EWAMT: Ny hazavana ao anaty haizina – Ireo vehivavy bilaogera ao Yemen

(Marihina fa tamin'ny 3 Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisarika betsaka ny sain'ny fampitam-baovao i Abdul Farouk Umar Abdulmutallab,  Nizeriana 23 taona manana fiaviana Arabo Yemenita, noho ny fikasany hanapoaka baomba tamin'ny zotra iray mankany Etazonia. Nanafintohina  ny fanambarana iray hafa nahatohina ny fiampangana  an'i Abdulmutallab satria ny AL-Qaeda no nampiofana azy tao Yemen ary mbola nisy maro hafa tao Yemen izay nikasa ny hanapoaka ireo fiaramanidina Amerikana.

Feno ireo vaovao rehetra ireo ny fampitam-baovao mahazatra niaraka tamin'ny karazana fiheveran-diso saingy tsy dia nilaza firy momba ny eritreretry ny vahoaka ao Yemen izy ireo. Tsy dia maro ny fomba ahafahana manao izany.

Niaraka tamin'ny fanampian'ny Rising Voices, mampianatra ny famahanana bilaogy ho an'ireo vehivavy mpanao politika, mpikatroka, ary mpiasa mpiaro ny zon'olombelona ao Yemen mba hitondrana azy ireo eo amin'ny fifanakalozan-kevitra manerantany ny tetikasa ‘Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media’ (EWAMT).

Women activists in Yemen - 8th Workshop. November 2009

Mpikatroka vehivavy ao Yemen – Atrikasa faha-8. Novambra 2009

Eto isika dia hijery ny sasany tamin'ireo lahatsoratry ny mpandray anjara :

Naniry izany tao anaty tononkaloAisha ao amin'ny Life Blog :

I reiterate once again to say that we must be very fair with our children ..
And they get all their rights ..
Because what awaits them after a few years .. will be painful at best ..

Mamerimberina indray aho milaza fa tokony ho tsara fanahy amin'ireo zanatsika isika ..
Ary omena ny zony rehetra izy ireo ..
Satria ny zavatra miandry azy ireo aorian'ny taona vitsy .. dia fangirifiriana no tsara indrindra..

Nanoratra momba ny fampijaliana ny ankizy ary nandrisika ireo mpamaky tao amin'ny lahatsorany i Drew drops.

Niresaka momba ny fifandraisan'ny Tatsinanana-TandrefanaKholoud ao amin'ny Ambitious Project. Nanontany tena momba ny ezak'ireo firenena Tandrefana sasany amin'ny fandraràna ny fiparitahan'ny nokleary any Afovoany Atsinanana ilay bilaogera, ireo firenena ireo kosa anefa dia tsy mbola nanomboka nandrara ny azy ireo mba ho marindanja ny tantana.

Nanoratra momba ny fianarany sy ny fiainany ary namerina izany indray tamin'ny alàlan'ny asa i Abeer Aeriqi.

Ireto misy lisitry ny bilaogy maromaro tsara arahina.

Ny Alakamisy faha-12 Novambra 2009 dia nisy ny atrikasa fahavalo natao niaraka tamin'ny mpiofana miisa 12. Nampahafantatra ny lehiben'ny tetikasa Ghaida'a Al Absi hoe :

At the end of the workshop, we discussed some topics such as freedom of speech, sexual harassment in Yemen. Talking about freedom of speech in Yemen leads you to sensitive position with the government, so we were talking about it with fear of the existence of spies.

Niresaka momba ny lohahevitra sasany toy ny fahalalaham-pitenenana, ny fanorisorenana ara-nofo ao Yemen izahay tamin'ny fiafaran'ny atrikasa. Saropady ho an'ny governemanta ny firesahana momba ny fahalalaham-pitenenana ao Yemen, noho izany dia niresaka momba izany tao anatin'ny tahotra mety isian'ireo mpitsikilo izahay.

ewamt 8th workshop

Mpikatroka Yemenita nifanakalo hevitra

Hoy i Ghaida'a: “Toy ny labozia miaraka amin'ny labozia maro hafa ny tetikasa EWAMT, izay manome hazavana ny haizina ao Yemen.” Manantena izahay fa hanjavona tsy ho ela ny haizina amin'ny fisian'ny bilaogy maro kokoa sy ny fifanakalozan-kevitra bebe kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.