- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

IndiBlogger.in : Ny toetry ny tontolon'ny blaogy indiana

Sokajy: India, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2009)

Vao haingana no nozarain'i Renie Ravin ao amin'ny IndiBlogger.in [1] [amin'ny teny anglisy toy ireo blaogy rehetra voatanisa] tamintsika ny vaovao mahaliana mikasika ireo blaogy 7895 resahan'ny IndiBlogger.in. Vavahadin-tserasera tena mavitrika be anà blaogy indiana ny IndiBlogger.in, miaraka amina endri-javatra tsara toy ny fanangonana isaky ny lohahevitra, fandaharana ireo blaogy mifanaraka amin'ny lazany (IndiRank [2])  ary fitaovana iray fandaminana hatsikana (andiana lohahevitra iombonana na tenifototra any amin'ny blaogy), IndiVine [3].

Nangoniko ireo angona manandanja ho ao anatina fàfana iray mampiseho ny toetry ny tontolon'ny blaogy indiana [4], ao amin'ny IndiBlogger.in [4] :

State of the Indian Blogosphere Dashboard [5]Tableau de bord “Etat de la blogosphère indienne” / Fafana mampiseho ny ”Toetry ny tontolon'ny blaogy indiana”

  • Lehilahy avokoa no mamoaka ny telo ampahefatry ny blaogy ao amin'ny  IndiBlogger.in
  • Ny teny anglisy, hindi, tamoul, marâthî sy ny télougou no teny dimy ampiasaina indrindra. Amin'ny teny anglisy avokoa ny 92% an'ireo blaogy, ary mihevitra i Renie fa tsy dia aseho loatra ao amin'ny vondrom-piarahamonina IndiBlogger.in ireo teny indoues, nefa tokony ho maneho tsara izany ny fitsinjarana eo amin'ireo teny isan-karazany.
  • Bangalore, Chennai, NCR (Faritry ny Renivohitra Nasionaly), Mumbai sy Hyderabad, izay manambatra efa ho telo ampahefatr'ireo blaogy rehetra, no tanàna dimy voasongadina indrindra. Tokony ho maneho tsara izany kokoa ny fitsinjarana isaky ny tanàna nefa angamba toa voasongadina be loatra ireo tanandehibe ao anatin'ity santionany ity, satria heverina hahafantatra kokoa ny IndiBlogger.in ireo blaogera ireo.
  • Mavitrika tsara ilay vondrom-piarahamonina blaogera : 8% manavao isanandro ny blaoginy, 47 % mamoaka lahatsoratra farafahakeliny in-dray isankerinandro ary 88% farafahakeliny in-dray isambolana. Amin'ny resaka daty kosa indray, mihoatra ny 80% ireo blaogy navaozina farafahakeliny in-dray nanomboka tamin'ny 2009. Tokony ho maneho tsara izany ireo rakitra momba ny hatetiky ny fanavaozana.
  • Eo amin'ny 19%-n'ireo blaogy ireo no manana pagerank (fandaharana ) 3 na mihoatra ao amin'ny Google ary eo amin'ny 18% eo no manana fandaharana 3 000 000 na kely ao amin'ilay fandaharana ny blaogy arakaraky ny fitsidihana ilay tranonkala Alexa. Tokony ho maneho tsara izany ihany koa ireo antontanisa ireo.
  • Ny The Indian National Interest [6], Digital Inspiration [7] sy ny Gauravonomics [8] no blaogy telo voatsidika indrindra ao India, araka ny algoritma IndiRank [2]n-n'ny IndiBlogger.in. Na izany aza, mety hitondra any amin'ny fahadisoana izany satria maro ireo blaogera indiana tena vakiana im-betsaka indrindra no mbola tsy nanoratra ny blaoginy tao amin'ny IndiBlogger.in. Mihevitra aho fa tsy tokony hijanona amin'ireo blaogy voasoratra ao amin'ny sehatrasany ihany ny IndiBlogger.in ary tokony haka ohatrana blaogy indiana araka izay vitany, atomboka amin'ireo blaogy rehetra ao amin'ny angom-blaogy indiana an'ny Amit Agarwal [9]. Afaka hitaky ny fiahiana ireo blaogy ireo any aoriana raha mahaliana azy izany. Hahafahana mamaha haingana ny olan'ny fahazoana antok'ireo fandaharana ireo izany. Mihevitra koa aho fa ho tsaratsara kokoa ny ho mangaraharaha tanteraka momba ny masontsivana ao anatin'ity fandaharana ity, toy ny fandaharana AdAge Power 150. [10]

Efa nanokana lahatsoratra ho an'ny angondrakitra ao amin'ny IndiBlogger.in ihany koa i Maneesh Madambath, ao amin'ny WATBlog [11].

Ao amin'ny andiany manaraka mikasika ny toetry ny tontolon'ny blaogy indiana ao amin'ny IndiBlogger.in , hahaliana ny hanadihady ny fivoaran'ireo antontanisa ireo mandritra izany fotoana izany. Mety hahaliana koa ny hampiasa ny angondrakitry ny IndiBlogger.in mba hanadihadiana ireo tambajotra, amin'ny fampiasana fitaovana toy ny Linkfluence [12].

Raha maniry ny hahazo vaovao bebe kokoa mikasika ity fanadihadiana ity, na hanolotra angondrakitra hafa ho sintonina izay mety hahaliana, na koa hanampy anay amin'ny fanadihadiana vaovao, mifandraisa amin'i Gaurav Mishra [13] na i Renie Ravin [14] , na mamelà fanehoankevitra etsy ambany.

Nozaraina tao amin'ny blaogy Gauravonomics [15] ihany koa ity lahatsoratra ity, blaogiko momba ny tambajotra sosialy sy ny fiovàna sosialy.