Fantaro ireo bilaogera vaovao ao Liberia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2009)

Tamin'ny volana Oktobra (2008) lasa teo, mpanao gazety Liberiana sivy no nianatra ny fomba fibilaogina nandritra ny atrikasa tao amin'ny Ambasady Amerikana ao Monrovia. Noho ny fanohanan'ny Foibe ho an'ny Demokrasia sy ny Fampandrosoana ao amin'ny UMass Boston, tafaverina eto Monrovia aho ankehitriny miaraka amin'i Kathleen Flynn sy Ken Harper mba hanampy handrindra atrikasa fibilaogina maromaro kokoa. Ny lahatsary etsy ambony dia mampahafantatra ny sasany amin'ireo mpanao gazety vao haingana indrindra sy ireo mpianatra asa fanaovan-gazety ao Liberia mba hanandrana hibilaogy.

denna.jpg

Manoratra ao amin'ny bilaoginy i Denna Gibson

Varney Karneh nanoratra momba ny Valan-dresaka iraisam-pirenena vao haingana momba ny fampaherezana ny vehivavy, ny Fampandrosoana ny Fahaiza-mitarika, ny Filaminana sy ny Fandriampahalemana iraisam-pirenena ary ny fomba hisitrahan'ny tovovavy izany. Mikasa hampiasa ny bilaoginy i Emmanuel Tobey, mpaka sary fanao an-gazety ao amin'ny Firenena Mikambana mba hampiseho ny sarin'ny hatsarana voajanaharin'i Liberia. Saturday H. Seke nanasongadina atrikasa fampiofanana haisoratra notontosain'ny ONG ALFALIT INTERN. Denna Gibson kosa mitaraina noho ny tsy fisian'ny varavarana-misokatra sy ny fanomezan-kaja ho an'ny vehivavy atleta ao Liberia. Aremita mihevitra fa sakana roa lehibe eo amin'ny lalan'ny fampandrosoana an'i Liberia ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra sy ny fitondrana vohoka eo amin'ny tanora. Moses B. Togbah kosa mihevitra fa sakana lehibe ihany koa ny haratsian'ny lalana. Farany, Laurina Honore, mpanao gazety ao amin'ny radio Sky FM, mamaritra ny zava-niainany tao amin'ny atrikasa:

I MIGHT HAVE MORE BLOGS WITH IN TIME TO COME. RIGHT NOW I’M STUDYING MASS COMMUNICATION AND POLITICAL SCIENCE AT THE UNIVERSITY OF LIBERIA. I AM ALSO A BROADCAST JOURNALIST AT SKY 107 FM IN MONROVIA. I MIGHT DO ALLOT OF THINGS IN TIME TO COME. I LOVE MUSIC WHICH IS MY INSPIRATION, SO I WILL GET ALLOT DEEPER INTO THE ENTERTAINMENT WORLD. IF I DON’T GET THROUGH I WILL WORK IN MY GOVERNMENT AS AN IMPORTANT FIGURE, THAT’S WHY I AM GOIN TO SCHOOL. BUT I FEEL LIKE A CELEBRITY CUZ THA’S HOW I AM REFER TO. MY BEEN ON THE RADIO HAS MADE ME INTO A POPULAR FIGURE AND I HAVE SO MANY FANS. I FEEL GOOD EVERYDAY. I AM BLESS, I’M GRATEFUL TO GOD FOR MY LIFE.

METY HANANA BILAOGY MARO KOKOA AHO ATSY HO ATSY. MIANATRA MOMBA NY SERASERA FAOBE SY NY SIANSA POLITIKA AO AMIN NY ONIVERSITEN'I LIBERIA AHO ANKEHITRINY. MPANAO GAZETY AO AMIN'NY SKY 107 FM AO MONROVIA IHANY KOA AHO. METY AFAKA MANAO ZAVATRA BETSAKA AHO ATSY HO ATSY. TIAKO NY MOZIKA IZAY MANAINGA FANAHY AHY, KA HIDITRA BEBE KOKOA AMIN'NY TONTOLON'NY FIALAM-BOLY AHO. RAHA TSY IZANY DIA HIASA AO AMIN'NY GOVERNEMANTAKO HO TOY NY OLO-MALAZA AHO, IZANY NO MAHATONGA AHY MANKANY AN-TSEKOLY. SAINGY MAHATSIARO TOY NY OLO-MALAZA AHO SATRIA IZANY NO RESAHAKO. NAHATONGA AHY HO OLO-MALAZA NY ASAKO TAMIN'NY RADIO ARY MANANA MPANKAFY MAROBE AHO. MAHATSIARO SAMBATRA AHO ISAN'ANDRO. VOATAHY AHO, MISAOTRA AN'ANDRIAMANITRA NOHO NY FIAINAKO.

Aza adinoina ny mampiditra ny bilaogin'izy ireo ao amin'ny RSS hamakian-teny anao sy mametraka fanehoan-kevitra fankaherezana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.