Egypta: Voasivana ny kaonty Flickr an'ilay mpikatroka

(Marihina fa tamin'ny 6 Novambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nitroatra ireo mpikatroka Egyptiana taorian'ny “nanivanan'ny” Flickr ny kaonty fizaran-dry zareo sary.

Nanoratra ilay mpanao gazety, bilaogera sady mpikatroka Hossam El Hamalawy hoe :

“I had noticed that some of my recent pix from Ireland, that included the Palestine and the Republican murals were not viewable to the public unless they were signed in. I emailed the Flickr Gods. They were kind enough to respond back quickly and un-flag some of the pix, putting them on “safe” mode, but without giving me an explanation why they were flagged in the first place.
The only reason I can think of is an editorial anti-Palestinian bias”

“Nahatsikaritra aho fa ny sasany tamin'ireo saripikako farany avy any Irlandy, izay nahitana an'i Palestina sy ny sary hosodoko an-drindrina Repoblikana dia tsy hitan'ny besinimaro raha tsy miditra amin'ny kaontiny mihitsy izy ireo. Nandefa mailaka tany amin'ny andriamanitry ny Flickr aho. Tsara fanahy izy ireo tamin'ny famaliana izany haingana ary nanisy fanamarihana ny sasany tamin'ireo sary , ka nametraka azy ireo tamin'ny toetra “safe” (voaaro), saingy tsy nanome ahy fanazavana ny antony nanomezana izany fanamarihana  izany.
Ny hany antony azoko eritreretina dia ny fitongilanana ara-kevitra anti-Palestiniana “

Mbola niandry ny valiny mahafa-po izy taorian'ny fifanakalozana mailaka roa tamin'ny Flickr:

“I still haven’t received a reply from them about why my Ireland photos were censored in the first the place, or about changing the above.
I have to say I’m disgusted and I’m in need of your solidarity to get my flickr account back its “safe” mode, so that search engines can find it”

“Mbola tsy nahazo valiny avy amin'izy ireo aho momba ny antony nanasivanana ny sariko tany Irlandy teo amin'ny pejy voalohany, na ny antony nanovana izany.
Lazaiko fa kiriko aho ary mila ny firaisankinanareo aho mba hamerina ny kaontiko flickr ho toetra “safe” indray, mba hahafahan'ireo milina fikarohana mahita izany “

Hamalawy threatened that he would migrate to another service because he simply is not going to remove the strike and demonstration pictures, some of which have been contributed by other photographers, from his account.

Nandrahona i Hamalawy fa hifindra any amin'ny tolotra hafa izy satria tsy hanaisotra fotsiny tsotra izao ny sarin'ny fitokonana sy ny fihetsiketsehana izay, izay avy amin'ny mpakasary hafa nandray anjara tao amin'ny kaontiny ny sary sasany.

Nanohana an'i Hamalawy i Nora Younes ary nandrahona ny hifindra ihany koa.

Nanoratra izy:

“If flickr case 982056 is not promptly solved; I – a 3 years FlickrPro user, photojournalist, and internationally recognized human rights activist- will migrate too.”

“Raha toa ka tsy voavaha haingana ny raharaha flickr laharana faha 982056 dia -ny tenako- mpisera FlickrPro nandritra ny 3 taona,  mpaka sary fanao an-gazety, ary mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona fanta-daza manerantany dia hifindra ihany koa. “

Naneho ny tsy fankasitrahany ny fanivànana ny kaontin'i Hamalawy i Nora izay nahazo ny loka HRF :

“free speech is now struggling several battlefields: Twitter suspended their services in Egypt. In 2007, YouTube suspended Wael Abbas’ channel while his facebook page was recently deleted. And now flickr is censoring Hossam el-Hamalawy. Instead of the growing dependency on those companies we need to develop our own Arab Social Networks”

“Miady eo amin'ny sehatr'ady maro ny fahalalahana miteny ankehitriny: nampiato ny tolotra nataony tany Egypta ny Twitter. Tamin'ny taona 2007, naaton'ny Youtube ny fantson'i Wael Abbas raha vao nofafana vao haingana ny pejiny facebook. Ary ankehitriny, nanivana an'i Hossam el-Hamalawy ny flickr. Tokony tsy hiankin-doha amin'ireo orinasa ireo isika fa mila mampivelatra ny Tambajotra Sosialy Arabo manokana “

Any amin'ny fivoarana hafa, nitatitra momba ny fanivanana ny kaonty Flickr an'ilay mpikatroka  Wael Abbas ihany koa i Hamalawy.

Oh great… They first disabled his YouTube channel, and now Facebook deleted Wael’s account..

Oadray … Nesorin'izy ireo aloha ny fantsony YouTube, ary nofafan'ny Facebook indray ny kaontin'i Wael ankehitriny .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.