fanaovana hevitra an-tendrony ho toy ny fanaporofoana ny famerana ny fahalalahana maneho hevitra sy ireo zo fototra hafa koa – lohahevitra maharitra ela ho an'ny Tatitry ny Mpisera.

”Charlie aho… ary Silamo.”

Amin'ny ‘tany latsaka an-katerena’, manome fahasarotana ny olon-tsotra amin'ny fidirana an-tambajotra ny fahatapahan'ny aterineto [20]

Niteraka ”tany latsaka an-katerena”, korontana ara-politika sy hetsi-panoherana ataon'ny vahoaka, ary manamarina ny fanafoanana ireo zo fototra maro ny fanakatonana maharitra ny aterineto. Nifantoka tamin'i Etiopia sy Venezoela ity andiany ity, roa tamin'ireo firenena maro nisian'ny fikatonana. Nandrakotra ny fahatapahan'ny aterineto sy ny haino aman-jery sosialy tany Shina [21], Siria [22], Pakistana [22], Kamerona [23], Iràna [24], Togo [25], India [21], Iràka [26],Ejipta [27], Gabona [28], D. RD Kongo,  [29]Somalia [30] ary Sodana [31]ihany koa izahay.

Mpianatra mpanao fihetsiketsehana miresaka amin'ireo olon'ny Fiarovam-Pirenena ao Venezoela, nandritra ny hetsipanoherana tamin'ny 2014. Sary an'i Jamez42, tao amin'ny Wikimedia Commons (CC0)

Tsy afaka manao sora-miafina ianao, fa afaka mitsikilo izahay. Miporitsaka ny Ekipa Mpijirika [32]

Manamarina ny fitsikilovan'ny fanjakana ny mpanao gazety, mpiaro ny zon'ny olombelona, ary vondrona mpanohitra ara-politika ny fiporitsahan'ny antontan-taratasy anatiny maro avy tao amin'ny orinasa italiàna mpamokatra rindrambaiko fanarahamaso Hacking Team — Nanamarina ireo taona maro niahiahiana sy porofona fikendrena rindrambaiko ratsy fanahy izay noraketinay tao amin'ny Tatitry ny Mpisera izany. Nandrakotra ny vokatr'ireo trangan-javatra tao Bahrain,  [33]Ekoadaoro [34], Ejipta [33],Libanona [35], Meksika [36] ary Serbia [37] ny vondrom-piarahamoninay.

Sariitatra an'i Doaa Eladl, avy ao amin'ny Flickr, Web We Want (CC BY-SA 2.0)

 

Mangataka valinteny avy amin'ny Facebook ireo mpikatroka [38]

Amin'ny maha-vondrom-piarahamonina mpanoratra sy mpikatroka anay, niatrika sivana, fanorisorenana ary fandrahonana mivantana [39] tao amin'ny Facebook izahay noho ny fikatrohanay, nanomboka tamin'ireo andro vitsy niforonan'ilay sehatra. Mampiseho ohatra tsy voatanisa nisianà fanavahana sy fanorisorenana tao amin'ilay sehatra ny rakitra ao amin'ny Tatitry ny Mpisera, manasongadina ny fikarohana ifotony nataonay mikasika ny Free Basics [40](tetikasan'ny Facebook hamorona ”aterineto ambony solampy” ho an'ny olona any amin'ny firenena an-dalampivoarana), ary nikaroka momba ny korontana [38] avy amin'ireo mpikatroka mangataka valinteny avy amin'ny sehatra taorian'ireo ampamoaka nataon'ny Cambridge Analytica.

Mpanao fihetsiketsehana teo akaikin'ny Foiben'ny Mpianatra ho Mampianatra (TSC) ao amin'ny Oniversiten'i Dhaka. Mivaky toy izao ilay sorabaventy ”Fialantsiny firy koa ? Sokafy ny Viber, Messenger, WhatsApp sy ny Facebook IZAO DIENY IZAO.” Sary an'i Zaid Islam, ambany fizakàmanana. Nahazoana alàlana

Miaraka amin'ny ekipana mpanoratra, mpikaroka, mpikatroka sy manam-pahaizana amin'ny zon'ny olombelona avy amin'ny firenena 41 (etsy ambany ny lisitra feno) ary ny fanohanana tsy mety levona avy amin'ireo toniandahatsoratra ato amin'ny Global Voices, nahavokatra andiany 300 tamin'ny Tatitry ny Mpisera izahay nanomboka tamin'ny 2011.

Amin'ity herinandro ity ao amin'ny Twitter, miaraha aminay mba hifandom-bera amin'ny endriny virtoaly noho ny ezaka iombonana nataontsika. Ireto mbola misy taona maro hakàna ny tantaran'izao tontolo izao mikasika ny zon'ny olombelona sy aterineto!

Raiso ny haja atolotray,

Ny Ekipan'ny Tatitry ny Mpisera

Abir Ghattas, Afef Abrougui, Alex Laverty, Alexey Kovalev, Amira Al Hussaini, Angel Carrión, Arzu Geybullayeva, Asteris Masouras, Bojan Perkov, Corey Abramson, Diego Casaes, Dragan Kucirov, Elaine Díaz, Elizabeth Rivera, Ellery Roberts Biddle, Endalk Chala, Filip Stojanovski, Firuzeh Shokooh Valle, Georgia Popplewell, Hae-in Lim, Hisham Almiraat, Inji Pennu, Ivan Sigal, J. Tadeo, James Losey, Janine Mendes-Franco, Jessica Dheere, Jillian York, Joey Ayoub, Juan Arellano, Juke Carolina, Karolle Rabarison, Kevin Rothrock, Kofi Yeboah, L. Finch, Laura Vidal, Leila Nachawati, Lisa Ferguson, Lova Rakotomalala, Don Le, Marietta Le, Mahsa Alimardani, Marianne Díaz, Mohamad Najem, Mohamed ElGohary, Mong Palatino, Nevin Thompson, Nwachukwu Egbunike, Oiwan Lam, Pauline Ratze, Rayna St, Rebecca MacKinnon, Renata Avila, Rezwan, Rohith Jyothish, Sadaf Khan, Sahar Habib Ghazi, Salma Essam, Sarah Myers West, Silvia Viñas, Solana Larsen, Suzanna Lehn, Taisa Sganzerla, Talal Raza, Tanya Lokot, Tetyana Bohdanova, Tom Risen, Torie Bosch, Weiping Li and Yuqi Chen dia nandray anjara tamin'ny Tatitry ny Mpisera, iray na maromaro, nanomboka tamin'ny 2011.

Avy any Azerbaijan, Bahrain, Bangladesh, Brezila, Bolgaria, Shina, Ejipta, Ethiopia, Frantsa, Ghana, Gresy, Goatemalà, Hong Kong, Hongaria, India, Indonezia, Japana, Iràna, Kenya, Libanona, Makedonia, Madagasikara, Meksika, Maraoka, Nizeria, Pakistana, Pero, Filipina, Puerto Rico, Rosia, Serbia, Korea Atsimo, Espaina, Soisa, Syria, Tunizia, Tiorkia, Okraina, Etazonia, Venezoelà ary Vietnam ireo mpandray anjara amin'ny Tatitry ny Mpisera.

Misorata hahazo ny tatitra [41]