EWAMT-Yemen: Vita ny atrikasa voalohany tamin'ny famahanana bilaogy

(Marihina fa tamin'ny 27 May 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Efa nampahafantarina antsika ny tetikasan'i Ghaida'a Al Absi  ‘Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media’ izay nampiofana ireo vehivavy maromaro mpikatroka ao Yemen ary niaraha-niasa tamin'ny hetsika Hand In Hand . Izy io dia iray amin'ireo nahazo vatsy fanohanana avy amin'ny Rising Voices.

The aim of this project is to obtain the Yemeni Activists in Civil and political Society in the capital city of Yemen, the skills of creating blogs as a new mass media to express their points of view, and how to use the blogs in publicizing the social affairs. (press release)

Ny hahazoan'ireo mpikatroka Yemenita ao amin'ny Fiarahamonina Sivily sy Politika ao an-drenivohitr'i Yemen ny fahaizana mamorona bilaogy ho toy ny haino aman-jery vaovao hanehoana ny fomba fijeriny, sy ny fomba fampiasana ny bilaogy amin'ny fampahafantarana ny raharaha sosialy no tanjon'ity tetikasa ity. (Fanambaràna an-gazety)

Faly izahay mitatitra fa vita soaman-tsara ny fihodinana voalohany tamin'ny atrikasa fampiofanana.

Sarotra ny nahita toerana mety. Saingy nahitana toerana azo antoka ny tetikasa, efitra iray tao amin'ny FTMF antsoina hoe “All Girls Association“. Hoy i Ghaida'a hoe:

It is really good to find a hall in association just for women because Yemen is conservative society, and females prefer to have the training in femininity environment.

Tena tsara ny nahita efitrano iray natao ho an'ny vehivavy manokana satria fiarahamonina mpandala ny mahazatra i Yemen, ary tian'ny vehivavy ny miofana ao amin'ny tontolo natokana ho an'ny vehivavy.

EWAMT training

Ny atrikasa voalohany dia natao ny 20-21 May 2009 nahitana mpandray anjara miisa 14. Anisan'ireo mpampiofana i Jamal Nasser Al-Hanesh sy Ghaida'a al-Absi.

Participants with Ghaida'a Al-Absi

Mpandray anjara niaraka tamin'i Ghaida'a Al-Absi

Nitatitra i Ghaida'a hoe :

We started at 9:00 am. [..]

On the First day of training we covered the following topics:

1- Creation of blogs in blogger

2- Morals of blogging

3- How to publicize the blog

4- Discussion about blogging and how we can advocate our issues through blogging.

In the following day we covered these topics:

1- Adding pictures and video from youtube to the blogs

2- Adding calendar to the blogs

3- Orientation about social network and the trainees created Facebook accounts and joined the EWAMT Project group in Facebook.

At the end of the last day, we took a group pictures, and said goodbye to each other; promised to keep in touch through the blog or Facebook.

Tamin'ny 9 ora maraina izahay no nanomboka

Tamin'ny andro voalohany tamin'ny fampiofanana dia nanao tati-baovao amin'ireto lohahevitra manaraka ireto izahay:

1- Fananganana bilaogy ao amin'ny blogger

2- Fomba fisainana amin'ny famahanana bilaogy

3- Ahoana ny famoahana ny bilaogy

4- Fifanakalozan-kevitra momba ny famahanana bilaogy sy ny fomba ahafahantsika manandra-teny amin'ny lohahevitsika amin'ny alàlan'ny famahanana bilaogy.

Niresaka ireto lohahevitra ireto izahay ny andro manaraka:

1- Mampiditra sary sy lahatsary avy amin'ny Youtube ho ao amin'ny bilaogy

2- Mampiditra alimanaka ho ao amin'ny bilaogy

3- Fitarihandalana amin'ny tambajotra sosialy sy fanokafan'ny mpiofana kaonty Facebook sy niditra mpikambana tao amin'ny vondrona Tetikasa EWAMT tao amin'ny Facebook .

Tany amin'ny fiafaran'ny andro farany dia niara-naka sary ireo vondrona rehetra ary nifanao veloma sy nampanantena ny hifandray hatrany amin'ny alàlan'ny bilaogy na ny Facebook.

 

Ireto misy sary maro hafa tamin'ny atrikasa :

e3
w1
e2Jamal no hany lehilahy nanatrika ity fiofanana ity.

Jamal

Ary naneho ny fihetsem-pony izy:

it was nice training the girls were wonderful and i am so happy to work with them. i was the only man there 🙁 so u can imagine what happened ?????
ha ha ha ha ha

Nahafinaritra ny nampiofana ireo tovovavy ary faly aho niara-niasa tamin'izy ireo. izaho irery no hany tao: (azonao sary an-tsaina hoe inona no nitranga ?????
ha ha ha ha ha

Ato amin'ity lahatsary ity dia naneho ny heviny tamin'ny teny Arabo ireo vehivavy Yemenita mpikatroka:

Hisy fizarana roa ny tetikasa. Ahitana vehivavy mpikatroka miisa 100 ny fizarana tsirairay ary hampianarina ny fomba fampiasana bilaogy izy ireo. Natao ny 27-28 May 2009 ny atrikasa faharoa tamin'ny dingana voalohany. Araho amin'ny lahatsoratra manaraka ny vaovao farany.

[Sary nampindramin'ny EWAMT photo stream]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.